Alzeria : Henatra sy Hatezerana Taorian'ny Fahafatesan'i Albert Ebossé, Kamerone Mpilalao Baolina Kitra, Noho Ny Zavatra Natoraky Ny Mpijery

A screenshot of Cameroonian striker for JSK Kabylie Albert Ebossé  scroring a goal.

Sarin'ilay Kamerone mpamono baolina ho an'ny JSK Kabylie, Albert Ebossé, eo am-pamonoana baolina.

Maty tamin'ny Sabotsy 23 Aogositra 2014 teo i Albert Dominique Ebossé Bodjongo Dika, mpilalao baolina kitra Kamerone 25 taona izay nilalao tao amin'ny ekipa Alzeriana JS Kabylie rehefa voadonan'ny zavatra natoraky ny mpijery taorian'ny faharesen'ny ekipany nanoloana ny mpifanandrina taminy, ny USM Alger. Araka ny fanambaran'ny mpampanoa lalànan'ny tanànan'i Tizi Ouzo dia maty noho ny fahaverezan-drà anaty nateraky ny zavatra dombo sy maranitra sisiny i Ebossé. 

Nampirongatra ny fampiononana ny fianakaviany sy ny fanamelohana ny fihetsik'ireo mpankafy ny fahafatesany. Ny filohan'ny ligin'ny baolina kitra Alzeriana, Mahfoud Kerbadj, dia nanoritra ny fahafatesan'i Ebossé ho zava-doza ho an'ny baolina kitra Alzeriana. Nanao fanambarana ny mba hanaovana hetsika haingana hanoherana ireo nahavanon-doza ny filohan'ny Kaonfederasionan'ny Baolina Kitra Afrikana (CAF), Issa Hayatou. 

Maneho ireo baolina matin'i Ebossé tao amin'ny Ligy Alzeriana ity lahatsary YouTube manaraka ity:

Nosoratan'ny Filohan'ny FIFA, Joseph S. Blatte, tanatinà taratasy nalefany ho an'ny Federasion'ny Baolina Kitra Alzeriana fa “tsy azo leferina” ny fahafatesan'i Ebossé teo an-tànan'ny mpijery iray. Namaritra ny fahafatesan'ilay mpilalao baolina kitra ho ” tranga iray mahatohina… hetsika mampihorohoro sy mifono tsy fahasahiana” i Joseph Owona , filohan'ny Federasion'ny Baolina Kitra Kamerone (FECAFOOT), tanatinà hafatra fiaraha-miory ho an'ny fianakavian'i Ebossé. 

Nandritra izany fotoana izany, namoaka fanambarana amin'ny teny Frantsay ny Sindikà Nasionalin'ny Kamerone Mpilalao Baolina Kitra (SYNAFOC) izay nandraisan'i Ebossé anjara: 

Le Syndicat National des Footballeurs Camerounais (SYNAFOC) exprime son indignation et condamne avec la dernière énergie cet acte ignoble, tenté d’une barbarie machiavélique qui a coûté la vie – sur un terrain de football – à l’un de ses membres.

Maneho ny hatezerany sy manameloka amin'ny fara-heriny ity hetsika maharikoriko ity, izay natao tamin'ny habibiana mifono hafetsena ka namoizana ny ain'ny iray tamin'ireo mpikambana ao aminy – teny ambony kianja filalaovam-baolina- ny Sindikà Nasionalin'ny Kamerone Mpilalao Baolina Kitra (SYNAFOC).

Niantso fitoniana indrindra eo anivon'ireo Kamerone mpilalao baolina kitra any Alzeria ny SYNAFOC ary nampanantena fa hanao izay tratry ny heriny mba hitondrana ireo olo-meloka any amin'ny fitsarana.

Nanerana ny haino aman-jery sosialy ny hatezerana momba ny fahafatesan'i Ebossé tamin'ny tsy misy dikany. Naparitak’ilay tompon-dakan'ny vikimiakatra Frantsay sy Eoropeana teo aloha, Maryse Éwanjé-Epée, tao amin'ny pejy Facebook-ny fa:

Mort pour sa passion… il rêvait, comme beaucoup de jeunes camerounais de jouer dans le championnat européen… Je ne suis que colère, rage même face à cette indicible violence qui n'intéresse personne ou presque. Des jeux et du pain… Et que continue le spectacle!

