Andiam-Balala Hita Eto Antananarivo, Madagasikara

Namoaka sarin'andiam-balala manemitra an'Antananarivo renivohitr'i Madagasikara ny mpisera Twitter sy facebook maro avy eto Madagasikara. Tsy zava-tsy fahita eto Madagasikara ny fisian'andiam-balala, indrindra rehefa aorian'ny tadion'ny (rivodoza) andro mafana, fa tsy mahazatra kosa ny tanàna lehibe ny mahita izany. Mety handravarava tanteraka eo amin'ny voka-pambolena eto amin'ny firenena izay efa tandindomin'ny mosary hatrany tao anatin'ny taona vitsivitsy izao ny fisian'ny andiam-balala tahaka izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.