Fiaingana Ara-Teknolojika Vaovao Hoan'ny Firenena Umoⁿhoⁿ

omahaflag

Sary nahazoan-dalana .

Fanamarihana avy amin'ny Rising Voices: Nosoratan'i  Valita Stabler mitarika ny tetikasa “Against the Current” (Manohitra ny ankehitriny), ao Atsinanan'i Nebraska ao Etazonia ity lahatsoratra miresaka tetikasa nahazo vatsy ity. 

Ayoni (miarahaba!),

Izao no Fiaingana ara-teknolojika mampientanentana antsika. Na dia efa nampiasa teknolojia nandritra ny taona maro sy hatramin'izao aza isika amin'ny ezaka fameloman-teny, dia mbola tsy nandingana tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny tontolon'ny media sosialy mihitsy hampielezana ny fampianarana.

Iza “izahay?”

Title VII language department staff that will serve as mentors and teachers during the recording process.

Mpiasan'ny departemantan'ny teny Title VII izay ho mpanolo-tsaina sy hampianatra mandritra ny fizotry ny fandraketana.

Vondron'olona vitsivitsy natao handrakitra ny teninay izahay. Amin'ny maha-mpitari-dalana anay amin'ity tetikasa miavaka ity, hirona any amin'ny fahaizana sy ny traikefan'ireo izay efa mpialoha lalana momba ny ezaka ataonay ao amin'ny faritra aho amin'ny fandraketana sy ny fampianarana ny teninay – ny Departemantan'ny Teny sy ny Kolontsaina Title VII  (L & C) ao amin'ny sekolin'ny faritra misy anay. Nisantatra ny fampandrosoana ny fandaharam-pianarana momba ny teny hoan'ny garabola hatramin'ny kilasy faha-12 amin'ny rafi-pampianarana ity departemanta miavaka ity. Amin'ny alalan'ny taridalana avy amin'ireo zoky marobe nandritra ny taona maro, manohy mamorona sy mamolavola fitaovam-pampianarana teny hoan'ny tanora ny departemanta L & C.

Foko vitsy an'isa ahitana olona an'arivony monja ny Firenena UmoNhoN misy anay. Maro amin'ireo mpikambana ireo no tsy monina maharitra ao amin'ny toerana nanokanana olona sy tsy mba manam-potoana nihainoana ny teny nentim-paharazana nampiasaina. Amin'ireo olona azo isaina amin'ny ratsa-tanana sisa mahafehy tsara ny teny, fotoana tsy hananam-piry ho anay monina maharitra ao ihany koa izao, raha tsy hoe manana olona mahafehy tsara ny teny monina ao an-tranonay, mety afaka mandre tokoa ny teninay ampiasaina mandritra ny lanonana ihany koa izahay.

Ao anatin'ny fahamehana tokoa izahay mba handrakitra an-tahiry sy handray feo. Mikendry hameno ny banga sy hahazo mpihaino betsaka kokoa ity tetikasa ity. Hifantoka amin'ny famoronan-dahatsary maneho ny resaka andavan'andro izay azo ampiharina eo amin'ny olona roa na maromaro ny ezakay. Resy lahatra tanteraka izahay fa ny ezaka  famerenana ny teny UmoNhoN nentim-paharazana dia tokony ho lasa lavitra mihoatra ny fampianarana voambolana tokana. Ny tanjon'ity tetikasa ity dia mampahafantatra ireo mpianatra ny ilàna ny firesahan'olon-droa.

Vao avy nanafatra fitaovana izay ho tonga amin'ny herinandro ambony izahay. Ny tanjonay mialoha ny fiafaran'ny herinandro dia ny hahavita fandraketana voalohany hivoaka sy hozaraina ao amin'ny Facebook, Instagram, Twitter ary YouTube. Hampahafantarinay anao ny vaovao momba izany.

Mirary soa hoan'ny rehetra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.