Mitohy Mahafaty Olona Ny Daroka Baomba Barika Ao Syria Na Dia Eo Aza Ny Fiampangana Iraisam-pirenena

A screenshot of a YouTube video by  SyrianZero reportedly showing barrel bombs dropped by the Assad regime.

Pikantsary tao amin'ny lahatsary YouTube navoakan'ny SyrianZero izay voalaza fa mampiseho ny baomba barika araràky ny fitondran'i Assad.

Raha mitodika ao Gaza avokoa ny sain'izao tontolo izao, mitohy mamoy ny ainy ireo olona marobe ao Syria, raha nandraraka barikam-baomba tao amin'ireo faritry ny sivily ambenan'ny tafika te-hanongana ny filoha Bachar al-Assad ny governemanta.

Nitondra fandravaravana tamin'ny ady an-trano tao amin'ny firenena Afovoany-atsinanana ireo fitaovana mahery vaika, namboarina tamin'ny barikan-tsolintany lehibe, tavoahangin'entona sy sinin-drano nofenoina baomba sy potipoti-by tonta. Tsy i Syria no namorona ny fitaovam-piadiana DIY [“do it yourself” = ianao ihany no manamboatra azy], saingy nanjary anisan'ny tao amin'ny Wikipedia ny voambolana baomba barika tamin'ny volana Novambra 2013, herintaona mahery taorian'ny nampiasan'ny governemanta azymatetika.

Enab-Baladi, vondron'olo-tsotra mpitati-baovao ao Syria, nilaza tamin'ny fiandohan'ny volana Febroary fa barikam-baomba 100 no nararaka tao an-tanànan'i Darayya tao anatin'ny herinandro, ary nahafaty olona 18 :

Barikam-baomba maherin'ny 100 no nararaka tao Daraya tamin'ny herinandro lasa, araka ny filazan'ny gazety revolisionera ao amin'ny faritr'i Daraya, Enab Baladi pic.twitter.com/NuJycrq7UW #Syria

Tamin'ny faran'ity volana ity, nandray fanapaha-kevitra miantso ireo mpifanandrina rehetra amin'ny ady ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana mba hampitsahatra ny fampiasana baomba barika. Tsy nihaino izany anefa ny governemanta syriana – nitatitra ny Human Rights Watch tamin'ny 30 Jolay fa nahita toerana rava vaovao 650 nanomboka tamin'ny  fiantraikan'ny barikam-baomba tao amin'ny faritra ao an-tanànan'i Aleppo ambenan'ireo vondrona mpioko.Hita ao amin'ny habaka ny sary natambatambatra misy ireo faritra lasibatra taloha sy taorian'ny daroka baomba.

Nisioka ny sarintanin'ireo toerana nolazain'ny fikambanana fa nadrarahan'ny governemantan'i Assad barikam-baomba ny talen'ny media Eoropeana ao amin'ny Human Rights Watch, Andrew Stroehlein. Toa nandrakitra fanafihana barikam-baomba tao Syria teo amin'ny 80 teo ihany koa ny lisitra ao amin'ny Wikipedia.

#Syria baomba barikan'ny governemanta  mihantsy ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana: toerana rava vaovao 650 no voarakitra http://t.co/khA8gBw9mq pic.twitter.com/c5U5Rr7y4V

Niditra tamin'ny taona fahatelony tamin'ny volana Martsa ny ady nihoso-drà ho fifehezana an'i Syria teo amin'ireo tafika mankatò ny filoha Al-Assad sy ireo vondro-tafika manohitra ny fitondrany. Olona maherin'ny 170 000 no namoy ny ainy nandritra ny ady, izay nanomboka tamin'ireo fihetsiketsehana manohitra ny governemanta nandritra ny fihetsiketsehana Lohataona Arabo manerana ny faritra.

Niampanga ny governemanta ho manatontosa fanafihana an-jambany amin'ireo sivily ny Firenena Mikambana sy ny fikambanan'ny zon'Olombelona. Niatrika fiampangana tahaka izany ihany koa ireo vondrona mpioko, saingy tokana amin'ny fampiasany baomba barika ny fitondran'i Assad.

Bilaogy malaza Brown Moses, izay nanaraka akaiky ny ady an-trano Syriana, Richard M. Lloyd, mpanolo-kevitra momba ny teknolojia ao amin'ny Laboratoara Tesla Inc, nanadihady ny teknolojian'ny baomba barika tamin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2013 :

[…] The main objective of the Syrian barrel bomb program is to provide cheap and lethal damage on urban areas in Syria.

[…] These early barrel bomb weights are around 100-300lbs (45-140 kg) and are ignited using fuse wicks. The soldier lights the fuse wick using a cigar because the wind would blow out a match or lighter.

[…] The single-shot bomb probability of success is 37.5%, which means it would require five bombs to achieve one successful explosion.

[…] The Syrian government over the last year has significantly increased it's barrel bomb sizes from hundreds of pounds of explosive to 2000 pounds (900 kg) of explosive.

[…] Ny tanjona voalohan'ny fandaharan'asan'ny baomba barika Syriana dia ny hampiteraka fahavoazana goavana sy mahafaty ao amin'ireo faritry ny renivohitra ao Syria.

 […] Milanja eo amin'ny 100-£ 300 (45-140 kg) eo ireo baomba barika tamin'ny voalohany ary narehitra amin'ny fampiasana tsipoapoaka. Mandrehitra tsipoapoaka amin'ny sigara ny miaramila satria mety hotsofin'ny rivotra ny afokasika na ny brike.

 […] 37,5% no mety ho fahombiazan'ny tifitra baomba tokana, izay midika fa mila baomba dimy raha te-hahavita fipoahana mahomby.

     […] Nampitombo miharihary ny haben'ny baomba barikany ny governemanta syriana tamin'ny taon-dasa ka ny fipoahana an-jatony kilao dia niakatra hatramin'ny fipoahana 2000 livra (900 kilao) .

Voalaza fa naka sary nandritra ny fotoana nandrarahan'ny angidimbin'i Assad ny baomba barika tao Darayya tamin'ny volana Janoary 2014 ity lahatsary eto ambany ity izay nalefan'ny vondrona SyrianZero tao amin'ny YouTube ity, ahitana dikan-tsoratra amin'ny teny Anglisy ary nadika tamin'ny teny Arabo. Mampiseho hetsika fanavotana lehilahy iray nihitsoka tao anaty korontan-trano rava sy ireo mpioko mandrahona hamalifaty an'i Assad ny lahatsary [Tandremo: mampihoro-koditra ny sary]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.