Roa Volana Taorian'ny Tondra-drano, Mbola Mikorontana Ny Fahalalahana Nomerika Ao Serbia

Severe flooding hits Serbia. 19 May 2014 by Aleksandar Levajkovic. Demotix.

Namely an'i Serbia ny tondra-drano mahery vaika.
19 Mey 2014, sary avy amin'i Aleksandar Levajkovic. Demotix.

Misy zavatra malaza mampiahiahy ao amin'ny tontolon'ny nomerika ao Serbia. Tsy mitsahatra mikendry ireo habaka fampitam-baovao ireo fanafihana ara-teknika hafahafa ka mahatonga ireo votoaty ara-politika saropady tsy afa-nidirana intsony. Nitombo ihany koa ny herisetra mihatra amin'ireo mpanoratra gazety antserasera, anisan'izany ny fandrahonana ara-batana. 

Taorian'ny tondra-drano nandravarava izay namely an'i Serbia tamin'ny volana Mey 2014, niharan'ny fanafihana ara-teknika ireo habaka ao amin'ny faritra maromaro izay namoaka ireo vaovao nitsikera ny ezaka fanavotana nataon'ny governemanta. Noesorina ihany koa ny takelaka bilaogy rehetra tao amin'ny habaka gazety malaza mpivoaka isan'andro taorian'ny lahatsoratra manesoeso avy amina bilaogera iray. Nandray vahiny tsy nampoizina ihany koa ny sasany tamin'ireo olona izay nitsikera ny fitantananan'ny governemanta ny tondra-drano: nataon'ny polisy fanadihadiana ireo olom-pirenena azo isaina amin'ny rantsa-tanana, ahiahiana ho “nanaparika tahotra” tao amin'ny tambajotra sosialy.

Monitoring of Internet freedoms in Serbia conducted by SHARE Foundation for June and July 2014. Image by SHARE Foundation.

Fanaraha-maso ny Fahalalahan'ny aterineto ao Serbia notontosain'ny Fikambanana SHARE Foundation tamin'ny volana Jiona sy Jolay 2014. Sary avy amin'ny SHARE Foundation.

Naneho ny ahiahiany mikasika ny fanafihana habaka sy ny fihetsiky ny polisy ny solontenan'ny OSCE misahana ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao, raha niantso ho amin'ny fanajana tanteraka ny fahalalaham-pitenenana kosa ny lehiben'ny Delegasionin'ny Firenena Mikambana sy ny Masoivoho amerikana ao Serbia, manatevin-daharana ireo ezaka ataon'ny bilaogera sy ny solontenan'ny fampitam-baovao ao amin'ny faritra. Tamina taratasy misokatra hoan'ny Vaomiera Eoropeana, naneho ny ahiahiny mikasika ny sivana amin'ny aterineto sy ny teritery atao amin'ny fampahalalam-baovao ao Serbia ihany koa ilay solombavambahoaka Eoropeana  Marietje Schaake .

Niompana tamin'ny fanafihana tsy ahafaha-misokatra ny  nahazo ny ankamaroan'ireo habaka Serbiana ho tsy afa-nidirana intsony. Ny habaka Peščanik, mpamoaka vaovao sy hevitra ohatra no voalaza fa niharan'ny fanafihana DDoS tamin'ny volana Jiona 2014, rehefa avy namoaka lahatsoratra milaza fa naka tahaka asan'olona ny minisitry ny Raharaha Anatiny ao Serbia. Nandritra izany fotoana izany, namoaka ny lahatsoratra iray hafa avy amin'ny Peščanik fa nandainga ho manana doktorà avy ao amin'ny Oniversiten'i Londra ny rektora teo aloha tao amin'ny oniversite tsy miankina iray malaza ao Serbia. Nilaza ny iray tamin'ireo mpanoratra izay nanatontosa ireo lahatsoratra ireo fa niditra tao amin'ny mailakany manokana ireo mpisovoka (“hacker”) ratsy saina. Niharan'ny olana antserasera tahaka izany ihany koa ny gazety Kurir, ka tsy indray mandeha ihany ny fanafihana DDoS no nanimba ny habaka – vao haingana indindra izao tamin'ny 10 Aogositra.

