Ny Zavatra Nampianarin'ny Fikarakaràna Zaridaina Ahy Momba Ny Andraikitry Ny Olom-pirenena Vanona

A tropical garden in Trinidad and Tobago; photo used with permission.

Zaridaina trôpikaly any Trinidad sy Tobago; sary nampiasaina teo ambany fahazoan-dàlana.

Rehefa mikarakara zaridaina aho, dia mieritreritra. Na mifantoka amin'ny zava-misy ankehitriny ny eritreritro, na mivenjivenjy raha voahodidin'ny fahanginan'ny zavaboary – ary naharitra elaela izany tato ho ato, ireo fandehandehanana miolakolaka, raha toa ka mandinika ny toerana misy ny fireneko aho.

Rehefa nandany andro tao an-jaridaiko ao ny herinandro lasa teo, toa tsaroaka ho naniry elatra aho teo am-pieritreretana ny hivoaka any ivelany, hangady tany, hitolagaga manoloana ny fahatsapana fototry ny tany eo amin'ny tànako – amin'ny voalohany. Na ny orana aza tsy hampihemotra ahy hiditra ny trano. Afangaro amin'ny fofona manitr'ireo manga matoy sy ireo voanà kakaô eo amin'ireo hazo manodidina, dia toy ny any an-tranoko aho. Saingy rehefa lasa niha-nankaleo ny fanalàna ireo ahidratsy, dia nanomboka nieritreritra momba ireo zavatra hafa aho: ny heloka mihamitombo, ny kolikoly mandeha ho azy, ny asa fihariana an-jorony izay araka ny fantatra dia mijoro eo ambonin'ny fivarotana zava-mahadomelina tsy ara-dalàna sy ny fivarotana fitaovam-piadiana.

Raha mihetsika mafy ireto tànako mba hialàn'ireo ahidratsy manempotra moramora ny bozaka, tsy hazava nòho ity ilay fanoharana. Nianatra zavatra maro aho tamin'ny alàlan'ny fikarakarako ny zaridainako, saingy tsy nieritreritra mihitsy aho fa ho isan'izany ny fomba maha-olom-pirenena vanona. Ireto misy vitsivitsy avy amin'ireo voa nitsimoka tanatin'ny feon'ny fieritreretana maha-olom-pirenena ahy.

Tsy maintsy mandray andraikitra ianao. Tahaka ny hoe zaridainako io, fireneko ihany koa ity. Fanaoko ny mandehandeha manodidina ny tokontaniko, mijery ireo asa tokony hatao, sy mitady alaolana ny amin'ny tsy ahafahako manao izany: Tsy nisy fotoana aho, reraka loatra, tsy laharam-pahamehana ho ahy izany. Ny vokatra, izay tsy nahagaga, dia ny fihanak'ireo ahidratsy – saika nafoiko avokoa ho an'ny ahidratsy ny bozako ao ambadiky ny trano ary ontsa aho noho izany. Kanefa raha tsy nihevitra aho voalohany indrindra fa andraikitry ny hafa rehetra ny zaridainako – ilay mpikarakara zaridaina tsy azo itokisana, ilay vady be herehana – dia tsy hibolila toy izao izany.

Tsy mihamaitso hatrany ny bozaka. Be dia be ny zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny aty Trinidad sy Tobago, saingy misy maro ihany koa anefa ireo marina sy tsara ary manainga fanahy. Indraindray, ny fikisahana mankany aminà vondrom-bozaka iray hafa no fanapahan-kevitra mety, ary indraindray, mila mijanona miady amin'ireo ahidratsy fotsiny ianao, satria tokoa, anao ireo. Nandray anjara tamin'ny fitomboan'ny fakany ianao; noho izany dia tokony andray anjara amin'ny fanalàna azy ireo ihany koa.

Mila manatanteraka ny asa ianao. Tsy afaka ialàna izany, tsy maintsy miaritra ny havizanana, ny ngolin'ny tànana, ny hidihidin'ny hoditra, ny asa tsy ahazoana aina. Hanorisory izany, tahaka ny tsy hisy farany, ary ho resy lahatra ianao fa toa tsy mizotra mankaiza. Saingy hivadika ho fahatsapana ny asa tsara vitanao ho anà zavatra tena manan-danja izany hirifiry izany, tahaka ny voninkazo tsy fahita izay mamelana voalohany indrindra.

