Aterineto : Tianay Raha Ahely Maneran-Tany ilay Fetibe : Mandraisa Anjara Daholo Ary e!

Web We Want/Southbank Centre Festival. Image used with permission.

Fetibe Web We Want ao Southbank Centre. Nahazoana alalana ny fampiasàna ny sary.

25 taona lasa izay, nanorina ny Word Wide Web i Sir Tim Berners-Lee ary nomeny ny olon-drehetra io. Mba entina hankalazana io teknolojia nitondra fiovàna lehibe io sy izay rehetra mbola homeny, misy fiaraha-mientan'ireo mpanao kanto sy ireo vondrona mpiaro zo nomerika hikarakara fetibe iray mandritra ny andro telo, maromaro amin'ity taona ity, izay atao any Southbank Centre ao Londres – izay ianareo no handrafitra azy, ireo mpampiasa ny aterineto izay maha-toy izao ny vohikala ankehitriny. 

Mila anareo izahay!

Ho fankalazana mivelatra ny hoe ahoana ny nanovàn'ny Aterineto ireo fiainantsika ilay fetibe. Aingam-panahy avy amin'ny World Wide Web Foundation ary miasa miaraka amin'ilay fanentanana Web We Want isika amin'io fetibe io, hetsika maneran-tany ho an'ny Aterineto malalaka, misokatra ho an'ny rehetra, ary ho azo n'aiza n'aiza, hojerena ao koa ireo zavatra sasantsasany mandrahona hanimba ny Aterineto araka izay ahalalantsika azy, ary inona ireo vahaolana mety ho hitantsika amin'ireo fanamby ireo  .

Amin'ny fakàna tàhaka ny fijerin'i Tim Berners-Lee ny vohikala ho toy ny toerana itovian'ny rehetra, mangataka anareo izahay, mba hanao io fety io ho toy ny hoe anareo – ireo vondrona fikambanana eto an-toerana na any alavitra, ireo mpifanila vodirindrina sy ireo vahiny, ireo teknisiana sy ireo matahotra ny firoboroboan'ny teknolojia, antitra sy tanora, mponina andrenivohitra sy ambanivohitra, na ahoana na ahoana ny fahaizanao ny resaka Aterineto.

Mba hanaovana izany, miangavy ny rehetra izahay mba hamaly ireto fanontaniana dimy ireto:

  • Inona avy ireo tetikasa amin'ny Aterineto efa hitanareo izay hampivoatra tanteraka na manova ny zavatra nisy teo aloha mba hanova ny fiainan'ny olona? #LeapBorders
  • Inona araka ny hevitrao ireo ohatra tsara indrindra amin'ny famoronana sy eritreritra amin'ny resaka taokanto ao amin'ny Aterineto ? #creativity
  • Inona ohatra ny fihetsika ao amin'ny aterineto ataon'ny olona iray, na orinasa na ny fanjakana ka mandrahona ny hanimba ny fahalalahan'ny aterineto, ny fisokafana ary ny fivelaran'ny aterineto ho  amin'ny olon-drehetra? #OpenWeb
  • Endrika aterineto toy ny ahoana no manome anao hafaliana lehibe indrindra ary tahotra lehibe indrindra? #joy  #worry
  • Inona ireo hevitra, tetikasa, fandaharan'asa atolotrao mba hasehonay amin'ny fety fankalazana ny tsingerintaona faha 25-n'ny Aterineto? #ideas

Zarao ao amin'ny media sosialy — @WebWeWantFest  ao amin'ny Twitter ny hevitrao (na mampiasà ny teny fototra #WebWeWantFest) na ny Southbank Centre ao amin'ny Facebook. Na manaova lahatsary fohy ary alefaso ao amin'ny fantsona YouTube -ny Southbank Centre izany!  

Ny fe-potoana farany fandefasana ny hevitra ho an'ny faran'ny herinandron'ny volana Septembra dia ny 29 Aogositra 2014, fa mandefasa foana ny hevitrareo hatramin'ny volana May 2015.

Afaka mandray anjara daholo ny rehetra, raisina sy jerena mitovy daholo ireo fandraisana anjara rehetra, ary afaka mamaly ireo fanontaniana foana ianareo na impiry na impiry, na amin'ny anaran'olon-kafa koa aza rehefa ahazoanareo alalana avy amin'izy ireo izany. Mandefasa emailaka amin'ny webwewant@southbankcentre.co.uk raha misy fanontaniana.

Inona ny Manaraka?

Hahazo aina eo anivon'ny aterineto ny hevitrareo, ary ho tena iainana mandritry ny fetibe mandritra ny andro telo amin'ny faran'ny herinandro telo any amin'ny Southbank Centre – ny 26-28 Septambra 2014, ny 28-30 Novambra 2014 ary ny  29-31 May 2015 – karakarain'ny Southbank Centre ary ny World Wide Web Foundation. 

Fantaro bebe kokoa amin'ny fitsidihana ny pejin'ny Fety Web We Want, ireo topan'ny sosialy media-ny Southbank Centre, na ny Tumblr ho an'ireo fanavaozana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.