Mibahan-Toerana Ao Okraina ny Tambajotra Sosialy Rosiana Na dia Misy aza Ny Adim-Baovao

Euromaidan protesters use electronic devices like smart phones and tablet computers at the IT tent on the Independence Square in Kiev. Photo by Anatolii Stepanov for Demotix.

Mampiasa fitaovana elektronika tahaka ny finday raitra sy ny tablety ao anatin'ny tranolain'ny teknolojia vaovao mijoro eo amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena ao Kiev ny mpanao fihetsiketsehan'ny Euromaidan. Saripikan'i Anatolii Stepanov ho an'ny Demotix.

Ireo tambajotra rosiana VKontakte sy Odnoklassniki no mibahan-toerana eo amin'ny tsenan'ny media sosialy ao Okraina, araka ny voka-pikarohana nataon'ilay goavan'ny aterineto rosiana Yandex. Tao anatin'ny tatitra isan-taona fanaony vao nivoaka farany teo ao amin'ny toko natokana ho an'ny tranonkala Okrainiana, nilaza ny Yandex fa mihoatra ny 40 tapitrisa ny kaonty Okrainiana voasoratra anarana ao amin'ny VKontakte, Odnoklassniki, Facebook ary Twitter tamin'ity fahavaratra (ila-bolantany avaratra) ity.

VKontakte no mitari-dalana manana mpisera Okrainiana 27 tapitrisa, ary Odnoklassniki mijoro amin'ny fahazoana Okrainiana 11 tapitrisa. Ny Facebook nahazo mpisera 3,2 tapitrisa avy ao Okraina—niampy iray tapitrisa hatramin'ny fahavaratra 2012. Ny Twitter, araka ny fikarohana bilaogy Yandex, dia ahitana kaonty okrainiana 430.000: nitombo 1,5 avo heny ny mpiseran'ny Twitter ao Okraina hatramin'ny fanombohan'ny taona 2013, ary ny ankamaroan'izany dia noho ny fihetsiketsehana Euromaidan, izay nampiasana fatratra ny Twitter.

Total audience of social network sites in Ukraine: VKontakte 27 million, Odnoklassniki 11 million, Facebook 3.2 million, Twitter 430,000. Courtesy of Yandex.

Fitsinjarana ny mpiseraseran'ny tambajotra sosialy rehetra ao Okraina: VKontakte 27 tapitrisa, Odnoklassniki 11 tapitrisa, Facebook 3,2 tapitrisa, Twitter 430.000. Nahazoana alalana tamin'ny Yandex.

Tanora tokoa ireo Okrainiana mpiditra ao amin'ny VKontakte: 25 taona na latsak'izany ny atsasa-manila mihoatra. Ny ampahatelon'ny mpiseran'ny Odnoklassniki dia ao anatin'ny sokajin-taona 26-35, mametraka ny mpiditra ao amin'ny tambajotra ho somary antitra kokoa.

Nampisy akony lehibe tokoa eo amin'ny isan'ny mpiseran'ny Twitter ny toe-draharaha politika vao haingana tao Okraina: talohan'ny novambra 2013 dia 6.000 ka hatramin'ny 7.000 ny isan'ny kaonty vaovao misokatra isam-bolana, saingy tamin'ny desambra dia nahatratra 16.000 izany isa izany ary nisavoana nankany amin'ny kaonty Twitter vaovao miisa 55.000 tamin'ny Janoary 2014.

Nandritra ny fihetsiketseha-panoherana Euromaidan, nandefa hafatra 130.000 isan'andro ny Okrainiana, azo ampitahaina amin'ny hafatra 90.000 isan'andro tamin'ny 2012. Tamin'ny 20 Febroary fotsiny, izay nahitana mpanao fihetsiketsehana am-polony maty tao afovoan-tanànan'i Kyiv, dia 240.000 ny sioka nivoaka.

Rehefa nilamina tsikelikely ny fihetsiketsehana Euromaidan, dia sahiran-kevitra amin'ny rotaka miseho ao atsinanan'i Okraina, ny fanjanahana an'i Krimea ary ny vaovaon'ady eo amin'i Okraina sy i Rosia ny tambajotra sosialy. Ny adi-hevitra amin'ny anjara asan'i Rosia eo anivon'ny tolona Okrainiana, ny tsy fahafaliana amin'ny propagandy sy ny familian-dalana rosiana (ary ny fiezahana hampijoro setriny tia tanindrazana okrainiana an-tserasera, izay mampiasa teti-panorona mitovy amin'ny ataon'ny ankilany), ny fizarana, ny fitsongolohana sy ny fanamarinam-baovao avy any amin'ny faritra isian'ny fifandonana—ireny rehetra ireny no mampifikitra ny Okrainiana ao amin'ny tambajotra sosialy.

Ny fanomezana tahala ho an'ny fanehoan-kevitra sy eritreritra malalaka no nanome vahana ny media sosialy ho kianja ifampitafatafan'ny olom-pirenena avy amin'ny fironana rehetra, sy miantoka ny fitomboan'ny mpiditra ao amin'ny tambajotra sosialy. Ny fikarohana amin'ny herintaona dia mety hampiseho ny fiharatsian'ny fihetseham-po ankapobeny manoloana an'i Rosia, ary hikiky tsikelikely ny fitokisana sy ny lazan'ny tambajotra sosialy rosiana amin'izao fotoana izao ny fisian'ny fepetra henjana vaovao amin'ny aterineto misy any.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.