Maty noho ny zavatra tiany… nanonofy ny hilalao amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'i Eoropa izy, tahaka ireo tanora Kamerone maro… Tsy misy afa-tsy hatezerana ato amiko, ary romotra aza aho manoloana io herisetra tsy hay hazavaina io, izay azo lazaina ho tsy dia nahataitra firy ny olona. Lalao sy mofo… avelao hitohy ny fampisehoana !

Tsy azon'i Jonathan Fadugba, tonian-dahatsoratry ny bilaogy Just Football (Baolina Kitra Fotsiny Ihany) ekena ny fomba nahafatesan'i Ebnossé :

Mbola tsy tonga saina tsara amin'ny fahafatesan'i Albert Ebossé mihitsy aho. Nampidi-baolina ho an'ny ekipanao avy eo novonoin'ny mpanohana anao ihany, tamin'ny faha-25 taonanao. Tsy mendrika. Tena mampalahelo.

Nandefa ny eritreriny tamin'ilay zanak'i Ebossé vao teraka ny mpampiasa Twitter iray hafa, @heritierduroi: 

Hihalehibe tsy anilan-drainy ny zaza iray noho ny adalan'ny zanak'olombelona. Vao dada vao haingana i Albert Ebossé…

Araka ny nampoizina, mitoetra eo anivon'ny hatezerana iraisam-pirenena i Alzeria sy ireo Alzeriana. Nozarain'i Kamel Daoud, mpanao gazety amin'ny teny Frantsay ao amin'ny gazety mpiseho isan'andro “Oran” ao amin'ny pejy Facebook-ny ny fanamelohan-tenany:

Mots brisés. J’ai beaucoup dit depuis des années. Là, j'ai la langue morte. Ma nationalité est une odeur mauvaise dans les parfums du monde. Honte.

Vakivakin-teny. Betsaka ny voalazako nandritra ny taona maro. Fa tamin'ity indray mandeha ity dia vahotra ny lelako. Mandefa fofona maimbo anatin'ny hanitr'izao tontolo izao ny zom-pireneko. Mahamenatra.

Romotra i Zinedine Ferhat, izay milalao ho an'ny USM Alger sy ny ekipam-pirenena Alzeriana:

Tsisy faniriana hanohy ny fiadiana ny tompon-daka intsony taorian'ny nahafatesan'i #Ebosse! #Disgusted (rikoriko). Mbola manan-danja lavitra nòho io fatin-javatra io ny fiainanay.

Avy eo narahany fifonana tamin'ny vahoaka Kamerone izany:

Amin'ny anaran'ny vahoaka Alzeriana rehetra, mangataka famelana aminareo rahalahy Kamerone aho! Allah Yerahmou! #Ebosse #Sad #Disgusted. 

Ho an'i Hamza Bencherif, Alzeriana mpilalao baolina matihanina ho an'ny Lincoln City any Angletera, dia mahakasika azy manokana ny fahafatesan'i Ebossé :

#rip (mandria am-piadanana) ry namako, ry mpiray efitra amiko, ho raisin'andriamanitra any am-paradisa anie ianao ry albert ebosse.

Ho setrin'ireo fanehoan-kevitra manohitra ny Alzeriana ao amin'ny haino aman-jery sosialy dia namporisika ny vahoaka mba hanao fijery tsy miangatra kokoa ny mpampiasa Twitter, Beghdad Meliza: 

Atsaharo ny filazana fa hetsika fanavakavahana no nahafaty an'i Ebossé. Izy no mpilalao tena tian'ny mpijery indrindra. Izy no mpamonjy anay.

Niombon-kevitra tamin'izany ny mpampiasa Twitter iray hafa,  Mohand Yahiaoui:

Tsy misy idiran'ny fanavakavahana velively izany. Fihetsika fahita isaky ny lalao fiadiana ny tompon-daka io. Teto dia nahafaty an'Itompokolahy Ebossé izany.

Nanokatra fanadihadiana mikasika ny fahafatesan'i Ebossé ny Ministeran'ny Atitany Alzeriana, raha toa ka nanambara ireo mpiandraikitra ny baolina kitra Alzeriana fa nanolotra fanampiana mitentina 100.000 Eorô ho an'ny fianakaviany, miaraka amin'ny karamany mandra-paha-tapitry ny fe-potoana hilalaovany ao amin'ny JK Kabylie. Eo am-piandrasana ny vokatry ny fanadihadiana dia hita taratra tsara ato anatin'ity bitsik'i Jonathan Fadugba ny fihetseham-pon'ny vahoaka:  

Antenaiko fa ho hita ireo mpamono olona (aoka hazava tsara fa tsy jiolahim-boto fotsiny izy ireo) ary hotsaraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.