Tamin'ny Fanitsahana Ny Fampitsaharan'Ady Tao Gaza, Niakatra 2000 Mahery Ireo Namoy Ny Ainy

BvdN4gFCUAAQDvg

Ankizikely tonga hotsaboina tao amin'ny hopitalin'i Gaza. Nampiakarin'ilay mpisera Twitter; @ThisisGaza tamin'ny 19 Aogositra.

Mponin'i Gaza am-polony indray no namoy ny ainy tamin'ny daroka an'habakabaka hafa nataon'ny Israeliana tao Gaza potiky ny ady taorian'ny fifampiraharahana fihavanana (fampitsaharana ady) teo amin'i Israely sy ny Hamas, vondrona izay nitantana an'i Gaza nanomboka tamin'ny taona 2007 izay eo ambanin'ny fahirano efa maharitra fito taona nataon'i Israeily.

Mbola nifampiampanga indray tamin'ny tsy fahombiazan'ny fifampiraharahana “fampitsaharana ady” i Hamas sy Israely. Nipoaka teo akaikin'i Be'er Sheva ao atsimon'i Israely ny rokety nalefan'i Gaza, saingy tsy niteraka faharatrana na fahasimbana izany

Anisan'ireo faritra voadaroka baomba tao Gaza tao i Khan Younis, i Beit Hanoun – izay notsidihan'ilay mpanoratra gazety Amerikana Max Blumenthal andro vitsy lasa izay -ary koa tao Shujaiya, toerana nahitana vono olona tamin'ny 20 Jolay izay Palestiniana 20 farafahakeliny no namoy ny ainy.

Hatramin'ny nanafihan'i Israely tao Gaza tamin'ny 8 jolay, dia olona maherin'ny 2000 no namoy ny ainy, ary fampitsaharana ady enina no efa notontosain'i Israely sy Hamas. Rava tao anatin'ny ora vitsy ireo fampitsaharana ady telo voalohany. Notontosaina nandritra ny 5 andro kosa ireo fampitsaharana ady farany, izay nahazoan'ny mponin'i Gaza naka aina hatramin'ny nisian'ny fanafihan'ny miaramila.

Nandritra izany, nihaona tao Kairo mba hifandinika indray ny Israeliana sy ny Palestiniana. Mitaky i Hamas mba hanaisotra ny fahirano naharitra fito taona nataon'i Israely taminy. Mitaky ny hamotsorana ireo gadra politika miisa eo amin'ny 125 tazonina ao amin'ny fonja miaramila Israeliana ihany koa izy ireo. Anisan'ny fitakian'i Israely kosa ny fampitsarahana ny fanafihana amin'ny balafomanga, sy ny fanafoanana toby miaramila ao Gaza ary ny fanesorana amin'ny Hamas ny fitaovam-piadiana.

Raha miampanga ny Hamas ho manitsakitsaka ny fampitsaharana ny ady i Israely. Nilaza tamin'ny Ma'an News Agency, tranokalam-baovao tsy miankina ao Palestina, kosa ny Hamas fa “natsahatr'i Israely ny fampitsaharana ny ady ary nilaza izy (Israely) fa balafomanga telo no namely an'i Israely, izay tsy ananan'ny Hamas ny vaovao momba izany”, izay midika fa mety nalefan'iray tamin'ireo andiana milisy Palestiniana hafa tafiditra amin'ity ady ity ireo balafomanga telo.

Tao anatin'ny adiny iray namaranana ny fifampiraharahana, namely ny tranon'i Al-Dalou ao amin'ny manodidina an'i Sheikh Radwan ao an-tanànan'i Gaza ny daroka an'habakabaka. Nilaza tamin'ny Reuteurs ny tompon'andraikitry ny Hamas antsoina hoe Mousa Abu Marzouk fa fikasana hamono an'i Muhammad Deif, lehiben'ny sampana ara-miaramilan'ny Hamas, Borigady Al-Qassam, ao Gaza ny daroka natao tamin'ny tranon'i Al-Dalou. Nilaza avy hatrany kosa ny fampahalalam-baovao tandrefana, indrindra ny Fox News fa namoy ny ainy i Deif, notsipahin'ny Al-Aqsa Radio avy hatrany izany fanambarana izany. Nahafaty ny vadiny sy zanak'i Deif ny nidarohana ny tranony. Efa lasibatra ihany koa ity tanàna ity tamin'ny taona 2012 nandritra ny fanafihana farany nataon'i Israely tao Gaza, izay nahafatesana olona 12.

Tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra (teny anglisy), niakatra 2039 ny isan'ireo namoy ny ainy, misy ankizy 540 sy fianakaviana 75. Sivily avokoa ny 72%n'ireo Palestiniana namoy ny ainy tamin'ity fanafihana ity, araka ny tatitra avy amin'ny Firenena Mikambana. Nidaroka baomba ireo toerana be olona, sekoly, toerana filalaovana ankalamanjana, hopitaly, fialokalofana ary tobim-pialokalofana i Israely. Nilaza ny tombatombana sasany fa 40 isan-jaton'ny faritra andrenivohitra ao Gaza no lasa korotan-trano rava sisa. Nanafika ny tobin'ny herinaratra tokana tao Gaza i Israely tamin'ny 28 Jolay, izay nahatonga ireo mponina 1,8 tapitrisa ao Gaza niaina tao anatin'ny aizina (fahatapahan-jiro) ka niteraka fahasimbana teo amin'ny fotodrafitrasam-pidiovana sy ny rano izay efa voafetra.

Mikasika ny anton'ny tsy fahombiazan'ny fifampiresahana tao Kairo, miampanga ny Hamas ho mpampihorohoro i Israely raha toa kosa niampanga an'i Israely ho tsy nitàna ny teny nomeny ny Hamas. Araka ny notaterin'ny sampam-baovao Ma'an, efa imbetsaka nitaky ny delegasionin'ny fifampiraharahana Palestiniana fa tsy ho tontosa ny fampitsarahana ny ady raha tsy esorina ny fahirano valo taona ataon'i Israely amin'i Gaza,” fahirano sokajiana ho tsy ara-dalàna araka ny lalàna iraisam-pirenena, ary sokajian'ny Vaomiera Iraisam-pirenena avy amin'ny Vokovoko Mena ho «sazy iombonana napetraka ho fanitsakitsahana bevava ataon'i Israely araka ny lalàna mahaolona iraisampirenena”.

Mihevitra ny ankamaroan'izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana fa bodoin'i Israely i Gaza sy ny Morondrano Andrefana (Cisjordanie). Bemidina fahatelo nataon'ny miaramilan'i Israely tao Gaza tao anatin'ny enin-taona izy ity

Araho ny fitantarana lalindalina ataonay momba an'i #Gaza: Miha-mitombo ny isan'ny sivily mamoy ny ainy noho ny fanafihan'i Israely

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.