Mampanantena Hanakana Ny Tranonkala Rehetra “Tsy Nahazo Alalana” i Iran

Rouhani supporters in Tehran. Photo by Tabarez2 via Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0)

Mpanohana an'i Rouhani ao Tehran. Saripikan'i Tabarez2 via Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0)

Nanambara tamin'ny herinandro teo ny Minisitera Iraniana Misahana ny Kolontsaina sy ny Fitarihana Islamika fa hosakanana tsy ho hita manerana ny firenena ny tranonkalam-baovao rehetra tsy nahazo alalana avy amin'ny governemanta.

Nanambara i Hassan Mehrabi, talen'ny fampanarahan-dalàna ny gazetim-paritra ao amin'ny Minisitera fa ny tranonkalam-baovao hoavy rehetra dia tsy maintsy mahazo alalana avy amin'ny komity mpanara-mason'ny Minisitera avokoa. Ny antsipirihan'ny politika vaovao misahana izany moa dia hita tao amin'ny tatitra nalain'ny Iranian Student News Agency (ISNA) na Sampana Mpanangom-Baovaon'ny Iraniana Mpianatra. Izany fanambarana izany dia nivoaka nandritra ny “Andron'ny Mpanao gazety,” andro nasionaly nofaritana ho fankasitrahana ny asan'ny mpanao gazety. Araka ny Reporters Without Borders, (Reporters Sans Frontieres – Mpitati-Baovao Tsy Manan-Tsisitany) milaza ny fisian'ny mpanao gazety sy mpiserasera 65 any am-ponja, dia tafiditra ao anatin'ny firenena dimy voalohany mpampigadra ireo miasa eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao i Iran.

Talohan'ity fepetra vaovao ity, nanaja ny fanivanana mialoha ny hivoahan'ny votoaty ny ankamaroan'ny tranonkala voasoratra anarana ao Iran mba tsy ho voasivana. Matetika nahazo ny tranonkala reformista, tahaka ireo manana fifandraisana amin'ny Hetsika Maitso sy ny mpitarika azy, ny sivana.

Tonga ity vaovao ity telo volana taorian'ny lahavolana nataon'ilay filoha tony fihetsika Hassan Rouhani momba ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana ka nanambaràny fa “zavatra ankatoavintsika ny zon'ny olompirenena hahazo hijery ny tambajotram-baovao iraisampirenena. Maninona isika no hitaintaina? Nahoana isika no tsy matoky ny tanorantsika?”

Mailaka ny mpisera Twitter nitsikera ny Filoha tamin'ity fepetra vaovao nivoaka eo ambany fahefany ity. Ny nahazoan'i Rouhani fandresena tamin'ny 2013 dia azo ambara fa vokatry ny fampanantenana nandritra ny fampielezan-kevitra nataony mizotra mankany amin'ny fivoarana, ka anatin'izany ny fiantohana ny fahalalahan'ny aterineto. 

Nitsikera ny lalàna vaovao ho fanitsakitsahana foto-kevi-dehiben'ny Web misokatra ilay mpikaroka momba ny Internet sady mpisera Twitter mavitrika Nariman Gharib, fantatra ho @ListenToUs :

“Tokony hahafantatra i Hassan Rouhani izay manao azy ity anton-draharaha fa raha vao tafiditra an-tserasera ny zavatra iray dia tsy mety voasakana. Rehefa tafiditra Internet ny votoaty dia ao izy izay ary tsy mety fehezina.” 

“Nisy ny zavatra nataonay hoe fahalalahan'ny fampahafantarana (vaovao), izay toa tsy tian'Atoa Rouhani hitoetra, ary dia lasa manao fanapaha-kevi-jaza aza.” 

Nampahatsiahy ny teny filamatry ny fanantenana malaza “Rouhani Mochakerim” ihany koa i Gharib tao amin'ny sioka nitsikera ny lalàna vaovaon'ny tranonkala:

“Mankasitraka? Minisiteran'ny Kolontsaina: “Tsy maintsy mahazo alalana daholo ny habaka rehetra fa raha tsy izany dia hosivanina.””.” 

Taorian'ny fandresen'i Rouhani tamin'ny fifidianana 2013, nanomboka nampiasa ny fehezanteny hoe (#روحانی_مچکریم) ny mpiserasera Iraniana ho fanehoam-pankasitrahana sy fanantenana vanim-potoana vaovao eo ambany fitarihan'ny Filoha tony fihetsika. Mochakerim, midika ho “mankasitraka” amin'ny teny Persiana, moa dia lasa fehezanteny fandrabirabiana, filazana tsy ankiteniteny amin'ny lazan'i Rouhani, izay nikiry hitoetra hatrany, na dia banga aza ny fanovana nentiny ao amin'ny isan-tokatrano hatramin'ny nitondrany ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.