‘Ankona Izahay ‘: Vehivavy Gazaniana Iray Mitantara Ny Fanafihan'i Israely Ka Nahatonga Ireo Mpiara-Monina Aminy Ho Tsy Manan-Kialofana

Photo by  Asia Mathkour, the daughter of the owner of Al Zafer Company, of the destroyed residential tower in Gaza City. Used with permission.

Sarin'ilay trano fonenana avo be rava tany Gaza City, avy amin'i Asia Mathkour, zanaka vavin'ny tompon'ny orinasa Al-Zafer. Nahazoana alàlana taminy.

 Nandratra sivily 22 eo ho eo, ka ankizy ny 11 tamin'izany, ilay daroka  baomba nataon'i Israely taminà trano fonenana iray avo be tany amin'ny faritra fonenan'ny manan-katao tany amin'ny manodidina an'i Gaza ny Sabotsy 23 Aogositra 2014. Rava tanteraka ilay tranobe nisy rihana 12, Al-Zafer 4. 

Tamin'ny fotoana nitrangàn'ny loza tao an-tranony, 20 metatra miala ny Al-Zafer 4, i Asia Mathkour, zanaka vavin'ny tompon'i Orinasa Al-Zafer izay ahitana trano avo be 14 ka isan'izany ilay rava. Niresadresaka taminy momba ny zavatra niainany ny Globale Voices.

Nolazainy fa tsikariny nandao ny fonenany ireo olona tao amin'ny Al-Zafer 4 tokony tamin'ny 6ora sy sasany hariva to ho eo :

Nikiakiaka sy niantsoantso ireo vehivavy sy ankizy ary nilaza fa nahazo baiko mba hiala tao. Niala avy hatrany tao amin'ilay trano sy nitady toerana hialofana ireo fianakaviana sasany. Nampiantrano vitsivitsy izahay. 30 olona teo ho eo izahay izao no tao an-tranonay, antitra, vehivavy ary ankizy ny ankamaroany. Tena nihorohoro daholo izahay. Ny sasany aza moa dia nandao ny tranony niaraka tamin'ny tanam-polo.

Nisy lehilahy iray nahazo antso avy amin'ny IDF nilaza taminy fa misy vavy antitra kilemaina ao amin'ny rihana faha-7 ary niangavy azy mba hitondra io olona io hivoaka. Tamin'izay fotoana izay, nihazakazaka nanavatsava ny trano aho, nanampy ny olona ho any amin'ny farany ambany indrindra satria any no toerana azo antoka tamin'io fotoana io. Raha ny marina, tsy nisy nieritreritra fa ho rava io trano avo be io. Noheverin'ny olona fa angamba efitra vitsivitsy ihany no hataon'ny IDF lasibatra satria tahaka izany no fanaony tamin'ireo trano fonenana hafa.

Afaka 30 minitra dia niharan'ny fanafihan'ny ‘drone’ ny tafon'ilay trano. Noheverinay fa izay no izy. Fotoana fohy avy eo,  nantsoin'ny IDF ny olona iray mipetraka amin'io trano io izay ao aminay. Natahotra mafy io olona io ary dia ny reniko no namaly azy. Nanontanian-dr zareo raha toa ka efa lasa daholo ny olona ao amin'ny Al-Zafer 4, eny  hoy reniko. Avy eo nanontanian'ny reniko izy hoe ” fa iza no efitra ho darohanareo baomba mba hahafahanay miafina?”. Dia novaliany hoe ” hodarohanay manontolo ny trano.”   

Tohina ny reniko. Nanontany an-dry zareo izy fa nahoana no ny trano manontolo no lasibatra  ary dia novaliany hoe ‘salam salam’ (‘ fandriampahalemana, fandriampahalemana’ fomba fanaovam-beloma)  dia notapahany ny antso. Tao anatin'ny iray minitra, renay ny baomba roa nipoaka. Tohina daholo izahay rehetra. Nandeha nanamarina tany ny anadahiko ary vetivety dia niverina tao aminay taty ambany ka niteny fa rava tanteraka. Nihazakazaka nankany ambony aho nijery izay nitranga. Tsy nino ny hitan'ny masoko aho. Nihazakazaka nankany an'efitranoko aho ary nanomboka naka sary.

Taorian'ny naha-vavolombelona nanatri-maso sy nahita ilay trano avo be rava aho dia nitebiteby be . Nihazakazaka nankany ambany rihana aho ary nahatsapa fa tsy mbola nisy olona nahafantatra ny zava-niseho marina. Lehilahy iray no nivoaka nijery ary niverina niantsoantso hoe  ” fongana ny rehetra !”.

