Ahoana Ny Handraisan'ny Tanora Anjara Amin'ny Fampihenana Ny Voina

Sam Johnson at the PrepCommittee meeting in Geneva for the World Conference on Disaster Risk Reduction

Sam Johnson nandritra ny fivorian'ny komity mpanomana tao Geneve mikarakara ny Kaonferansa Manerantany Ho Fisorohana Ny Loza Voajanahary, 2014. Sary nahazoan-dalana.

Nanjary olana manerantany sy fandrahonana amin'ny fandrosoana isaky ny firenena manerana izao tontolo izao ny fisorohana ny Loza Voajanahary. Miankina amin'ny fanentanana sy ny famantarana, fitantanana ireo loharanon-kery vonona isorohana ny voina ny fanamby. Hita fa loharanon-kery manandanja azo ampiasaina amin'ny fotoanan'ny loza ny tanora

Ohatra, nandritra ny horohorontany tamin'ny Fiangonan'i Kristy izay namoizana ain'olona teo amin'ny 185 teo tao an-tanàna faharoa lehibe indrindra ao New Zealand, tovolahy antsoina hoe Sam Johnson, mpanorina ny UC Tafiky Ny Tanora Mpilatsaka An-tsitrapo no nanentana andian-tanora mpilatsaka an-tsitrapo hanome fanohanana ireo olona niharam-boina.

Manana mpikambana maherin'ny 8000 ankehitriny ny Fikambanana Tafiky ny [tanora] Mpilatsaka An-tsitrapo, araka ny filazan'ny Biraon'ny Firenena Mikambana misahana ny fisorohana ny Loza Voajanahary) (UNISDR). Mikasa hanitatra ny maodely amin'ny fananganana hetsika manerantanin'ny tanora izy.

Marobe tamin'ireo tanora manerantany no nisolo-vava amin'ny fampidirana an-tsehatra ny tanora amin'ny fifampiresahana any amin'ny sehatra avo amin'ny fampihenana ny risiky ny loza (DRR). Niditra tao amin'ny Twitter tamin'ny fampiasana diezy #AfricanYouthDRR ireo tanora sasany avy ao Afrika Atsimon'i Sahara mba hanasongadinana ny tokony hampidirana ny tanora hiresaka ny lohahevitra momba ny fampihenana ny risiky ny loza (DRR).

Ohatra, nandritra ny fotoanan'ny orana tao Senegaly, marobe irao ray aman-dreny natahotra fa mety ho tratran'ny aretina tahaka ny fivalanana, tazomoka ary ny kolerà ny zanany satria tsy manam-bola hividianana fanafody na handehanana dokotera izy ireo araka ny filazan'ny Deutsche Welle (DW)

Esther Kelechi Agbarakwe (@estherclimate), mpandraharaha ara-tsosialy sy mpanorina ny @devnovate avy ao Nizeria naneho hevitra hoe:

Ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo voaofana no tsara indrindra amin'ny fampihenanana ny loza amin'ny toe-javatra rehetra #AfricanYouthDRR

Climate Wednesday (@ClimateWed) nanoro-hevitra hoe:

Tokony hanampy amin'ny Fifandraisana, fandrindràna sy ny fiarahamiasa ao anatin'ny fiarahamonina ny #Youth (tanora) mba hananganana #Change (Fanovana) matanjaka  #ClimateWednesday #AfricanYouthDRR

Alfred Agyabeng (@OkatsieGH), tale mpitantana ny Reach Out to Future Leaders Movement (Hetsika Manatratra Ny Mpitarika Rahampitso) ao Ghana, nanipika hoe:

Tokony hapetraka eo amin'ny lakaben'ny fahamahana ny olan'ny toetr'andro ny tanora #AfricanYouthDRR: Asaivo mandray anjara amin'ny alalan'ny fifaninanana izy ireo ary omeo loka sy fankasitrahana.

Araka ny filazan'ny The Chronicle, misy fiantraikany amin'ny fanjarian-tsakafo sy ny sakafo ara-pahasalamana, ny fahasalamam-bahoaka ary ny fiarovana ny angovo, ankoatra ny maro hafa, ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetr'andro. Eo am-pandinihana izany voka-dratsy izany ireo fikambanana marobe manerantany ary miezaka mitady ny vahaolana manoloana ireo olan'ny famokarana, ny fanjifana (fihinanana) ary ny tontolo iainana. Tsy isalasalana fa fanamby goavan'ny fampandrosoana ny fiovaovan'ny toetr'andro

Nilaza ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny tontolo iainana (PNUE) fa tsy hisy ny kaontinanta iharan'ny fiovaovan'ny toetr'andro mafy tahaka ny ao Afrika. Nanamarika ny Know Climate Change (Fantaro ny Fiovaovan'ny Toetr'andro) fa hamafisin'ny faharatsiana ara-toekarena sy ny tsy fahaizana miatrika ny zavamisy ny mahatonga an'i Afrika ho mora andairan'ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Frederick E. Fussi (@Fussi2015), manam-pahaizana momba ny fitantanana sy ny fitarihana avy ao Tanzania, nanamarika hoe:

#AfricanYouthDRR tsy mahatakatra ireo fitaovana loatra ny tanora ao Afrika, voafetra ny fahafahana misoroka sy mampihena ny loza @rahmabajun GIVENALITY 

Nitatitra ny OAfrica fa 10% n'ny tanora Afrikanina 15-24 taona monja no za-draharaha antserasera (aterineto) dimy taona na mihoatra.

Na dia i Afrika aza no kaontinanta be tanora indrindra, tsy dia mahatakatra ireo fitaovana (antserasera) ny ankamaroan'ny tanora ao amin'ny kaontinanta.

Tamin'ny fiafaran'ny Adihevitra Rezionaly Afrikanina momba ny Fampihenana Ny Risiky ny Loza (Africa Regional Platform for Disaster Risk Reduction) andiany faha-dimy, nampahafantatra fanambarana mikasika ny firotsahan'ny tanora an-tsehatra amin'ny adihevitra miompana amin'ny DRR ny vondrona tanora nandritra ny fivorian'ireo mpanapa-kevitra politika sy ireo minisitra ara-panjakana tao Abuja, Nizeria.

Nitehaka tamin'ny ezaky ny tanora nahavita nahasolontena tsara tamin'ny fanatrehana izany sehatra avo lenta izany ny fikambanana sasany. UKCDS (@UKCDS), vondrona mandrafitra ireo minisiteram-panjakana Britanika 14 sy mpamatsy vola amin'ny fandrosoana iraisam-pirenena, nisioka tamiko hoe:

.@kofiemeritus mahafinaritra ny mahita fanohanana marobe amin'ny #AfricanYouthDRR. Izy ireo no ho taranaka siantifika sy mpanapa-kevitra rahatrizay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.