Shina No Manara-maso Ny Aterineto Dia Ny Vahoaka No Manefa Ny Sarany

Ny lahatsoratra voalohany nosoratan'i Michelle Fong ary navoaka tamin'ny fiteny Shinoa ny 16 Jolay 2014. Jennifer Cheung no nandika azy ho amin'ny fiteny Anglisy ary navoakan'ny Global Voices ao anatin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

There are around 2 million Internet public opinion analysts  in China. Image from Voice of America.

Misy eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny mpandalina ny hevitry ny daholobe ety anaty aterineto ao Shina. Sary avy amin'ny Voice of America.

Misy angon-drakitra vaovao mampiseho fa mety hanana asa tena malaza indrindra ao Shina ireo “mpandalina ny hevitry ny daholobe ety anaty aterineto”, na avy amin'ny fanjakana izy na avy amin'ny sehatra tsy miankina. Ary dia mitombo haingana be tokoa ilay sehatra. 

Samihafa amin'ny “antoko Fifty-Cent” izay tomponandraikitra amin'ny fampanarahan-jotra ireo fanehoankevitry ny daholobe amin'ny alàlan'ny fanoratana fanehoankevitra ety anaty aterineto na famafàna lahatsoratra, mampiasa rindrankajy anaty solosaina ireo mpandalina ny hevitry ny daholobe ety anaty aterineto ireo, mba hanarahana maso ireo tranonkala rehetra mpampiantrano tambajotra sosialy, hanangonana ny fomba fijery sy fihetsiky ny mpisera, hanambatambatra ireo tatitra sy hanolotra ireny tatitra ireny amin'ireo mpandray fanapahan-kevitra.

Araka ny The Beijing News, manodidina ny 2 tapitrisa ireo olona ao Shina amin'izao fotoana izao no miasa ho toy ny mpandalina ny fanehoankevitry ny daholobe, tafahoatra ny isan'ireo 1,5 tapitrisa mpitandro filaminana mitam-piadiana amperinasa ao Shina. Sina, iray amin'ireo goavana indrindra mpamatsy votoaty ety anaty aterineto ao Shina, no nanipika ny haben'ny fandraharahàn'ny orinasa mpanao fanarahana maso ny aterineto dia mety hahatratra ny zato lavitrisa Yuan, miaraka aminà fitàran'ny tsena, manodidina ny 50% isan-taona.

Ireo mpandoa hetra no miantoka ny fandanian'ny rafitra fanaraha-mason'ny governemanta.
Saingy raha ny fironana dia mahita ihany koa vesatra ara-ketra henjana manjo ny vahoaka, satria noho ny filan'ny governemanta “fikolokoloana ny fahamarinan-toerana” no namoronana ny tsena ho an'ireny mpandalina ny fanehoankevitra ireny. Mandany volam-bahoaka tsy hita noanoa amin'ny fanarahana maso ny fanehoankevitra ireo masoivohon'ny governemanta amin'izao fotoana izao. Matetika mihitsy, mampanao asa an'ireo orinasa tsy miankina fa manam-pifamatorana aminà antoko politika ry zareo, fandaniana iray izay ny vahoaka mpandoa hetra no milanja ny vokany rehefa atao ny kajy farany.

He Qinglian, mpampianatra toekarena sy sosiolojia eny amin'ny anjerimanontlo, dia niantso azy io ho “indostria fikolokoloana ny fahamarinan-toerana”, nomena endrika hanampiana ny governemanta hanenjana bebe kokoa ny ampihimamba atao amin'ny fanehoankevitry ny daholobe ety anaty aterineto. Araka izay indrindra, narafitra izy io mba hahitàna fa niofo ho toekarena madiorano ny “fikolokoloana ny fahamarinan-toerana”, miaraka amin'ny filàn'ny tsena noforonin'ny governemanta, drafitra fandraharahàna ho an'ny tsy miankina mba hanompoany ny governemanta, ary sàta vaovao maha-matianina, izay olon'ireo antoko mpiara-miasa no manome azy, toy ilay Sampana Fanarahana Maso Ny Fanehoankevitry ny Daholobe.

“Fikolokoloana ny fahamarinan-toerana” amin'ny alàlan'ny tarehimarika
Ny Sampana Fanarahana Maso Ny Fanehoankevitry ny Daholobe ao amin'ny gazety “The People’s Daily” , mifamatotra amin'ilay gazety anaty aterineto The People’s Daily an'ny fanjakàna, dia noforonina tamin'ny 2008, ka ny tanjony dia ny hanangana rafitra feno kokoa ho fanarahana maso ny fanehoankevitry ny daholobe ety anaty aterineto mba handrefesana ny fahatsapan'ny vahoaka.  Voalohany indrindra dia manara-maso ireo fanehoankevitry ny daholobe momba ny asan'ny governemanta izy io, mamokatra gazetiboky toy ny “fanehoankevitry ny olona ety anaty aterineto” sy ny “Manampy Ny Mpitarika Hahatakatra Ny Aterineto”, sady mametraka sehatra fanarahana maso ny aterineto sy ny tatitra ataon'olon-tsotra. Mety mahatratra 200 tapitrisa yuans ny vola miditra isan-taona aterak'io indostrian-dry zareo momba ny fanehoankevitry ny daholobe io.

