Alaa Abdel Fattah, Ejiptiana Mpikatroka Mafana Fo Malaza, Mitokona Tsy Mihinan-kanina

Image design by Hugh D'Andrade, Electronic Frontier Foundation.

Sary Nataon'i Hugh D'Andrade, Electronic Frontier Foundation.

Niditra tamin'ny fitokonana tsy mihinan-kanina tsy misy fetrany ilay Ejiptiana mpikatroka mafana fo sy mpitoraka bilaogy Alaa Abdel Fattah, mandrapahatongan'ny famotsorana azy any am-ponja, hoy ny fianakaviany nanambara izany tamin'ny lahatsoratra nalefa tao amin'ny Facebook omaly (19 Aogositra 2014).

Miaraka aminà mpitrakotra mafàna fo 24 hafa, voaheloka higadra an-tranomaizina mandritra ny 15 taona, nandritry ny fitsaràna azy tsy natrehany tamin'ny Jona lasa teo ilay lehilahy 31 taona, nolazaina ho meloka fa nanitsakitsaka ny lalàna mbola mampisy resabe, izay mandràra ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alàlana, sy niady amin'ny mpitandro ny filaminana. Noraisin'i Abdel Fattah izao fanapahan-keviny izao taorian'ny nitsidihany tany amin'ny hopitaly ny rainy marary tsy mahatsiaro tena, Ahmed Seif El-Islam, mpisolovava lehibe an'ny zon'olombelona, ny talata teo. Navela nijery ny rainy nandritra ny minitra vitsy, tsy niaraka taminy, ilay anabaviny 20 taona, Sanaa Seif, izay naiditra am-ponja ihany koa, noho ny fandraisany anjara taminà fihetsiketsehana nitaky ny hamotsorana ireo voagadra tsy ara-drariny any Ejipta.

Toy izao ny fanambarana voalohany nalefan'ny fianakaviana tao amin'ny Facebook:

Ny 18 Aogositra, nanomboka nanao fitokonana tsy mihinan-kanina tsy misy fetra i Alaa, mba hanoherany ny fitazonana azy fanintelony hatramin'ny 25 Janoary, natao izao fitokonana tsy mihinan-kanina izao taorian'ny vaovaon'ny faharatsian'ny fahasalaman-drainy sy ny fitohizan'ny fitazonana an'i Sanaa anabaviny, any am-ponja hatramin'ny 21 Jiona.

Nanamarika tamin'ny fianakaviany i Alaa fa avy amin'ny fanapahan-kevitra ny tsy hanao fifampiraharahana intsony amin'ny fomba fiasa tsy rariny efa simba ao amin'ny firenena no nahatonga azy hanao io fitokonana tsy mihinan-kanina io.

Lahatsoratra iray lavalava kokoa no manazava fa nilaza tamin'ny fianakaviany i Alaa hoe: “Tsy hilalao ny toerana nosoratan'izy ireo ho ahy intsony aho.”

Nogadraina na nohadihadiana teo ambany fahefan'ireo mpitondra firenena Ejiptiana rehetra nandalo nandritra ny andro niainany i Alaa. Ny taona 2006, voasambotra noho ny fandraisany anjara taminà fihetsiketsehana am-pilaminana izy. Ny taona 2011, nijanona roa volana am-ponja izy, ary tsy nanatrika ny nahaterahan'ny zanany voalohany. Ny taona 2013, nosamborina izy ary notànana am-ponja nandritra ny 115 andro  tsy nandalo fitsaràna. Ary ankehitriny, mahazo 15 taona an-tranomaizina indray izy.

Milazalaza ny antony nitarika an'i Abdel Fattah handray io fanapahan-kevitra io ny fianakaviana:

Namangy an'i Ahmad Seif rainy i Alaa ny Sabotsy 17 Aogositra tamin'ny 2 ora maraina, tao amin'ny trano fameloman'ain'ny hopitaly Qasr el-Eini, rehefa nanomboka tsy nahatsiaro tena i Seif.

Telo andro talohan'io, nanao famangiana farany an'i Alaa tany amin'ny fonjan'i Tora izahay. Netinety ihany ny fahasalaman'ny rainy tamin'izany fotoana izany. Taorian'izay, tsy nanana fomba nilazàna taminy mihintsy izahay hoe nanao krizy ny rainy. Ary dia tonga tany amin'ny hopitaly i Alaa, ny Alahady maraina be, falifaly amin'ny famangiana, nitondra voninkazo, nieritreritra ny hiresaka tamin'ny rainy. Tsy mahatsiaro tena intsony tao amin'ny trano fameloman'aina izy no hitany.

