Bilaogera Sady Mpikatroka Mafana Fo Ao Vietnam Migadra 3 Taona An-tranomaizina Noho Ny ‘Fanelingelenana Ny Fifamoivoizana’

Policing traffic in Hanoi, 20 November 2013, by Cesar Torres. Demotix.

Mpandrindra ny fifamoivoizana any Hanoi, 20 Novambra 2013, Avy tamin'i Cesar Torres. Demotix.

 Ny alatsinainy 25 Aogositra  fanambaràn'ny @hrw mangataka an'i #Hanoi hamotsotra ilay mpanohitra any #Vietnam Bui Thi Minh Hang sy ireo namany pic.twitter.com/n3gqN5Rdf8

Nelohin'ny fitsarana iray hifonja telo taona an-tranomaizina ilay Vietnamiana malaza, bilaogera sady  mpikatroka mafana fo, Bui Thi Minh Hang, noho ny nanaovany “fanelingelenana be ny fifamoivoizana”. Ireo namany roa hafa kosa, i Nguyen Thi Thuy Quynh sy i Nguyen Van Minh, nahazo didy 2 taona ary 2 taona sy tapany avy.

Anisan'ireo 21 nosamborina izy telo ireo, ny volana Febroary lasa teo, raha nitondra môtô avy tany Ho Chi Minh City ho any amin'ny faritanin'i Dong Thap, izay nikasan'izy ireo hitsidika ilay mpisolovava iray sady gadra politika taloha. Tao anatin'ilay vondrona anefa, izy telo ihany no notanan'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fanitsakitsahana ny Lalàna Andalana faha 245, ao amin'ny lalàna momba ny heloka bevava (fanakorontanana ny filaminam-bahoaka).

Mpikatroka mafana fo fanta-daza, mpanohitra an'i Shina i Bui Thi Minh Hang, ary koa mpitsikera fatratra ny politikan'ny governemanta momba ny tany, ny fivavahana, ary ny zon'olombelona. Mpikatroka mafana fo sady mpitoraka bilaogy namany kosa i Nguyen Thi Thuy Quynh. Mpikambana ao amin'ny sekta-Bodista-Hao-Hao i Nguyen Van Minh ary mpikatroka mafana fo miady ho an'ny fahalalahan'ny fivavahana.

Taorian'ny fitazonana nandritra ny enim-bolana, nilatsaka tamin'ity herinandro ity ny didy manameloka azy ireo. Nivory tao amin'ny faritr'i Dong Thap ny olona maro, sy ireo fianakaviany ary ireo namany, mba hanohana ireo voampanga, ny andro nivoahan'ny didim-pitsaràna, kanefa noferan'ireo mpitandro ny filaminana hijanona teny lavidavitra teny ireo vahoaka, ary nosamboriny ireo izay nanatona akaiky loatra.

Nitantara tao amin'ny bilaoginy sy tao amin'ny Twitter i Ngoc Nhi Nguyen momba ireo fepetra henjana nampiasain'ny mpitandro ny filaminana mba hifehezana ny hetsi-panoherana teo anoloan'ny lapan'ny fitsaràna:

Since early this morning, the police barricaded all entrances to the block where the Court is situated. Anyone trying to get pass would be stopped and asked to be searched and have their ids checked. Anyone taking photos had their phones or cameras confiscated. Many were arrested, put onto waiting police buses and taken away, unsure where to.

This is what the Vietnamese government, a member of the United Nations’ Human Rights Council, calls an open trial!!

Hatry ny vao maraina be, nofefen'ny mpitandro ny filaminana ireo fidirana rehetra mankao amin'ilay trano misy ny Fitsaràna. Sakànana ireo rehetra manandrana ny hiditra handalo eo ary asaina alain'ny olona efa ao, sady savaina ny mari-pamantarana azy. Nalaina ny finday sy ny fitaovana fakàna lahatsary an'ireo rehatra naka sary. Maro ireo voasambotra, natao tao anatin'ny fiaran'ny mpitandro ny filaminana efa niandry teo, ary nentina tsy hay hoe aiza.

Izany no ataon'ny governemanta Vietnamiana, mpikambana ao amin'ny Filankevitra momba ny Zon'Olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana, hoe fitsaràna misokatral!!

Vaovaon'ny 7.30 maraina: Miaraka amin'ireo mpitandro ny filaminana mananontanona ny 60 isa, manodidina ny efitrano fitsaràna, nogiazana ireo fitaovana fakàna lahatsary, samborina ary ampidirina ao aminà fiara ny olona.

