Surprising Europe, Tahala Miresaka Sy Misokatra Ho An'ny Mpifindra Monina

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra]

An-tapitrisany ry zareo. Monina amin'ny kaontinanta iray: Eoropa. Tonga nifindra monina ry zareo saingy manana tantara manokana. Ka raha hitantara aminareo ny fiainan'izy ireo tsirairay izahay dia ho ora maro dia maro no ho lany amin'izany. 

Misy tetikasa an-tserasera iray manao izay hifandraisana amin'ireo antsointsika mahazatra hoe mpifindra monina. Manampy azy ireo hihoatra ny fitsaratsaram-poana sy handrava ny rindrin'ny tsy fahalalana. Vonona ho amin'izany ny Surprising Europe, boky misokatra nosoratan'ny tanana maro izay noravahana sary sy lahatsary. Henika tantaran'olo-tsotra, fahombiazana, sy tsy fahombiazana ary fanantenana ny sehatra. Ary ny mpifindra monina ihany no mitantara. 

Surprising (manaitra) : ireo mahita ny hery ilaina hihoarana ny sakana ara-pitenenana, ara-pifandraisana ary ara-panjakambirao. Surprising ny fahitana ireo mpifindra monina te-hody any aminy, fa tsy afaka manao izany. Firy ny mody any aminy ary manazava amin'ny namany fa tsara kokoa ny manangana ny hoavy any aminy. Surprising, ireo mandefa izao hafatra manaraka izao : “Aleo mahantra fa afaka”. Surprising, ny mahita fa na eto Eoropa aza, misy ny olona mahantra ary tsy ilay paradisa nofinofisina io Kaontinanta iray io. 

Ary manaitra ihany koa, mifanohitra amin'izany, ireo mahatontosa ny nofinofiny, amin'ny alalan'ny mozika, na mahavita zavatra any amin'ny ozinina, amin'ny fianarana sy fironana mankany amin'ny asa tsy miankina. Ao anatin'ny tahala misokatra, ao anatin'ny fizàran-draharaha no ahitana vakoka iraisana, ifampizarana. Ny fandehanana mankao amin'io tahala io no ahitana ireo fiainana an-jorombala, sy ireo fiainana nahomby. Manaisotra ny fitsaratsara-poana mialoha ny hidirana ao, tsy mieritreritra mialoha izay mety ho hita ao, tahaka ny resadresaka eo amin'ny mpinamana.

Ny tanjon'ny tetikasa – tsy mikendry tombontsoa manokana – dia ny hanangonana ny zava-niainan'ny fifindramonina manara-dalàna sy tsy manara-dalàna ihany koa. Ny tsirin-kevitra dia natombok'i Witfilm Amsterdam sy Ssuuna Goloob, izay niainga avy any Oganda mandra-pahatonga any Eorope ijerena izay notantaraina teo amin'ireo firenentsika tsirairay avy fa tena marika tokoa ny fomba fiainantsika. Tetikasa mahazo fanohanana matanjaka, raha tsaraina amin'ireo mpanohana ara-bola azony iankinana. Nandray anjara tamin'ity programa ity ny Al Jazeera, ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ao Holandy, Ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Fifindra-monina ary ny Famatsiam-bola Eoropeana mankany amin'ny Fodiana.

Ary tsy kisendrasendra raha teraka tany Amsterdam ity tsirin-kevitra ity. Heverina ho tanandehibe maro kolontsaina ny renivohitra holandey, ahitana olona mizaka zom-pirenena 176 mifampiserasera amin'ireo mponina 811 000 ao Amsterdam (ahitana mponina 1,6 tapitrisa ny faritra an-tanandehibe).

Mizara ho sokajy enina ny tahala : Miainga ho any Eoropa, Fiainana ao Eoropa, Tsy manambola, Miditra miasa, ny Fodiana, ny Mozika. Mandrafitra tetikasa andian-tantaramitohy ao anatiny ihany koa ny tetika. Samy hafa daholo, tsy misy fifampitohizany. Misy ny fiainana feno fahadisoam-panantenana, saingy loharanon'aingam-panahy sy famoronana. Misy ny lafiny mahafinaritra ary misy ny lafiny mampalahelo. Ny adim-piainana, indraindray tola, matetika mahomby. Na ireo mpandray anjara aza dia efa miasa manao andian-tantaramitohy, efa nivoaka tao amin'ny Al Jazeera sy ny televizionam-panjakana holandey. 

Manana ny hira fanevany ihany koa ny tetikasa, « Surprising Europe », hirain'i Annie, Italiana manana fiaviana Liberiana. Ary te-hody honina any Liberia izy. Te-handefa izao hafatra manaraka izao ihany koa i Annie miaraka amin'ny tarika “fangaro” afrikana, Pepe Soup : Mitambara Ianareo !

Tsy ny mpifindramonina ihany no tompon'ny Surprising Europe, fa misy ihany koa ireo te-hahatakatra ny hevitr'izy ireo. Dia mba mipongatra kokoa eo amin'ny fiainany manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.