Nanasa Tena Tany Amin'ny Fetin'ny Filoha (Vaovao) Tiorka Ny Filoha Kyrgyz

Atambayev celebrates his Turkish counterpart's victory. Screenshot from YouTube video uploaded by Zorbey Medya.

 I Atambayev mankalaza ny fandresen'ilay Tiorka mitovy asa aminy. Dikasary avy tamin'ny lahatsary YouTube nakarin'i Zorbey Medya.

Vitsy ireo nisalasala hoe handresy ny fifidianana filoham-pirenena natao ny taona 2014 tao Tiorkia i Recep Tayyip Erdoğan, sady niaraka tamin'ireo media maro nanohana, nanampy ny fanohanana ara-politika matanjaka avy ao anatiny, maro no efa niandry azy handresy vao tamin'ny fihodinana voalohany fotsiny. Fa tena azo lazaina ho tsy nisy nanampo mihitsy ny fandraisan'anjaran'ny filoha Kyrgyzstan, Almazbek Atambayev, tao amin'ny fizotry ny tantara.

Nanampoka ny olona tamin'ny fisehoany teny an-dampihazo Ilay tsy lany henatra tia ny Tiorka, Atambayev, taorian'ny kabarim-paneken'i Erdoğan tany Ankara, ny harivan'ny 10 Aogositra. Niarahaba ny ” filohan'ny vahoaka” tamin'ny fiteny Tiorka mazava tsara izy, nahazo tehaka avy tamin'ireo mpikamban'ny AKP (Antoko Fahamarinana sy Fampivoarana) i Atambayev tany Ankara, fa kosa ny fanadrohadroahan'ny olona tao amin'ny Twitter, izay adihevitra momba ny fanoherana tanteraka an'i Erdoğan tato ho ato:

Nanoratra ny alin'ny fifidianana, nandefa bitsika toy izao ilay mpanao gazety mipetraka ao Istanbola, Alex Christie Miller:

Hatreto, izao ankehitriny izao no hany fotoana tokana tena an'ny elatra ankavia ao anatin'ity kabary ity:  vao nasain'i Erdogan teny amin'ny lampihazo handray fitenenana ny Filoha Kygyzstan!!! 

Mety nametraka tsy nahy an'i Atambayev teo amin'ny toerana maha-andriamanitra kely mihitsy ny bitsiky ny CNN ankehitriny:

Namarana ny kabariny teny amin'ny lampihazo i Erdogan ary nilaza hoe “Afaka manampy antsika Andriamanitra, ary manasa ny Filohan'i Kyrgyzstan, Atambayev #TurkeyVoted pic.twitter.com/VfhTFzVfZm — CNN Türk ENG (@CNNTURK_ENG)

 Raha nandiso tsipelina teo amin'ny fanoratana kosa ny Al-Jazeera :

Satria nandresy tamin'ny fifidianana i Erdoğan, [nilaza izao tamin'ny Tiorka] ny Filohan'i Kyrgyzstan, Almanzek Atambayev, izay tonga nankalaza izany teny amin'ny lampihazo: “Araraoty ny filoha vaovaonareo”.

Nandanja ilay fotoana ho toy ny zavatra tsy mampino ireo Tiorka mpibitsika amin'ny Twitter :

Lasa “Eurovision” daholo ny zavatra rehetra. Nomen'ny Kyrgyzstan isa 12 isika.

Nanampy izao io mpibitsika io :

Toa sahala amin'ny hoe ny president Kyrgyz ny olona tsara miaraka aminao rehefa mikaoty sipa ianao [sarinteny ilazana ireo vahoaka Tiorka]. Tonga vao folo minitra fotsiny izy dia efa manao fanindrahindràna be, sahala amin'ny havana alavitra be resaka be loatra.
.

Maro no mahita ny fanindrahindran'i Atambayev ilay olona mitovy asa aminy ao Torkia ho fihetsika tsy dia voahevitra:

Hitan'ny filohan'ny  Kyrgyzstan ny hevitra. Fantany fa amin'ny fihetsika somary milefitra sy mihemotra kely no ahazoany ny fihavanana.

 

Nametraka vola 200 lira tao amin'ny paosin'ny filoha Kyrgyz [ i Erdogan], ary nahazo henatra. Kaondrana!

.
Ny sasany nampiseho mihoatra noho ny fanambonian-tena manoloana ilay mpiara-dia amin-dry zareo amin'ny fitenenana Tiorka:

Atsaharo ny fitenenana zavatra tsy misy dikany ry filoha Kyrgyz a… Nisotro kymyz [rononon-tsoavaly vavy nihotrika] be loatra angaha ianao?

Ny sasany nampitaha an'i Atambayev amin'ny mpianatra vahiny mientanentana:

Tonga niaraka tamin'ny Fandaharanasa Erasmus ny filoha Kyrgyz.

Notohizan'i Gökhan ilay resaka mpianatra :

Ary ankehitriny, misy ny filoha Kyrgyz avy ao amin'ny kilasy faha 5 eo amin'ny lampihazo, mba hamaky ny tononkalo. 

Ankolafy hafa mihitsy na izany aza, ny politika ivelany mitodika manokana amin'ny Twitterazzi Tiorka indray, dia nahita izany ho toy ny fiantombohan'ny fitondràna vaovaon'i Erdoğan manjakazaka amin'ny firenena hafa :

i Kyrgyzstan no firenena voalohany nampifandraisan'i [Erdoğan] amin'i Tiorkia vaovao. Tokony hanova làlana isika ka hitodika any Balkans ary handray an'i Bosnia

Marihana fa mandeha amin'ny làlana samy hafa mihitsy ireto filohan'i Kyrgyzstan sy Tiorkia ireto. Nasiana fanovàna  ny lalàm-panorenana Kyrgyzstan ny taona 2010, mba hahatonga ny birao mpanatanteraka mpanao jadona ho tsy dia manana fahefana be loatra, raha ao Tiorkia kosa, vao maika nanao izay ho afany i Erdoğan mba hanitarana hatrany ny fahefan'ny filoham-panjakana ho mpitarika ny lanonana, ka tsy ahazoan'ny Praiminisitra vahana moa izany, toerana izay nosahaniny  hatramin'ny taona 2003. Nisy aza ireo mpibitsika sasany nananihany nandroso hevitra hoe mety ho  mpifaninana tsara aroso ho amin'ny filohan'ny parlemanta Tiorka miha-marefo i Atambayev. Tena afaka miresaka tsara mihitsy izy…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.