Enjika Mpamosavy [Hazalambo] Elektronika ao Bahrain, Israely sy ny ISIS

A photograph from www.B4BH.com calling  people who have any information about the child in the picture to share it in a campaign to reveal "traitors" in Bahrain.  The website, part of the electronic witch hunt which followed the Bahrain protests in 2011,  is called "Pictures of traitors of Bahrain" http://b4bh.com/album/categories.php?cat_id=441

Sary ao amin'ny www.B4BH.com miantso ny vahoaka izay manam-baovao momba ilay ankizy ao amin'ny sary mba hizara izany amina hetsika manondro ireo “mpamadika” ao Bahrain. Antsoina hoe “Sarin'ireo mpamadika ao Bahrain” ny habaka,  anisan'ny hazalambo elektronika ireo nanaraka fihetsiketsehana tao Bahrain tamin'ny taona 2011.

Izao no famaritan'ny rakibolana Collins amin'ny teny Anglisy ny “witch-hunt” (ara-bakiteny: “mihaza mpamosavy” fa mitovy dika amin'ny hoe hazalambo) :

a rigorous campaign to round up or expose dissenters on the pretext of safeguarding the welfare of the public.

Fanentanana henjana hanangonana sy hampirantiana ireo mpanohitra ka natao hono izany ho fiarovana ny vahoaka

Amin'ny Rakibolana kosa, tamin'ny fotoana nandikana ny lahatsoratra, dia mamaritra ny hazalambo toy izao :

Fikarohana hatraiza hatraiza ary amin'ny fomba rehetra sy tsy ananana indrafo ny olona na vondron'olona manokana tadiavina sy hosamborina.

Ara-tantara, ny fanenjehana mpamosavy dia milaza ireo fitsarana heloka bevava mifandraika amin'ny ahiahy famosaviana na asan-devoly. Ao amin'ny bokiny “Extraordinary Popular Delusions and the Madness of Crowds,” [‘Hadisoam-piheveran'ny vahoaka sy ny hadalan'ny tangoron'olona’] ilay mpanoratra gazety Ekosey Charles Mackay fa “an'arivoarivony” ny [olona] namoy ny ainy tamin'ny fitsarana mpamosavy tsy mitady afa-tsy porofo tsy dia misy dikany nefa koa matetika natao hamahana ny ady eo amin'ny mpiray vodirindrina na mpiara-miasa.

Nampiasaina nandritra ny vanim-potoanan'ny McCarthyism na ny tahotra mena andiany faharoa izay nanatontosan'ny Senatera Joseph McCarthy hetsika hiadiana amin'ireo mety ho mpanohana ny kaomonisma izany voambolana izany.

Tamin'ny ady tao Gaza, maro ireo naneho hevitra manohitra izany tao amin'ny media sosialy. Tsy mahagaga raha nanatontosa hetsika mitovy amin'ny fanenjehana mpamosavy [hazalambo] na maccarthysme ny vondrona iray mba hanondroana ireo “mpamadika” – na ny Israeliana manohitra ny ady. Mpanoratra Israeliana ao amin'ny Global Voices, Elizabeth Tsurkov nisioka hoe :

Mangataka amin'ny Israeliana mba handefa ho azy ireo ny sarin'ireo mpamadika [ireo izay manohitra ny ady] ny milisy avy ao amin'ny ankavanana ‘Ny Aloky Ny Liona’ http://t.co/w0Nb9MeSmD

Tsy mahagaga ihany koa ny vondrona Jihadista, Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS), izay nibodo tao Iraka manodidina an'i Mosul tamin'ny volana lasa, raha nanomboka nanao hetsika antserasera mba hamantatra ireo “nihemotra tamin'ny finoana”. Tao amin'ny kaonty Twitter izay milaza fa mitondra ny tenin'ny ISIS, sary iray nisioka ireo olona hovonoina ho faty satria nihemotra tamin'ny finoana izy ireo:

Valifaty, valifaty ! Ny famadihana tao amin'ny faritra Shaitat ao amin'ny distrikan'i Alkhair [fiantsoan'ny ISIS an'i Dair Alzur ao Syria], sarin'ireo sasany karohina (1)

Namoaka ny lisitra misy ireo nihemotra tamin'ny finoana 2000, ary miantso ny hamonoana azy ireo ny kaonty hafa mampiasa fango (logo) mitovy ny an'ny ISIS ary misioka fanohanana azy :

Rohy misy ny anaran'ireo olona 2.000 izay hotsaraina araka ny sitrapon'Andriamanitra #Islamic_State_of_Iraq_Sham

Tao anatin'ny andro vitsivitsy, nisy ireo andian-dahatsary mampihoro-koditra avy amin'i Irak izay mampiseho ny fanapahan-doha ataon'ny ISIS amin'ireo olona avy amin'ny vitsy an'isa sokajiana fa “nihemotra tamin'ny finoana”.

Efa nisy tao amin'ny media sosialy teo aloha ity fanenjehana mpamosavy [hazalambo] maoderina mizotra ao amin'ny sehatra virtoaly ity: nitarika fisamborana sy fampijaliana olona am-polony maromaro tao Bahrain izany. Tamin'ny taona 2011, nanatri-maso fitroaram-bahoaka narahana famoretana nihoso-drà ity nosy madinika manankarena solitany ity. Ankoatra ny famoretana, nangatahana ireo vahoaka mba hanome ny anaran'ireo “mpamadika” ary hizara ny sarin'izy ireo. Nandritra ity fanenjehana mpamosavy [hazalambo] ity, nisioka tamin'ireo mpanjohy azy ny solombavambahoaka teo aloha, Mohammed Khalid :

Miantso ny olo-mana-kajan'i Alfatih [moskea manamarika ireo vahoaka mpanohana ny governemanta ao Bahrain] aho mba hamoaka ny sarin'ireo mpamadika izay nipoitra tamintsika toy ny voromailalan'ny fandriampahalemana amin'ny fifampiresahana kanefa amboadia mpihiakiaka nandrava ny firenena.. tsy hamitaka antsika intsony izy ireo

Nanomboka nandefa ny sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny pejy marobe ary miantso ny olona mba hamantatra azy ireo. Vokatr'izany, marobe ireo olona nosamborina rehefa hita tamin'ny sary ny tavan'izy ireo. Na dia ny fahitalavi-panjakana aza mba nandray anjara tamin'ny hetsika ihany koa.

Manazava ny zava-misy ny Dokotera Bahrainita Jalal Almosawi nisioka hoe:

(Nitambatra mba hamoaka ny momba an'ireo mpamadika) [pejy facebook nofafana rehefa marobe ireo olona hita sy nosamborina] Na iza na iza manana ny sarin'ny namana mpiara miasa aminy mamela azy handefa izany. Aiza ny fitandroanao ny voninahitrao? Lavanty hoan'ny fikorosifahan'ny fitondrantena izany.

Mbola misy ireo pejy habaka ahitana ny “sarin'ireo mpamadika” mba hamantaran'ny olona azy ireo ao Bahrain. Tsy nisy ny fepetra noraisina hoan'ireo nanangana, nampiroborobo na nandray anjara tamin'ity hetsika ity. Nitombo nanomboka tamin'ny taona 2011 ny fanenjehana mpamosavy [hazalambo] , efa misy ankehitriny ny rindrambaiko fitsikilovana ampiasaina hamantarana ireo mpisera Twitter sy Instagram ary hisamborana azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.