Koblyakov, Rosiana-Frantsay, Mpikatroka Mafàna Fo Sady Mpanohitra, Nosamborina tao Bolgaria

Nikolai Koblyakov, Russian entrepreneur and opposition activist in Paris, is detained in Bulgaria on an extradition request from Russia

Voatàna any Bolgaria noho ny fangatahan'i Rosia ny hampodiana azy i Nikolai Koblyakov, Rosiana mpandraharaha sady mafàna fo mpanohitra tao Parisy

Ny 29 Jolay 2014 teo, voasambotra tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena tao Sofia, Bolgaria i Nikolay Koblyakov, mpanangana ny “Free Russia” (Rosia Afaka), izay efa an-taona maro no nikarakara hetsi-panoherana manohitra ny fitondran'i Poutine tamin'ny fiarovana ny “Pussy Riot” ary fanohanana ny Rosiana mpanohitra, poretin'i Kremlin. Mizaka zom-pirenena roa i Koblyakov, Rosiana sy Frantsay, saingy tandindonin'ny fandroahana ho any Rosia avy ao Bolgaria.

Nilazàna  ny masoivoho Frantsay ary efa nifandray tamin'ny manampahefana Bolgara, saingy tsy manana fanampim-baovao hafa na antsipirihany mikasika izay manjo an'i Koblyakov aloha hatreto.

Tao amin'ny pejiny ao amn'ny Facebook, nanoratra [bg] i Asen Genov, Bolgara mpikatroka mafàna fo, hoe didy fampisamborna navoakan'ny biraon'ny Interpol Rosiana ao Maosko tamin'ny 1 Aprily 2014 no nisamborana an'i Koblyakov. Sahala amin'ny tsy mitovy amin'ireo biletà mena famoaka rehefa mampanao fisamborana irasam-pirenena ilay didy, fa fangatahana mivantana avy amin'ny biraon'i Maosko.

Toy ny salama tsara ny fahitàna an'i Koblyakov ary nilaza izy fa voakarakara tsara. Mitranga ao anatin'ny fifanenjanan'ny Eoropeana sy Rosiana momba ny raharaha Okraina izao fisamborana azy izao, toe-draharaha iray izay toy ny felaka tehamaina nomen'i Bruxelles ho setrin'ny andian-tsazy nanjo ny roa tamin'ireo mpiara-miasa amin'ny Filoha Poutine tamin'ny 30 Jolay 2014

Ny 1 Aogositra 2014, nisy hetsi-panoherana iray nokarakaraina ho firaisankina amin'i Koblyakov tao Sofia renivohitra Bolgara, teo anoloan'ny Lapan'ny Fitsaràna ao Sofia.

A supporter of Koblyakov in Sofia brings a poster against Russian Foreign minister, Sergei Lavrov https://www.facebook.com/atchobanov/posts/10154393853830510

Mpanohana an'i Koblyakov tao Sofia nilanja sorabaventy miteny manohitra ny Ministry ny Raharaham-Bahiny Rosiana, , Sergei Lavrov

Raha mba nampodianao mantsy Lavrov, mitady azy any ho any ry zareo https://www.facebook.com/atchobanov/posts/10154393853830510

Nisy fanangonan-tsonia natombok'ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro ny zon'olombelona, nomeny lohateny hoe “Lavina ny fampodiana any Rosia an'i Nicolay KOBLYAKOV, mpikatroka mafàna fo ho an'ny zon'olombelona!”.

Ny alin'ny 1 Aogositra, nanambara [bg] tao amin'ny pejiny Facebook ny tranonkalam-baovao Bolgara tsy miankina “Bivol” fa navotsotra i Koblyakov, saingy mbola ombàna fepera sasantsasany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.