Tsy hiseho eo nóho eo ny fiovàna. Na eo aza ireo fiovàna mampidonàka izay miseho anatin'ireo telopolo minitra iasàna any an-trano na any an-jaridaina, dia tena hiadam-piseho tokoa ireny karazam-piovàna ireny – mandritra ny ririnina. Tahaka ny mahaela ny fanaisorana ireo ahidratsy na ireo zavatra mety hanimba, dia ho làlan-davitra sy sarotra ihany koa ny fitondrana fahaiza-mitantana anatinà rafitra mifototra amin'ny kolikoly. Toa lavitra izany famony tsy fahita firy izany, saingy rehefa iny izy fa mipoitra, dia tena hisarika maso tanteraka.

Mety tsy hahita ireo vokatry ny asanao ianao. Misy ohapitenenana Grika izay manao hoe, “Mivoatra tsara ny fiarahamonina rehefa mamboly hazo ireo Ntaolo, na dia fantany aza fa tsy hialokaloka eo ambaniny mihitsy izy ireo.” Tsy mampaninona ahy izany. Heveriko fa ny ankamaroan'ny vahoaka dia te-hahita ireo zanany handova firenena tsara kokoa nóho izay iainantsika amin'izao fotoana.

Aza misy avela handalo anoloanao na inona na inona. Manana ity ohapitenenana ity ireo Trinidadiana: “Omeo iray santimetatra izy ireo ary haka iray metatra.” Mitady banga fotsiny ireo ahidratsy, sahala amin'ireo olon'ny fiarahamonina mpandika lalàna, mba hitoerany. Amin'ny maha-olom-pirenena mpifidy antsika, mila manara-maso isika: mailo amin'ireo fanimbazimbana ny demôkrasiantsika, mampandre ny feontsika eo amin'ny lafiny politika sy fahaiza-mitantana ary manana rafitra efa mipetraka mba hampandraisana andraikitra ireo mpitondra antsika raha sanatria adinon'izy ireo fa natao hanompo ny tombontsoa iombonana izy ireo, fa tsy ny an'olon-tokana.

Tsy maintsy ataonao an-tsaina lalandava ny zava-misy amin'ny ankapobeny. Mety ho tena mifototra amin'ny antsipiriany ny asa fikarakaràna zaridaina, kanefa miandrandra vokatra amin'ny ankapobeny izany – ary tsy ho vita raha tsy misy vondrom-piarahamonina miray hina. Ireo zavatra maro karazana miara miaina no hanamboarana ireo zaridaina tsara tarehy – sy ireo fiarahamonina mafy orina.

Mila mandray ny anjara tandrify azy ny rehetra. Indray andro aho dia namaky lahatsoratra iray momba ny vondrona kely iray hiarahan'ireo mpikarakara zaridaina izay nampivondrona ny fananan'izy ireo noho ny tsy fisian'asa mitombina, ka ifampikarakaran'izy ireo ny zaridainany avy isan-kerinandro. Niroborobo sy nitombo ny zaridainan'izy ireo sy ny finamanany, izany rehetra izany dia noho ny famoronan'izy ireo vondrom-piarahamonina miray hina sy mandaitra. Tahaka izany, tsy maintsy manao izay vitantsika isika rehetra, na inona na inona hakelezan'izany. Afaka manoratra lahatsoratra anaty bilaogy na taratasy ho an'ny tonian-dahatsoratra ve isika? Afaka mandà ny fanekena ny fanaovana kolikoly ho antoky ny fandraharahana ve isika? Afaka manatrika fidinana an-dalam-be, manasonia ireny fanangonan-tsonia ireny, na koa mirotsaka ho mafana fo mpikatroka ve isika? Tahaka ny voalazan'ilay Keniana mpahay tontolo iainana Wangari Maathai tanatin'ny lahatsoratra mandona nosoratany, “I will be a hummingbird” (Ho lasa Tsikiririoka aho), afaka manao zavatra isika rehetra. Ary hifanampy hanome zavatra iray lehibe kokoa ireo ezaka kely tsirairay ireo, zavatra iray izay tena hitondra fanovàna tokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.