Miady Amin'ny Zavon-tSetroka Amin'ny Alalan'ny Fitaovana Antserasera Vaovao Fanarahamaso Afo i Indonezia

Main page of the Global Forest Watch-Fires online tool

Pejy fandraisana ao amin'ny fitaovana antseraseran'ny Global Forest Watch-Fires

Noho ny afo avy amin'ny doro ala sy fandoroana ny voly voanio amokarana menaka ao andrefan'i Indonezia no antony lehibe mampisy zavon-tsetroka isan-taona ao amin'ny faritra Atsimo-atsinanan'i Aziatika. Niantraika tao Singapore sy Malayzia, izay mifanakaiky ny faritany Indoneziana ao Riau, ‘toerana voalohany’ anjakan'ny doro ala ihany koa ny loto avy amin'ny zavon-tsetroka.

Mba ahafahan'ireo mpamono afo mamonjy haingana ny doro-ala sy doro-tanety, natsangana ny fitaovana  antserasera fanarahamaso afo amin'ny alalan'ny fampiasana vaovao ara-potoana

Ny fitaovana antserasera Global Forest Watch-Fires (GFW-Fires) dia mampiasa “tahiry ara-potoana azo amin'ny zanabolana avy amin'ny rafitra Fanarahamaso Afo an'ny NASA, sary zanabolana avo lenta, sarintany antsipirahany mandrakotra ny tany sy fanomezan-dalana ireo tany famokarana be velarana hamokarana mena-boanio sy ditin-kazo, ijerena ny toetry ny andro sy ny kalitaon'ny rivotra mba hanarahana ny mety ho fisian'afo.

GFW-Fires can empower people to better combat harmful fires before they burn out of control and hold accountable those who may have burned forests illegally.

Afaka mandrisika ny olona hiady amin'ny afo mampidi-doza ny GFW-Fires alohan'ny irehetan'izy ireo tsy ho voafehy sy hanomezana tsiny ireo izay mety nandrehitra tsy ara-dalàna ireo ala.

Ny World Resources Institute (Ivon-toeran'ny Harena Manerantany), DigitalGlobe, ny governemanta Indoneziana, Google sy ny Esri no namolavola ilay fitaovana.

Screenshot of the online map showing forest fire cases in Southeast Asia

Pikantsary tamin'ny sarintany antserasera mampiseho ireo tranga doro-ala ao Azia Atsimo-atsinanana.

Nandritra ny antsafa niarahana tamin'ny FutureGov, nanazava ny maha-tokana sy ny lanjan'ny sehatra GFW-Fires i Andika Putraditama avy ao amin'ny World Resources Institute (Ivontoeran'ny Loharanon-Karena Manerantany):

While there have been other fire monitoring tools in the past, the GFW-Fires system is unique because it combines data, such as hotspots, wind direction, land shape and features, and concessions [forestry licenses], on a single platform.

Na dia efa nisy aza ireo fitaovana fanarahamaso afo teo  aloha, tokana ny rafitry ny GFW-Fires noho izy mamondrona tahiry ao anaty sehatra tokana, tahaka ny toerana mafana, ny lalan'ny rivotra, ny endrika sy ny toetry ny tany, ary tany be velarana famokarana [momba ny ala].

Voalaza fa nampihena ny fotoana ilain'ireo mpamono afo hamonjena izay fitrangàna afo ny GFW-Fires, ka nidina mankany amin'ny adiny 2 hatramin'ny adiny 4 ora ny adiny 20 teo aloha.

 

Satellite image showing a burning palm oil plantation.

Sarin'ny zanabolana mampiseho fahamaizana voly mena-boanio.

Niadihevitra mikasika ny fampiasana sary Digital Globe mety hanampy hamantarana ny antony niavian'ny afo ao an'ala sy ao an-tanety i Nigel Sizer, James Anderson sy Josh Winer:

Access to this super-spectral, very high resolution satellite imagery provides us with rare insight into the fires. …You can see down to the individual tree level and even identify species…Even the flames of active fires can be clearly seen together with their smoke plumes and the resulting haze.

Manome antsika fijery tsy mahazatra amin'ny afo ny fidirana amin'ity , sary zanabolana avo lenta tanteraka manome tsirim-pahazavana goavana ity…Afaka mijery ambany ireo ala mitovy tantana amin'ny olombelona ary mety hahafantatra karazan-javatra ianao … Na dia ireo lelafo aza afaka jerena miaraka amin'ny setroka sy ny zavon-tsetroka aterak'izany.

Antenaina fa hampihena tokoa ny fihanaky ny doro-ala sy ny loto ateraky ny zavona izay efa nitarika fahavoazana marobe eo amin'ny tontolo iainana, ny toekarena, sy ny fahasalaman'ireo mponina an-tapitrasany ao amin'ny faritra ity fitaovana izay efa eo am-perinasa sy azo jerena toy ny tahiry misokatra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.