Araka ireo tatitra, nisy nila vaniny mihitsy ny polisy tamin'ny sasany tamin'ireo fianakavian'ny voampanga ny alina nialoha ny fitsaràna:

…three groups of activists were locked in their hotels in Dong Thap, many of them are members of the Vietnam Path Movement, No-U Hanoi, No-U Saigon. Five members of the Vietnamese Association of Women for Human Rights were confined to their without food and water. One of them, Nguyen Thi Anh Ngan (Nguyễn Thị Ánh Ngân) had her seven-month old child with her.

 

…Nohidiana tao amin'ny hoteliny tany Dong Thap, ireo vondrona telo-nà mpikatroka mafana fo, maro amin'izy ireo no mpikambana ao amin'ny Hetsiky ny Làlan'i Vietnam (Vietnam Path Movement), fikambanana No-U Hanoi, ary  fikambanana No-U Saigon. Notànana tsy misy sakafo sy rano ireo mpikambana miisa dimy avy amin'ny Fikambanana Vehivavy Vietnamiana ho an'ny Zon'olombelona. Ny iray amin'izy ireo i Nguyen Thi Anh Ngan (Nguyễn Thị Ánh Ngân), niaraka tamin'ny zanany fito volana.

mpikatroka mafana fo mpiara-dia ao #Vietnam  miomana ny hiatrika ny fitsaràna an'i Bùi Thị Minh Hằng, NVMinh & NTQuỳnh. Sary avy amin'i Anthony Le pic.twitter.com/JuYhNg2wJC

Tsy niandry ela ireo vondrona miaro ny zon'olombelona nitambatra, nanameloka ireo didy fampidirana am-ponja sy ireo fampiasana hery famoretana natao teo anoloan'ny tranon'ny fitsaràna.

 Tohina naheno fa nahazo fanamelohana valo taona rehefa atambatra ry Bui Thi Minh Hang, Nguyen Thi Thuy Quynh, ary Nguyen Van Minh.

Nitsangana nanohitra ireo manampahefana Vietnamiana i Phil Robertson, filoha lefitry ao amin'ny “Human Rights Watch” — Fanaraha-maso Ny Zon'olombelona any Azia, noho ny fampiasan'izy ireo ny lalànan'ny fifamoivoizana mba hanenjehana ireo mpikatroka mafana fo miaro ny demokrasia:

Milaza fanelingelenana fifamoivoizana tsy marina izao ankehitriny ny governemanta Vietnamiana mba hanenjehana ireo mpikatroka mafana fo amin'ny heloka bevava. Tokony hiaiky ireo manampahefana fa tsy mendrika ny fahafaham-baraka maneran-tany haterany io tranga io ka hanàla ny fiampangàna izao ankehitriny izao.

Niantso an'i Vietnam hamotsotra ireo rehetra nosamborin'ny mpitandro ny filaminana i Rupert Abbott, tale lefitry ny “Amnesty International” any Azia sy Pasifika:

Toa miseho amin'ny endrika ezaka iray entina hanasaziana ireo fihetsiketsehana am-pilaminana any Vietnam ny didy nivoaka androany.

Tokony hitazona ny mpitandro ny filaminany i Vietnam, ary hampitsahatra ny fanafihana ireo mpikatroka mafana fo am-pilaminana, ny fianakaviany ary ireo mpanohana azy ireo.

Tokony havotsotra eo noho eo ary tsy misy fepetra ireo rehetra naiditra am-ponja noho ny fitakiany am-pilaminana ny zony amin'ny maha olombelona azy.

Na ny masoivohon'i Etazonia ao Vietnam aza dia namoaka fanambaràna milaza ny fanahiany amin'ilay didy fanamelohana navoaka ho an'ireo mpikatroka mafana fo mpitoraka bilaogy:

Mampanahy ny fampiasan'ireo manampahefana Vietnamiana ny lalànan'ny fanakorontanana ny filaminam-bahoaka mba hampidirana am-ponja ireo mpitsikera ny governemanta, noho ny fanehoany am-pilaminana ny heviny ara-politika.

Tsy vaovao amin'ny tsikera momba ny zon'olombelona ao aminy i Vietnam. Niatrika tsikera maro ny fitondram-panjakana noho ny fomba fitondràny henjana  ireo mpitoraka bilaogy nisintaka tsy hanaraka ny fitondrana tany aloha tany. Hita tokoa izao fa mbola nanipika ny toerana mampalahelo ny zon'olombelona sy ny fahalalahana miteny ao amin'io firenena faha-13 be mponina indrindra eran-tany io ilay fitsaràna nampiditra am-ponja mpikatroka mafana fo sady mpitoraka bilaogy malaza no mpiaro ny fahalalahan'ny fivavahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.