Tsy zava-baovao ny fanafihana vavahadim-baovao ao Serbia, izay ny antoko politikan'ny praiminisitra no mitàna ny maro an'isa amin'ny fitondrana ankehitriny. Teo aloha, niezaka nanempotra ny fahaleovantenan'ny fampahalalam-baovao ny fitondrana, indrindra nandritra ny fifidianana farany tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Tamin'ny Desambra 2013 ohatra, niharan'ny sovoka ny habaky ny Foiben'ny Gazety mpanao fanadihadiana ao Serbia (CINS) rehefa avy namoaka lahatsoratra momba ny fanivanan-tena amin'ny fampitam-baovao antserasera Serbiana. Mbola niharan'ny fanafihana mitovy amin'izany ihany koa ny CINS tamin'ny volana Febroary 2014 lasa teo.

Miatrika teritery goavana ihany koa ireo mpanoratra gazety, indrindra ireo avy ao amin'ny tanàna kely, ka matetika hoentin'ireo “Tompomenakely ao amin'ny faritra” amin'ny sangany ireo mpitati-baovao sy olo-tsotra mpanoratra gazety. Tamin'ny volana Jiona tamin'ity taona ity, nanatontosa valan-dresaka iombonana hoan'ny mpanoratra gazety tao Berlin ny praiminisitra Serba sy ny lehiben'ny fitondram-panjakana Alemana. Nanontany mikasika ny sivana amin'ny fampahalalam-baovao ao Serbia sy ny tranga fisovohana ataon'ireo manampahefana ambony eo anivon'ny governemanta Serba i Natalija Miletić, mpanoratra gazety miasa ao Alemaina.Tsy nahazo valinteny i Miletic, ary nilaza taminy avy eo ny masoivoho Serba ao Berlin fa tsy ho raisina amin'ny valan-dresaka hoan'ny mpanoratra gazety amin'ny manaraka intsony izy.

Tamina tranga hafa mahasosotra, nanevateva mpanoratra gazetin'ny CINS ny minisitry ny Vonjy Taitra ao Serbia raha niantso ny hanaovana fanamarinam-baovao iray ity mpanoratra gazety ity. Niala tsiny avy eo ilay minisitra ary niezaka nanolotra raozy ho mariky ny tolo-pihavanana, saingy naverina tany amin'ny mpandefa azy ihany ilay voninkazo.

Tamin'ity lohataona ity ihany, nisambotra mpanoratra gazetin'ny RTV Mladenovac ny polisy Serba noho ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook izay voalaza fa “nanohintohina ny laza”-n'ny manampahefana ambony iray avy ao amin'ny Antokon'ny Liam-pandrosoana (Progresista), antokon'ny fitondrana Serba. Tompona hotely iray kosa nandrahona mpamoaka lahatsoratra sy tompona vavahadim-baovao ao Ruma, ary niampanga mpanoratra gazety marobe ho nanaparitaka vaovao diso tao amin'ny Facebook ny manampahefan'ny tanàna ao Smederevo, vitany hatramin'ny nametraka fanehoan-kevitra mandrahona sy sarin'ny Anjelin'ny Fahafatesana mampatahotra tao amin'ny pejiny manokana.

Milaza ireo tranga ireo sy ireo loza hafa narakitry ny Fikambanana SHARE (Mizara) fa tokony hodinihana akaiky ny toeran'ny fahalalaham-pitenenana eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao ao Serbia. Raha misy fahamarinana ireo fanehoan-kevitra antserasera avy amin'ny mpanoratra gazety sy ny olo-tsotra, tokony hitondra any amin'ny fanatsarana ny valintenin'ny governemanta Serba tamin'ny tondra-drano nandritra ny lohataona. Saingy indrisy, raha tokony handinika ny tsy fahombiazany manokana, nandiso fanantenana ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny aterineto ny fanjakana ary tsy nijery ireo fanitsakitsahana ny zo nomerika sy ny fahalalahana .

Na dia izany aza, tokony hihatsara ny toe-draharaha ao Serbia atsy ho atsy, satria vao avy nankatò lalàna vaovao momba ny media ny firenena izay mahatonga ny fampahalalam-baovao nomerika tsy ho ao anatin'ny fampiharana mason-tsivana, ary mbola eo am-panolorana safidy fandraketana ahafahan'ny fampahalalaham-baovao antserasera misitraka ny tombotsoan'ny fampahalalam-baovao mahazatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.