Max Blumenthal, Jiosy Amerikana Mpanao Gazety Mitsidika Any Gaza Sy Mibitsika Ny Sarin'ny Faharavan'ny Tanàna

This was Beit Hanoun, Gaza, today - tweets @MaxBlumenthal in the first of a series of photographs he posts on Twitter showing the extent of the damage he witnessed

Beit Hanoun, Gaza, amin'izao fotoana izao-  bitsik'i @MaxBlumenthal ao amin'ny andian-tsary voalohany nozarainy amin'ny Twitter mampiseho ny halehiben'ny faharavana hitany

Ny 15 Aogositra, nitsidika an'i Beit Hanoun, sisintany avaratra atsinanana mampisaraka an'i Gaza amin'i Israely niaraka tamin'i Dan Cohen, Palestiniana mpanao gazety monina any i Max Blumenthal Jiosy Amerikana mpanao gazety, mpanoratra sady mpitoraka bilaogy. 

Nanararaotra ny fampitsaharana ny ady efa niomanana be teo amin'i Hamas sy Israely ireo Gazaiana mba hanavotana izay azony avotana ao amin'ireo korontam-bato. Efa nahafaty olona 1.951, ahitana fianakaviana 70 mahery sy ankizy 467 ny fanafihana tany Gaza talohan'ny fampitsaharana ny ady araka ny filazan'ny Ministeran'ny Fahasalamana any Gaza.  Nohamafisin'ny B'TSelem ONG Israeliana fa 1.767 fara-fahakeliny ireo Gazaiana maty ary 431 ny ankizy. 73 ka hatramin'ny 80 isan-jato kosa ireo olon-tsotra maty raha ny filazan'ny Firenena Mikambana. 

Ny zavatra hitan'i Blumenthal sy i Cohen anefa dia tanàna ‘potika tanteraky’ ny fanafihana an'habakabaka sy ireo fiara mifono vy Israeliana. Lohatenim-baovao nanerana izao tontolo izao i Beit Hanoun tamin'ny nanafihan'ny Israeliana ny Sekolin'ny Firenena Mikambana  ka nahafatesana olona 15 tamin'ny 24 Jolay, na teo aza anefa fangatahana fotoana nataon'ny Firenena Mikambana tamin'ny IDF mba hamindràna ireo olona ireo. Indrisy anefa fa tsy nijanona taminà sekoly iray ihany ny faharavàna araka izay ho hitanareo eto ambany.

Izao manaraka izao ny fandaharam-potoanan'ny fitsidihan-dry zareo :

Rava tanteraka i Beit Hanoun noho ny fanafihana an'habakabaka sy fiara mifono vy Israeliana.

Iray amin'ireo trano nampiasain'ny tafika Israeliana tany Beit Hanoun, feno fonom-bala miparitaka ny gorodona

Lazainy fa norobain'ny tafika Israeliana ny antontan-taratasy sy ny fananan'ny rahalahiny teo amin'ny biraony. Rava ny tranony.

Fitafiana vitsivitsy sisa navelan'ireo tafika Israeliana tany Beit Hanoun

Fasam-bahiny any Beit Hanoun. Nozeràn-dry zareo baomba hatramin'ny maty.

Mahita mpankafy azy vaovao vitsivitsy any Beit Hanoun i @dancohen3000

Tokotanin'ny sekolin'ny Firenena Mikambana voadaroky ny Israeliana. 17 no maty ary 150 no naratra.

Nodarohan'i Israely baomba taminà F-16 ny sekolin'ny Firenena Mikambana any Beit Hanoun

Famonoana mpianatra

Iray amin'ireo maratra marobe nifanena kisendrasendra tamiko androany- Mipetraka ao ambadiky ny sekolin'ny Firenena Mikambana any Beit Hanoun izy

700m avy eto i Israely. Nongotany ny foto-boasariny ary noravany ny fantsakàny tamin'ny 2005 ary avy eo nodarohany baomba ny tranony tamin'ny volana lasa

Tahaka izao no fitantaran'ny mpamboly iray tamiko ny fomba namonoan'i Israely olona 8 tao anatin'ny fianakaviana iray, nomen'ny rahalahiny (kibo tsy omby) tangozanà voaloboka sy rano mangatsiaka aho. Toetra ambony.

Zazavavy iray antsoina hoe Reham no nipetraka tato amin'ity trano any Beit Hanoun ity mandra-pandravan'ny Israely ny tranony

Mbola mitohy amin'izao fotoana izao any Beit Hanoun ny 1948

Sokirin'ny tafika Israeliana any amin'ireo trano any Gaza ny Kintan'i Davida, hoy  @MaxBlumenthal & @dancohen3000 http://t.co/GB3QeEyzWi

Voasoratra eo amin'ny rindrin'ny trano taloha tao Beit Hanoun : Palestina 3, Israely 0

Lasa lavaka ao anaty tany ny tranony. Fantany ny fiaviako.” Samy meloka i Netanyahu sy i Obama !”

Ny  fidirana  ao amin'ny tranon'ilay mpamboly no hany sisa tavela.

Ireo sisan'ny afo tamin'ny efitrano fianarana ao amin'ny sekolin-jazalahy sy zazavavy ao Beit Hanoun

Ny Mosken'i Amin Muhammad aao an-tanànan'i Gaza, izay lazain'ireo mpanome vaovao ny  tafika Israeliana fa fandefasan'ireo mpivavaka tsy Jiosy ny fampihorohoroana

Ny ao anatin'ny Mosken'i Amin Muhammad any Gaza City. Sady nihidy no foana io tamin'ny fotoana nidarohana azy.

Nitondra maratra iray ho any amin'ny toeram-pitsaboana i Fadel Alawah, tsy fantany akory fa mpiady izy io. Izao no nanaovan'ny ‘drone’ ny fiarany

Tavela tao anatin'ilay fiarakaretsaka niasàny 12 ora isan'andro amin'ny sarany 8 dolara isan'ora ny kiraron'i Fadel Alawah

Mbola mahita kiraro miparitaka manerana an'i Gaza aho. Tsy ho lazaiko hoe mampahatsiahy inona amiko izany. Tany Shujaiya no nisy izany

Ny fianakavian'i Salem Shamali izay matin'ireo Israeliana mpitify mahay ao anatin'ny lahatsary tamin'ny nitadiavany an-dry zareo

Toran-tomany ny renin'i Salem Shamali rehefa avy namerina nijery ny tatitra nataon'ny @AymanM mikasika ny famonoana an-janany nataon'ireo Israeliana mpitify mahay

Malahelo an'i Salem rahalahiny i Waseem Shamali. Tsy vitany ny tsy hitomany foana rehefa miresaka ny momba azy

Tsy nahazo rariny ny fianakaviana Shamali tamin'ny famonoana ny zanany. Ireto indray aza no voarainy

Mijoro manoloana ny tranony rava any Beit Hanoun i Hamza Masri  ary amafisiny fa misy ny Israeliana tsara saina na dia eo aza ny ataon'i Netanyahu

62 taona i Hamza Masri. Nifanena taminà Jiosy Israeliana izy. Lehibe tao anatin'ny fahirano  ireo zafikeliny. “Ao anaty fiara mifono vy no hany Jiosy mifanena aminay” hoy ny filazan'ny iray tamin'izy ireo tamiko

Shujaiya, Beit Hanoun, Gaza City- santionany amin'ireo sary nalaiko sy nalain'i @dancohen3000

Araho ny fanadihadiana lalina ataonay : #Gaza : Miha- betsaka ny olon-tsotra maty amin'ny fanafihana ataon'ny Israeliana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.