Vao haingana ny andiany fahadimy amin'ny kilasy fanofanana ao Beijing momba ny resaka fanehoankevitry ny daholobe ety anaty aterineto no nandefa filazana fandraisana fisoratana anarana, izay mety hiteraka fisoratana anarana mirarak'ompana. Namoaka Taratasy Fisoratana anarana ny Lefitry ny Sekretera Jeneralin'ilay Sampana Fanarahana Maso Ny Fanehoankevitry ny Daholobe, nilazàny fa sandaina 7800 yuans (eo amin'ny 1260 dolara amerikana eo) ny dimy andro amin'ilay fanofànana, izay mitsinjara ho 3890 yuans ho an'ny vola fandoa ho amin'ilay fiofànana ary saram-pianarana ny 3820 yuans ambiny. Misy ihany koa 2000 yuans saran'ny fampiantranoana. Misy ny lisitry ny talen'ireo departemantan'ny antoko na ny andrim-panjakana voakasik'izany isaky ny dingana rehetra kendrena amin'ilay fanofànana. Fitiavan-tena araka izany no misy amin'ilay fandraharahan'ny fikolokoloana ny fahamarinan-toerana raha atontaly.

Misy maherin'ny 800 ankehitriny ireo orinasa mpamokatra rindrankajy sy fanarahamaso ny fanehoankevitry ny daholobe ao Shina, miaraka amin'ny isa tsy mitsahatra misonga hatrany. Ny Ivontoerana Fikarohana Momba ny Fanarahana Maso ny Fanehoankevitry ny Besinimaro ao Shina dia naminavina ny tsenan'io fanarahana maso ny fanehoankevitry ny olona io ho fandraharahana mikirakira yuan an-jatony lavitrisa maro. Satria koa ny filàn'ny governemanta no tena manosika ny firoboroboan'izy io, dia tsena midadasika no tsy maintsy sahanin'ilay indostria, miaraka amin'ny salan'isam-piroboroboana maherin'ny 50% isan-taona.

Araka ny vaovao ampitain'ilay seha-panjakana Shinoa, misy eo amin'ny 200 eo ireo nanao tolotra ho amin'ilay “Rafitra Fanarahana Maso ny Fanehoankevitry ny Daholobe”. Miainga avy any amin'ireo ministeran'ny governemanta foibe ka hatramin'nireo fitantanana aty amin'ny rafitra ambanimbany toy ny kaominina na distrika, eo anelanelan'ny an'aliny ka hatramin'ny an'hetsiny yuans ny fandanian'ireo departemanta tafiditra amin'io fanarahana maso ny fanehoankevitry ny daholobe io, misy aza tetikasa sasany mitentina an-tapitrisa mihitsy. Etsy andaniny ny governemanta dia manohana ireo mpiasam-bahoaka ao aminy mba hahazo fanofànana mifandraika amin'izany; etsy ankilany  indray, mampiasa koa izy olona mpandalina ety ivelany sy rafitra mifandraika amin'izany mba hananganany tambajotra iray goavana ho amin'ny tombontsoany.. 

Fanandratana ny fampielezankevi-panjakana ao anatin'ny “vanim-potoanan'ny ‘microphone’ an'ny rehetra”.
Tanaty tafatafa niarahana tamin'ny Radio Free Asia, nofariparitan'i Zan Aizong, mpanoratra amin'ny anaran'ny tenany, monina any amin'ny faritanin'i Zhejiang, ho toy ny “Zokiben'ny Antoko Fifty-Cent” ireo atao hoe mpandalina ny fanarahana maso ny fanehoankevitry ny daholobe ety anaty aterineto, tamin'ny fanamarihana fa marobe tany amboalohany no niasa nitàna toerana vonjimaika tao amin'ny governemanta tamin-javatra tahakahaka izany. Nanohy izy :

“Ankehitriny ny governemanta dia manome rafi-panofànana feno ho azy ireo, sertifikà sy laharam-boninahitra ofisialy, ahafahan'ireo mpiasa an-tselika ho lasa mpiasa raikitra. Azon'ny governemanta ampiasaina ho hitam-bahoaka ihany koa ny vola ho fikolokoloana ny fahamarinan-toerana, mba hanangànana departemanta sy hanakaramàna olona mifanaraka amin'izany”

Nanazava i Zhu Hua, sekeretera jeneralin'ny Sampana Fanarahana Maso ny Fanehoankevitry ny Daholobe Ao amin'ny gazety “People's Daily”, tao amin'ny Vovonana faha-13 momba ny Media sy Aterineto tao Shina fa anjara toerana raisin'ireo mpandalina ny fanehoankevitry ny daholobe ny fanomezam-baovao mikasika ny fihetsehampon'ny olona ety anaty aterineto mikasika ny governemanta sy ireo vondron'orinasa, mba hanatsaran'izy ireny ny fomba fitantanany, ny fomba fiasany sy ny sary ivelany hitan'ny olona. Ny tanjona, araka ny ametrahan'i Zhu azy, dia ny hanandratana ny fampielezankevitra izay hanampy hahazoana fandresena ao anatin'ny “ady anaty akata” manohitra ny fiakaran'ny “vanim-potoanan'ny ‘microphone’ an'ny rehetra”.

Fakàna hevitra:

NetEase: Beijing fifth internet public opinion analysts training open to enrollment today
Southern Weekly: Public opinion analyst stuck between a rock and a hard place
Radio Free Asia: China tightens Internet public opinion monitoring, to develop Internet public opinion analysts
Xinhua: Public opinion business’ value and market space in the time of media transformation
Xinhua: Public opinion monitoring improves the nation’s governance and modernisation
Sina: Dancing with big data, Huangsheng & SEEC develop public opinion monitoring business

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.