Mpisolovava Mitaky Ny Famotsorana An'ilay Bilaogera Ejipsiana Alaa Abd El Fattah Any Am-ponja

Alaa Abd El Fattah with his wife and intellectual partner, Manal Hassan. Photo by Lilian Wagdy via Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Alaa Abd El Fattah miaraka amin'ny vadiny sady mpanolotsainy, Manal Hassan. Sary avy amin'i Lilian Wagdy tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Lahatsoratra nosoratan'i Nani Jansen sy Adrian Plevin.

Taorian'ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataon'ilay bilaogera sady mpiaro ny zon'olombelona Ejipsiana Alaa Abd El Fattah izay any am-ponja amin'izao fotoana izao, nanao fanangonan-tsonia nalefa tany amin'ny Vondron'asan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanagadrana Tsy Amin'ny antony (UNWGAD) ny Media Legal Defence Initiative (Fisantaran'andraikitry ny Media Amin'ny Fiarovana Ara-pitsarana) (MLDI) sy ny Electronic Frontier Foundation (Fikambanana Sisintany Antserasera) (EFF) mba handray izay fepetra rehetra ilaina ho famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Abd El Fattah.

Iray amin'ireo olom-pirenena voalohany niantso ho amin'ny fanovana politika ao Ejipta ity bilaogera Ejypsiana 32 taona efa nahazo-loka marobe ity. Miara-miasa amin'ny vadiny Manal Hasaan, niaro ny fahalalaham-pitenenana tamin'ny alalan'ny habaka Manalaa sy Omraneya, “bilaogy iraisana” voalohany eo amin'ny tontolo Arabo i Abd El Fattah  mba tsy hameperana ny fidirana  votoaty. Nahatonga azy ho hery antserasera voalohany amin'ny fanentanana sy fiarovana ny zon'Olombelona sy ny fahalalahana fototra eo anivon'ny fiarahamonina Ejipsiana ny lahatsoratra avoakany amin'ny aterineto .

Tokony hiatrika fitsarana i Abd El Fattah tamin'ny 11 Jiona 2014 noho izy voalaza fa nikarakara fihetsiketsehana tsy nanaja ilay lalàna vaovao mampiady hevitra momba ny lalàna manenjika ny fihetsiketsehana. Kanefa nomelohina tsy nandalo fitsarana izy ary voasazy higadra 15 taona an-tranomaizina

Nogadraina na natao fanadihadiana isaky ny filoham-pirenena Ejipsiana nifambindy i Abd El Fattah nandritra ny androm-piainany. Tamin'ny taona 2006, nosamborina noho ny fandraisany anjara tamin'ny fihetsiketsehana milamina izy. Tamin'ny 2011, nigadra roa volana tany am-ponja izy, ka tsy mba nahita ny nahaterahan'ny zanany voalohany. Tamin'ny 2013, nosamborina izy ary nogadraina nandritra ny 115 andro tsy nisy fitsarana.

Niharan'ny teritery iraisam-pirenena hatrany i Ejipta hamahana ny fiharatsian'ny toerana ara-zon'olombelona miaraka amin'ny korontana politika taorian'ny fihonganan'ny Filoha Hosni Mubarak tamin'ny taona 2011. Nilaza ny loharanom-baovao sasany fa tena ratsy kokoa noho ny tamin'ny fitondran'i Mubarak ny zava-misy anketrihiny: satria tsy mitsaha-mitombo ny isan'ireo mpanao gazety sy bilaogera nosaziana an-tranomaizina: Nitodika tany amin'ilay raharaham-pitsarana voatsikera mafy momba ireo mpanao gazety vahiny telo, izay nanasongadina ny fivoarana mampiahiahy eo amin'ny rafi-pitsarana ao Ejipta ny mason'izao tontolo izao. Raha manao lahateny ho famongorana ireo Mpirahalahy Miozolomana ny governemanta tohanan'ny miaramila, tsy mitsahatra mitsikera ny fitondrana kosa ireo mpikatroka liberaly sy lahika. Nosazian'ny fitsarana ny fanoherana aa-politika ary nahazo vahana ny fampiharana sazy mandra-pahafaty: tamin'ny volana Martsa tamin'ity taona ity, mpanao fihetsiketsehana maherin'ny 500 no nahazo sazy mandra-pahafaty. Nahazo sazy mitovy amin'izany ihany koa ireo mpanohana ny Mpirahalahy Miozolomana miisa 683 tamin'ny volana Jiona.

Mendrika hodinihana manokana ny raharaha Alaa Abd El Fattah. Nijoro ho mpitsikera mahery vaika ny tenany ary nandrisika ny namana Ejipsiana mba hitolona mafy hoan'ny fanajana ny zo fototr'izy ireo. Nizaka ny mafy vokatr'izany anefa ny tenany, niafara tamin'ny fanagadrana azy na fanaovana fanadihadiana azy isaky ny miova filoham-pirenena nandritra ny androm-piainany izany.

Nandefa fanangonan-tsonia tany amin'ny UNWGAD amin'izao fotoana izao ny MLDI sy EFF mba hampahafantatra fa tsy ara-drariny sy manitsakitsaka ny adidin'i Ejipta araka ny Fifanekana Iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy politika ny fanagadrana azy. Nitaky tamin'ny UNGWAD izy ireo mba handray fepetra tsy misy hataka andro noho i Abdel Fattah mitokona tsy hihinan-kanina, ary hanaiky fa ny fanesorana ny fahalalahany dia noho ny fampiharany ny zony hiteny sy haneho hevitra an-kalalahana, ny  zony hanao fihetsiketsehana milamina sy hamorona na hiditra fikambanana, ary hanambara fa noesorina tamin'i Abd El Fattah ny zony hiatrika fitsarana ara-drariny sy atrehin'ny daholobe tontosain'ny fitsarana mahaleotena sy ny tsy mitanila. Notontosaina niaraka tamin'i Rosa Curling avy ao amin'ny Kabinetran'ny mpisolovava Leigh Day ao Angletera ilay fanangonan-tsonia. Manaraka akaiky ny raharaham-pitsarana an'i Abd El Fattah amin'ny anaran'ny Tambajotra miaro ny Zon'Olombelona Eoro-Mediteraneana (Euro-Mediterranean Human Rights Network) i Curling. Vakio eto ny fanangonan-tsonia feno.

Talen'ny fitsarana ao amin'ny Media Legal Defence Initiative (MLDI) i Nani Jansen. Mirotsaka an-tsehatra manerantany ny MLDI mba hanampy ireo mpanoratra gazety, bilaogera sy mpiasan'ny fampahalalam-baovao tsy miankina hiaro ny zon'izy ireo ary manome fanampiana ara-bola sy fanohanana amin'ny adim-pitsarana.

Mpahay lalàna lefitra ao amin'ny Fitsarana Ambony ao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenen'ny Firenena Mikambana hoan'i Yogoslavia teo aloha i Adrian Plevin

Avy amin'ny mpanoratra (lahatsoratra teny anglisy) irery ihany ireo hevitra voalaza eto ary tsy misy idiran'ny Fitsarana Iraisam-pirenena na ny Firenena Mikambana velively

20140821 UNWGAD Petition Alaa Abd El Fattah_MLDI sy EFF

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.