Karatra Fiarahabana Ny Fitsingerenan'ny Andro Nahaterahana Avy Amin'i Moscow Ho An'i Barack Obama . Fanavakavahana Ve Izao?

"A banner unveiled across the exterior of the U.S. embassy in Moscow," RuptlyTV, YouTube screen capture.

“Nisy takelaka lamba lehibe natapy teo ivelan'ny tranon'ny masoivohon'i Etazonia any Moscow,” Dikasary RuptlyTV, YouTube.

Tany Etazonia, nankalaza ny faha 53 taonany ny 4 Aogositra 2014 teo i Barack Obama. Tany Maosko, misy fikambanana tanora tsy mitonona anarana nihanika teo an-tampon'ny tranon'ny masoivohon'i Etazonia ary nametraka takelaka lamba maneso ny Filoha Amerikana. Ny famantarana, sary eo ambony, mivaky hoe, “Tsy mahita na inona na inona aho, tsy maheno na inona na inona aho, ary tsy milaza ny marina na amin'iza na amin'iza aho,” mampiseho tsara ny sariitatra telon'i Obama, mampitovy azy  amin'ireo ” gidro telon'ny fahendrena” an'ny ohabolana Japoney.

Nampihomehy ny maro tany Rosia ireo sary famantarana an'i Obama ireo, tany izay vao maika tsy tia an'i Etazonia mihoatra ny teo aloha, indrindra tamin'ny nanohanan'i Washington ilay governemanta vaovao ao Kiev. Toa niova ny resadresaka tamin'ny aterineto raha nanomboka nanao adihevitra ilay mpanoratra mpanetry tenanareo ao amin'ny RuNet Echo, momba ny hoe fihantsiana fanavakavahana an'ilay metisy Afrikana-Amerikana voalohany lasa filohan'i Etazonia ve iny takelaka lamba iny. Hita tokoa mantsy fa tsy vahiny amin'ny fananihaniana mampitaha ny Filoha Obama amin'ny gidro ireo Rosiana mpampiasa Twitter, tahaka ny famerenana bitsika nahamenatra nataon'ilay solombavam-bahoaka ao amin'ny Douma, Irina Rodina, nandefa sary nasiana fanovàna an'ny fianakaviana Obama, mijery akondro sy milendalenda fatratra. 

Nampisy famerenana fandefasana lahatsoratra avy aminà olona efa ampolony ireo bitsika maro ny maha-fanavakavahana ilay takelaka lamba, tao anatin'izany i Shaun Walker ao amin'ny Guardian, i Andrew Weiss ao amin'ny Fikambanana Carnegie, ary na dia i Toomas Ilves filoha Estoniana aza. Ampolony hafa koa, matetika soratra avy any Rosia, no nanohitra ilay hevitra hoe fanavakavahana ny dikan'ilay famantarana, tamin'ny fanazavàna fa zavatra hita matetika amin'ny resaka fitsikeràna politika ny fananihaniana momba ireo “gidro telon'ny fahendrena”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.