Vetivety taorian'izay dia tonga ny fiara fitaterana mararin'ny vokovoko mena niangavy ny hialàna amin'ny tranoko sy ny faritra ary nilaza taminay fa ny Al-Zafer 1, ilay trano avo be akaikinay dia voarahona ihany koa! Niala haingana araka izay azo natao izahay ary tsy nahatondra na inona na inona afa-tsy ny poketra misy ny pasipaoronay. Tsy ho voatantarako ny zavatra tsapanay tamin'io fotoana io. Tsy isalasalana fa tsy mbola niaina alina ratsy tahaka izany ny faritra nisy ahy.

Nobitsihan'i Mathkour izay hitany :

Ny zava-niseho ratsy indrindra, ny fiainana ratsy indrindra tsy mbola fahitako ary tsy mbola niainako ! fianakaviana 45 tsy manan-kialofana !

Niova tanteraka sy potika ny endriky ny manodidina ahy !

Naanaovany fanamby ny fanazavan'ny Hery Fiarovana Israeliana hoe misy efitra fivorian'ny Hamas ao amin'ilay trano avo be. “Lainga izany” hoy izy. “Marina fa misy mpomba ny Hamas mipetraka any ambony indrindra nefa tsy natao Ivon-toerana Fivorian'ny Hamas ny trano na dia izany aza. Ny marina dia avy amin'ny Fatah ny ankamaroan'ireo nipetraka tao.” 

Vondrona politika mpifahavalo ny Hamas sy ny Fatah any Gaza.

Avy eo nanontany izay tian'ny IDF ahatongavana i Mathkour : 

‘Ndeha ekentsika àry ny fanazavany fa nisy efitra nampiasain'ny Hamas tao dia nahoana no ny trano iray manontolo no nodarohany baomba sy noravàny ? Tsy mbola nandrava tranonà sivily noho ny antony tsotra hoe misy Hamas mipetraka ao ny IDF. Heverinay fa izay zavatra tadiaviny ihany no kendreny fa tsy mbola nandrava trano iray manontolo izany izy. Na inona na inona anefa antony nanaovany an'iny na mbola hataony dia tsy afaka manamarina ny fandravana trano be itoeranà fianakaviana 44 izany. Tsy manan-kialofana ry zareo izao. 

Ary nanome tolo-kevitra mampalahelo ny amin'ny antony nidarohan'ny IDF baomba ny trano izy :

Mafy orina tsara ny trano. Tsy azo ekena tsotra izao hoe baomba iray dia nampirodana azy. Izahay rehetra dia mino fa nanandrana ny fitaovam-piadiany vaovao taminay fotsiny ihany i Israely. Izay no hany antony mety hahatonga izany ! Dingana iray hafa amin'ny heloka an'ady sy hadalàna ilay baomba iray izay in-droa nipoaka ka nandrodana trano avo be misy rihana 12.  Tsy mbola nahita baomba tahaka izany izahay !

Nampiato ny fiainana andavanandron'ilay faritra ny zava-nisy, hoy izy. ” Nipetraka teo ampitan'ilay tranoavo aho ary zatra ny nahita izany isanandro”, hoy ihany izy. ” Ankona izahay. Tohina daholo izahay. Tsy mino mihitsy izahay hoe rava ilay trano avo be. Saino ny zavatra tsapan'ireo olona nipetraka tao ! Tsy manana na inona na inona ry zareo izao.”

Tamin'ny fotoana nanoratanay, tafakatra 2.110 no maty ka ankizy ny 567 tamin'izany ary fianakaviana ny 75 . Sivily avokoa ny roa ambifitopolo isan-jaton'ny Palestiniana maty tamin'ity fanafihana ity araka ny tatitra nataon'ny Firenena Mikambana. Nahatratra 68 kosa ny isan'ny Israeliana maty ary ankizy ny iray tamin'izany. 5 isan-jato ny salan'ny sivily Israeliana maty ary miaramilan'ny IDF ny ankamaroan'ny maty.

Araho hatrany ny fandrakofana ataonay :  #Gaza: Mitombo Isa Hatrany Ny Isan'ireo Sivily Maty Noho ny Fanafihana Israeliana

Isaorana i Nalan Al Sarraj noho ny nampifandraisany ahy tamin-dRamatoa Mathkour. Azo jerena eto ny rakotra GV taloha nataon'i Nalans. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.