Nahazo Fanohanana Lehibe Avy Amin'ireo Olom-baventy Tandrefana Ny ‘Fanambaràna Ny Fahalalahana Eo Amin'ny Aterineto’ Nataon'i Serbia

blogclosedopen

Noho ny fikambanana mpitoraka bilaogy tsy miankina sy ireo matihanina amin'ny resaka serasera, manana ny Fanambaràna ny Fahalalahana eo amin'ny Aterineto ankehitriny i Serbia. Vita ny voalohandohan'ity lohataona ity ilay taratasy, taorian'ireo fifidianana tao amin'ny firenena sy ny tondradrano mahery vaika, tao amin'ny hetsika nokarakarain'ny ampahany tamin'ireo olona tompon'andraikitry ny kaonferansa “Blog Open, Blog Closed” (Bilaogy Misokatra, Bilaogy Mikatona) tao Serbia.

Tao amin'ny hetsika ny volana Jiona, nisy manampahaizana maromaro nivory mba hiresaka ny fivoarana mampiahiahy amin'ireo fomba fiasan'ny media Serba, toy ireo sivana matetika sy ny tsy fisian'ny politikan'ny hamaroana. Misy fanahiana vaovao ihany koa momba ny fahalalahana miteny ao amin'ny tambajotra sosialy, taorian'ny fakàna am-bavany nataon'ny mpitandro filaminana an'ireo olona maromaro noho ny “fananingàna ho amin'ny korontana” tao amin'ny Aterineto, tamin'ny fanakianana ny valintenin'ny governemanta tamin'ilay tondradrano. (Navotsotra ireo mpitoraka bilaogy fa nahazo fampitandremana.)

Olom-baventy avy any ivelany miisa telo no niteny tao amin'ilay kaonferansa: i Michael Davenport, filohan'ny delegasionan'ny Vondrona Eorôpena tao Serbia, i Michael Kirby, masoivohon'ny Etazonia ao Serbia, ary i Deniz Yasici avy amin'ny Biraon'ny Fahalalahan'ny Media an'ny OSCE. Samy nanambara ny maha zava-dehibe ny fahalalahan'ny media ary ny fanehoankevitra malalaka eo amin'ny fampivoarana sy fitazonana ny demokrasia izy telo ireo. Be mpanatrika ilay hetsika—noho izany, sarotra tokoa ny hahitàna ny mpandray fitenenana ao anatin'ireo mpanao gazety marobe ao anatin'ilay ampahanà lahatsary afaka jerena ao amin'ny YouTube.

Nihoatra ny 100 ny olona tonga tamin'ilay kaonferansa, ary anjatony hafa nijery azy io tamin'ny aterineto, hita tamin'ny fandefasana mivantana tamin'ny aterineto, nataon'ny Livetv.rs, tolotra matihanina amin'ny fandefasana lahatsary ao an-toerana. Sahala amin'ny famantarana, nisy fanafihana DDoS nampihitsoka ny famoahana mivantana tamin'ny aterineto ny lahatsarin'ilay hetsika, tamin'ny niomankomanan'ireo andiana manampahaizana handray fitenenana indrindra mba hiresaka momba ny fahalalahan'ny Aterineto ao Serbia. Satria nitaraina tao amin'ny Twitter ny olona hoe tsy mandeha ilay rohy  famoahana mivantana, nanamafy ny tao amin'ilay sampandraharahan'ny famoahana ny lahatsary fa nisy fanafihana DDoS izay nahatonga ny tsy fahafahana namoaka mivantana ilay hetsika. Tsy afaka namantatra hoe iza no nampiditra ilay fanafihana DDoS tao amin'ny lohamilin'ny solosainany ireo mpiasan'ny Livetv.rs, izay teny an-toerana nisy ilay hetsika, saingy nanamafy izy ireo fa henjanaary efa tsara omana ilay fanafihana. Efa afaka jerena ao amin'ny aterineto kosa ankehitriny ireo rakitsary voatahiry momba ilay hetsika:

Eo ampitotongànana ny fahalalahan'ny asan-gazety any amin'ny firenena mnaaro ao Eorôpa atsinanana, izay ahitan'ny mpanao politika lalàna hatrany hidirana amin'ny karazana votoaty isankarazany. Toa miatrika ny famoretana mitombo hatrany, izay tany aloha dia natokana ho an'ireo mpanao gazety matihanina, ireo mpitoraka bilaogy sy ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy mahazatra. Hita taratra izany taorian'ilay tondradrano nandravarava tao Serbia iny, rehefa nanomboka naka olon-tsotra ho alaina am-bavany ny manampahefana, noho ny fanahiana azy ireo ho “nitaona ho amin'ny fikorontanana nandritra ny fotoana nampisahota”, amin'ny fiteny hafa, noho ny fametrahany ho hitan'ny rehetra ny fanehoan-kevitra mitsikera ny governemanta tao amin'ny tambajotra sosialy.

Araka ny napetrak'ireo mpikarakara ny kaonferansa “Blog Open, Blog Closed” tao amin'ny fanambaràny, izay nalefa ary nahely tamin'ireo vondrom-piarahamonin'ny mpitoraka bilaogy ao Serbia, andro vitsivitsy talohan'ilay hetsika:

Ključno pitanje i cilj blogerskog okupljanja nisu da upiremo prstom u krivce i tražimo odgovore na to šta vlast i, da li, čini da bi se kreirala ovakva atmosfera i ohrabrivala praksa napada na javno izgovorenu reč i gušila kritika i sloboda govora, već šta vlast (ne)čini da ovakve pokušaje obeshrabri.

Tsy ny hanondro ireo olo-meloka ary hijery hoe inona no ataon'ireo manampahefana mba hamoronana izao soson-drivotra izao ary hanotofana ny tsikeran'ny daholobe sy mankahery ny fanafihana eo amin'ny fahalalahan'ny fanehankevitra, no tena tanjon'ity famoriana mpitoraka bilaogy ity, ary tsy izany velively. Kanefa kosa eto [isika] mba hitaky hoe inona ny (tsy) ataon'ny governemanta mba hisorohana ireny karazana fanandramana [fanotofana sy fanafihana] ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.