Olona Sivy Mpanohitra Ara-politika: Nesorina Ny Fizakàny Ny Zom-Pireneny Tao Bahrain

xxxx

Bahrain: taona fahatelon'ny fitroarana nanaovana antso avo ho fitakiana ny zo sivily sy politika. Naka ny sary: Sayed Baqer. Fizakàmanana: Demotix

Nanome baiko ny mpitondra ao Bahrain hanesorana amin'ireo sivy mpanohitra ara-politika ny fizakàny ny zom-pireneny, efa ho herintaona taorian'ny nanesorana ny fizakàna ny zom-pirenen’ireo 31 mpanohitra izay nahitàna roa mpanao lalàna.

Nankatoavin'ny mpanjakan'i Bahrain tamin'ny taona 2013 ny lalàna iray manamora ny fisintonana  ny fizakàna ny zom-pirenen'ny olona voampanga ho manakorontana ny filaminan'ny firenena“.  Ny iray tamin'ireo 31 mpanohitra ireo dia voaroaka tao Bahrain; nanaiky nandray azy i Libanona. Olona efatra fanampiny no voaendrikendrika ho nandika ny lalàna mikasika ny fipetrahany ao Bahrain ary miandry ny fotoana mety handroahana azy. Olona roa mpamolavola lalàna fahiny izao no mitady fialokalofana any Angletera taorian'ny nanesorana ny fizakàny ny zom-pirenena ary manaraka fitsaboan-tena any izao izy ireo.

Nahita krizy tsy nisy fiafaràny mikasika ny maha-olombelona i Bahrain mpanankarena solika, nanomboka tamin'ny nisian'ny fitroarana tamin'ny taona 2011 izay nitaky ny zo sivily sy politika teo amin'ny firenena, izay fehezin'ny fianakavian'i Al-Khalifa. Maherin'ny antsasa-manila amin'ireo andraikitra ambony ao amin'ny firenena no fehezin-dry zareo tanteraka. 

Ny mpitsara mandray an-tànana ny trangan-javatra toy ireny dia notendren'ny Mpanjaka taorian'ny  nisafidianan'ny minisitry ny fitsarana azy, izay mpirahalahy tsy omby kibo amin'ny Mpanjaka. Havan'ny Mpanjaka ihany koa ireo mpitsara sasany. 

Nahazo fanakianana maro ny rafi-pitsarana Bahraini noho ny fanaovana lasibatra ireo mpanohitra ara-politika ny governemanta. “Tsyvitan'ny rafi-pitsarana heloka bevava ao Bahrain ny mametraka ny andraikitra fototra sy ny fitsarana tsy mitanila,” hoy ny tatitry iray an'ny fikambanana mpanaramaso ny zon'olombelona “Human Rights Watch”

Hitan'ny komity iray manokana fa nampijaly sy namono ireo mpanohitra ny fanjakàna i Bahrain, ary ny governemanta Bahraini dia nanemotra hatrany ny fitsidihan'i Juan Mendez, ilay mpitatitra manokana avy amin'ny Firenena Mikambana.

Tao amin'ny Twitter, nibitsika ny zavatra niainany ny anabavin'ny iray amin'ireo mpanohitra izay nesorina ny zom-pireneny. Nanoratra i Rawan Sanqoor fa nampijaliana i Ali Sanqoor anadahiny  talohan'ny fanamelohana azy. Voampanga ho nikonona fanafihana ny fonjan'i Dry Dock i Sanqoor niaraka tamin'olon-kafa miisa 12 ary namorona  “vondrona mpampihorohoro”.

Nibitsika i Sangoor hoe:

Andriamanitra irery ihany no afaka mitsara antsika. Nosaziana noho ny fikasàny hanafika ny toby famonjana Dry Dock ny anadahiko. 15 taona ary nesorina taminy koa ny fizakàna ny zom-pireneny

Voaheloka omaly noho ny raharaha fikasàna hanafika ny fonjan'i Dry Dock ny anadahiko. Talohan'ny nidirany am-ponja sy nanesorana ny fizakàna ny zom-pireneny dia nampijaliana izy mba hibaboka

Nentina tamin'ny toerana tsy fantatra ny anadahiko ary tato anatiko dia fantatro fa io toerana tsy fantatra io dia toerana fampijaliana ireo voafonja, biraon'ny sampana fitsikilovana.

Notazonina nandritra ny enina andro taminà efitra fampijaliana ireo voafonja ny anadahiko. Napetraka taminà efitra mitokana iray tsy mba tongan'ny hazavan'ny masoandro velively izy, nifatotra tongotra aman-tànana

Nampijaliana sy nalaina baraka izy nandritra ny enina andro maninjitra tamin'ny fomba tsy hitako izay hamaritana azy. Niaina tahotra nandritra ny herinandro izahay raha teo an-tànan'olona tsy manana fo kosa ny ainy.

Tapitra ny enina andro niainana tanatin'ny horohoro. Taorian'io dia nihaona taminy tany amin'ny fonjan'i Dry Dock aho. Tsy tafatsangana izy, tsy nieritreritra na inona na inona ankoatry ny namihina azy mafy ary nitomany

Nibitska i Reem Khalaf, mpisolovava, mpiaro ny sasany amin'ireo voampanga ireo:

Nanomboka androany ireo sazy vaovao navoaka izay tsy mijanona amin'ny fampidirana am-ponja fotsiny ihany, narahana fanesorina ny fizakàna ny zom-pirenen'ireo voampanga izay miisa fito [lasa niakatra sivy izy ireo taty aoriana kely], efatra amin'izy ireo dia migadra 15 taona, ny iray mandritra ny 10 taona, ary ny telo mandritra ny fito taona

Nametraka fanamarihana i Fatima Alhawaj, mpisolovava, taorian'ny namakiany ny didim-pitsarana:

Rehefa manapa-kevitra ny hanaisotra ny fizakàna ny zom-pirenen'ny olona iray ny fanjakàna / fanapahan-kevitra iray baikoin'ny toe-draharaha maro karazana eo amin'ny sehatra politika / fa tena zava-doza indrindra mankany amin'ny fahaverezana ny fisintonana  ny fizakàna ny zom-pirenena izay nataon'ny fitsarana iray

Zava-dehibe eo amin'ny fivoaran'ny olombelona ny famoronana foko — ny filàna ny sakafo, trano fialofana ary ny fitoniana no tena ilàna ny fivondronana sy famoronana foko. Lasa misy ambaratonga-drafitra kokoa araka izany ilay foko, ary sazian'ny lehibe mpitarika ireo izay tsy manaraka ny lalàna apetrak'io foko io ka roahan'izy ireo hiala amin'ilay foko. Toy ny sazy mandra-pahafaty ny fandroahana hiala ao amin'io foko io, avela hiatrika samirery ny voina / loza miseho eo amin'ny tontolo, tsy misy fianakaviana.

Mitaraina ireo sasany mpanohitra ao Bahrain fa toy ny fifampitondrana misy eny anivon'ny foko no itondràna ny firenena.Tsy sarotra ny mahita ny antony nanaovana ilay fampitahàna, taorian'ireo fanesorana fizakàna zom-pirenena nitranga faramparany teo noho ny tsy fanekena ny fitondràna. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.