Herintaona Tamin'ny 21 Aogositra, Notafihan'i Assad Taminà Fitaovam-Piadiana Simika i Al Ghouta

A Twitter artwork commemorating the chemical attack on Syrians in Al Ghouta last year shared by @KindaHibrawi (Twitter)

Taosary tao amin'ny Twitter, fahatsiarovana ny fanafihana taminà fitaovam-piadiana simika an'ireo Syriana tao Al Ghouta, tamin'ny taona lasa, nozarain'i @KindaHibrawi (Twitter)

Herintaona androany (21 Aogositra), efa ho an'arivony ireo sivily matin'ny entona tany Syria. Tao aminà tanàna kely vita fahirano, mitoetra maily (miles) vitsivitsy miala ny renivohitra, nampiasa entona “sarin” mahafaty tamin'ny vahoakany ihany ny fitondràn'i Assad, namono ankizy miisa 429.

Mifanohitra amin'ireo sary efa fahita matetika eo amin'ny fifandirana Syriana ny sary nahely. Tsy nisy rà mihintsy. Vatana tsy mihetsika mifanaingitaingina maro, fa tsy misy rà. Mety lasa zatra mahita ny sarin'ny Syriana potipotiky ny baomba barika sy balanà tafondro, goakan'ireo bala, darohana ho faty, angamba ny olona rehetra.  Ny hany zavatra mena tao dia ny “tsipika mena” nolazain'i Obama, ary nihoaran'i Assad.

Toy ny isan'andro, “sahiran-tsaina” ireo fianakaviambe iraisam-pirenena. “Tohina” ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana, fa tsy fantatra kosa anefa na atao ho fanitsakitsahana ny zon'olombelona iny, na ho finiavan'i Assad handika tsotra izao ny tsipika nataon'ny firenena matanjaka erantany.

Taona Iray aty aoriana, tsy misy zavatra niova – ho amin'ny tsaratsara kokoa, izany ny zavatra mitranga. Ohatra fahita momba ny resaka tsimatimanota, nandositra niaraka tamin'io i Assad. Eny, najanony tsy an-tsitrapo, fa araka ny nandidian'ny fianakaviambe iraisam-pirenena azy, ireo tahirinà fitaovam-piadiana simìkany. Fa nihoatra ny fotoana nifanomezana izy, ary ny sasany amin'ireo fitaovam-piadiana simika aza mbola tsy tafiditra tao amin'ny fifanarahana nataon'ny Etazonia sy Rosia. Toa hita fa azo ekena ny maty avy amin'ireo fitaovam-piadiana simika sasany, toy ny entona klôro ohatra, izay nampiasaina matetika tamin'ireo sivily nanerana an'i Syria ankoatry ny entona sarin – fa ny hafa kosa tsy mahazo.

Nitsidika ary nitety an'i Etazonia ireo tsy maty fo aman'aina nandritra ny fanafihana tamin'ny fitaovam-piadiana simika, niresaka tamin'ireo mpianatry ny kolejy ary ireo mpikambana aminà vondrom-piarahamonina. Nipetraka niaraka tamin'ireo loholona sy ireo mpikambana ao amin'ny kôngresin'i Etazonia izy ireo, nijoro ho vavolombelona nandritra ny fandraisana fitenenana, niseho imbetsaka tamin'ny fampahalalam-baovao.

Mbola mitohy isan'andro ny fahafatesan'ny Syriana. Mino aho fa eo ho eo amin'ny 85 isan'andro eo izy izay raha ny tombatombany farany. Maro ireo fomba ahafetesana, mazava ho azy: fitaovam-piadiana simika, baomba barika, balanà tafondro, balanà mpitily mahay, hanoanana, tsy fahampian'ny fikarakaràna ny fahasalamana, fahirano, fampijaliana, ary mazava ho azy, ny miha-maro, eo ampelatanan'ny ISIS. Misafidy ny hanoratra momba-nà resaka tsy dia mahamonamonaina loatra ireo haino aman-jery, azo sainina ihany ny manjo azy ireo.

Nahay fomba teny vaovao aho andro vitsivitsy lasa izay: efitra manako. Hiampitapita ao anatin'ny faribolana voafetra mahazatra antsika, izay tiako antsoina hoe ” olona izay miraharaha”, ito lahatsoratra ito, ary ireo hafa mitovy aminy, ireo lahatsoratra nalefa androany, ary ireo kely hany fanehoana eo amin'ny haino aman-jery ireo fahatsiarovana voatazona ho an'ireo niharan-doza nandritra ny fanafihana tamin'ny fitaovana simika. Avy eo, hihamalefaka ny feonay. Ny tena marina, tsy hitsahatra mihintsy ny feonay, nefa kosa, sarotra ny tsy miaiky ny fahaketrahan'ireo “olona izay miraharaha”.

Omaly, naheno ny fahafatesan'ny namana iray aho, mpifanila trano, tao an-tranomaizin'ny fitondràna. Fitazonana azy fanindroany io. Malefadefaka izy, falifaly lava , misaina tsara. Tia azy daholo ny olona rehetra. Lava volo miholikolika izy ary misy volombava. Nampijaliana mandrapahafatiny izy.

Mety hoe hisy zavatra hiova ihany, rehefa mahazo fanamelohana iraisam-pirenena ny fahafatesany. Mety hoe hisy zavatra hiova ihany, rehefa tsy mila olona maty an'arivony anatin'ny andro iray intsony  “vao hiasa saina” ireo mpitantana ny tany. Mety hoe hisy zavatra hiova ihany, rehefa tsy mila tapahan-doha noho ny teniny intsony ireo mpanao gazety vao ho re. Mety hisy zavatra hiova ihany, ho amin'ny tsaratsara kokoa, rehefa midika bebe kokoa noho ny famoriana misimisy ireo mpanao gazety ary tefaka eo amin'ny tànan'ny mpanao didy jadona, ny atao hoe fanamelohana iraisam-pirenena.

Mpandika teny sady mpikaroka i Hiba Dlewati, ary vao nahazo vao tsy ela izay ny maripahaizana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Mishigàna, navoaka tao amin'ny gazety Today's Zaman, The Michigan Times, Qua Literary Magazine ary United for a Free Syria, ny asany. Araho ao amin'ny Twitter izy, ao amin'ny @Hiba_Dlewati

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.