Nanamafy ny raharaha izany zava-nitranga izany ho azy. Vao vita ilay fitsidihana minitra vitsy monja, nanapa-kevitra i Alla fa hisintona ny fampiraharahana amin'ny toe-draharaha tsy rariny ary tsy misy dikany nanasiana azy – na dia hamoizany ny ainy aza izany.

Nanambaran'i Alaa taminay ny fanapahan-keviny rehefa nandeha nijery azy tany Tora izahay ny ampitso. Ary mafy taminay fianakaviany izany. Nefa tamin'ny farany, azonay ihany ny hatezeran'i Alaa sy ny fikorontanan-tsainy, ny filàny hametraka zavatra azo tsapain-tànana amin'izao fiainana feno sompatra natao iainany izao. Zavatra entiny mandray an-tànana ny fiainany ary mitady vokatra tsara ny fanapahan-kevitr'i Alaa; mampiseho ny fahasarotan'ny zavatra mitranga eo amin'ny fiainany manokana ny hetsika ataony. Miezaka ny hampiseho ny fahoriany ny fihetsiny.

Mitohy ny fanambaràna:

Niditra am-ponja efa fanintelony izao i Alaa hatry ny nanombohan'ny fitakiam-panovàna tamin'ny Janoary 2011. Isak'izay mandeha, nanameloka azy tamin'ireo heloka tsy misy dikany sy foromporonina foana ireo manampahefana, na iza izany na iza. Nosandainy lafo izany : nanakana azy tsy ho eo anilan'ny vadiny ireo manam-pahefana tamin'ny nahaterahan'ny zanany voalohany, nosarahan'ireo tamin'ny fianakaviany izy, nosimbainy ny ho aviny amin'ny asa tamin'ny orinasa mikasika ny infôrmatika naoriny. Avy eo, naiditr'ireo am-ponja ny anabaviny kely indrindra, Sanaa, satria izy nitaky – tamin'ny Diabe Ettehadeyya ny 21 Jona – ny famotsorana azy sy ny fahafahan'ireo rehetra notazonina tsy ara-drariny. Ary ankehitriny, ny farany, nataon'ireo ny zavatra tena tsy zakany : Noraràn'izy ireo tsy ho eo anilan'ny rainy izy, tsy hanohana azy fony izy nodidiana fo nosokafana mihintsy, ary noraràny tsy afaka namangy azy hatramin'ny tsy nahatsiarovan'ny rainy tena intsony.

Izahay, fianakaviana sy ireo naman'i Alaa Abd El-Fattah, dia mitàna ireo manampahefana ho tompon'andraikitra amin'ny fandraràna an'i Laila Soueif sy i Ahmad Seif tsy hahazo ny fanohanan'ny zanany lahy amin'izao andro faran'izay mafy ary mampidi-doza indrindra amin'ny fiainany izao, ary mitàna azy ireo ho tompon'andraikitra amin'ny fiarovana sy ny fahasalaman'i Alaa izy tenany koa izahay.

Ao anatin'ny fitokonana tsy mihinan-kanina tanteraka izao i Alaa, nanomboka harivan'ny Alatsinainy 18 Aogositra, ary hanohy izany foana hatramin'ny hahazoany ny fahafahany .

Araka ny vadiny, Manal Hassan, tsy afaka nihaona taminy androany ireo mpisolovava an'i Abdel Fattah.

Noraran'izy ireo tsy ho afaka mamangy an'i Alaa ireo mpisolovava […] androany, na dia nanana ireo taratasy manome alàlana aza. Mety noho ny fitokonan'i Alaa tsy mihinan-kanina mihitsy ny anton'izany. Manahy mafy ny aminy aho

Ny sazy entin'i Alaa sy ireo 24 hafa ireo izao no lava indrindra hatreto amin'ireo karazana fanasaziana ny fahalalahana miteny, fivoriana, ary fanehoan-kevitra ao amin'ny firenena. Nampiasaina nampidirana am-ponja an'ireo mpikatroka mafana fo malaza, ny lalànan'ny hetsi-panoherana, ao anatin'izany ilay mpisolovava miaro ny zon'olombelona Mahienour El-Massry, ary ny mpamorona ny hetsiky ny 6 Aprily, Ahmed Maher. Ny volana Jona, mpanao gazety telo avy amin'ny Al Jazeera no nogadraina fito sy folo taona an-tranomaizina noho ny “fitaterana vaovao tsy marina.” Mino ireo Ejiptiana mpikatroka mafàna fo fa noh ny resaka politika fotsiny ny raharaha momba an'i Alaa sy ireo hafa, ary mikendry ny hitazonana am-ponja ireo mpikatroka mafana fo malaza, ary koa entina hampitahorana ny hafa mba hanalavitra ny resaka politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.