Tsy Mila Ny Uber (tolotra-taxi) Intsony i Seoul, Saingy Mbola Aza Apetraka Ny Findainao

Image of Seoul taxi by Mark Zastrow (CC BY NC 2.0)

Sarin'ny taxi ao Seoul, avy amin'i Mark Zastrow (CC BY NC 2.0)

 

Noraràn'ny governemantan'ny tanànan'i Séoul, renivohitry Koreana-Tatsimo ny Uber, tambajotram-pitaterana malaza izay mampiasa fampiharana finday hifaneraseran'ny mpandeha amin'ny saoferan'ireo fiara ahofa sy ny tolotra “ridesharing” (fiarahana mandeha amin'ny fiara iray). Nilaza ireo manampahefan'i Séoul fa mametraka ny maodelin'ny fandraharahana Uber ho tsy ara-dalàna ireo fitsipika ao an-toerana mikasika ny fisoratana anarana sy ny fiasan'ireo taxi. Hoan'ny Uber kosa, tsy nangina manoloana ireo olany ao Seoul izy. Nampitandrina ny orinasa (Uber) vao haingana fa “mety hidiran-doza ny tanàna raha mbola hijanona amin'ny lasa sy taraiky amin'ny hetsika “mifampizara harena” manerantany.

Niteraka fanehoan-kevitra isan-karazany tao amin'ny media sy teo amin'ireo mpanjifan'ny tolotra-taxi ao an-tanàna ny tsy fisian'ny Uber intsony ao Seoul.

Maningana amin'ny resabe momba ny Uber ao Seoul ny Bloter.net, habaka mampivondrona mpanoratra gazety sy bilaogera mba hitatitra momba ny teknolojia vaovao. Nitsapa-hevitra[ko] mikasika ny disadisa momba ny Uber ny Bloter.net, ary nahita fa mahatonga azy hanahirana ny mijery ny raharaha eo amin'ny lafiny fijery ara-teknika sy araka ny lalàna fotsiny. Nanazava ny Bloter.net fa ny fandraharahana ara-taxi dia tsy miantraika amin'ireo saofera sy orinasan'ny taxi efa mijoroy ihany, fa miantraika amin'ireo vondrona mpiray tombontsoa, anisan'izany ny fitantanana ny tanàna, ireo sendikà, ary mazava ho azy ireo mpajifa. Tsy niresaka tsy fandoavan-ketra ny Bloter.net fa nanontany raha mahavita “mifampizara harena” tokoa ny Uber.
Manasongadina [ko] ny fomba nanimban'ny Uber ny indostrian'ny taxi ao amin'ny faritra sy ny fandrisihana amin'ny tsy fandoavan-ketra ireo fampahalalam-baovao kaonservativa – olana roa izay nampisy disadisa teo amin'ny Uber sy ny manampahefan'ny tanàna any amin'ny firenen-kafa. Ny fikambanan'ny teknolojia ao Seoul kosa tetsy andaniny naneho ny tahony fa mety hisy fiantrakany ratsy amin'ny famoronana zava-baovao hoavy sy tetikasa fananganana orinasa ao Korea Atsimo ny fandraràna ny Uber.

하지만 우버는 국내에서만큼은 이런 혁신성을 퇴색시켰다. 불법성을 감수하면서까지 렌터카와 대리운전 기사를 운전기사 공급망으로 끌고 들어왔고, 최근들어서는 용역업체를 통해 기사를 충원하고 있다[…]무면허 택시와 유사한 행태를 보이고 있다[…] 수많은 이해관계가 얽히고설킨 택시 경제를 위협하고 있다. 택시 경제는 ‘불친절의 상징’이지만 ‘퇴직자의 마지막 탈출구’이기도 하다 […] 임금 체계의 부조리를 담고 있어 언제 터질지 모르는 인화물질이다.

Tsy hita na aiza na aiza ny zava-baovao entin'ny Uber, eto Korea Atsimo farafaharatsiny. Na dia eo aza ny olana araka ny lalàna, mbola nampiasa ireo saofera sy fiara ahofa amin'ny asany mahazatra ny Uber, ary mbola mitady saofera any amin'ny sampan-draharaha fitadiavana mpiasa mihitsy aza ny Uber amin'izao fotoana izao […] Raha ny marina, dia mitovy tanteraka amin'ny tolotra taxi tsy ara-dalàna (papango) ny orinasa ankehitriny. […] Nanimba ny fidiram-bolan'ny taxi, izay mbola mifandrirotra ao anatin'ny olany sy ny fiadiana tombontsoa ao anatiny ihany koa, ny Uber. Ratsy laza noho ny fahasiahan'izy ireo amin'ny mpanjifany ny mpisaofera Taxi [ao Korea], saingy anisan'ny ‘fara-vonjin” ny olona ihany koa izy ireo. […] Ny fahazoana karama miorina amin'ny fahadalana tahaka izany, dia toy ny boatin'afokasika andrasana hirefotra.

Nanoratra tao amin'ny youngrok.com, namaly [ko] ny lahatsoratry Bloter.net ny bilaogera teknolojia iray, izay nilaza fa masiaka loatra ny fiampangana ny Uber.

현재의 법과 상충하는 새로운 비즈니스가 등장했을 때 그 사회가 선택할 수 있는 방법은 두 가지다. 하나는 그냥 법을 그대로 두거나, 혹은 추가로 금지하는 법안을 만들어서 금지하는 것. 두번째는 새 비즈니스를 합법적으로 할 수 있도록 법을 고치고, 세금을 징수하는 것 […] 그러니까, 우버의 합법화 논쟁에서 답해야 하는 질문은 우버가 이 세상에 해로운 비즈니스인가? 이다[…] 지금 우버가 이렇게 고객들에게 호평을 받는 것은 그동안 택시가 워낙 개떡같았기 때문이다. 택시는 이용객들도 싫어하고, 택시를 이용하지 않는 자가용 운전자도 싫어하고, 심지어 버스 승객들까지 싫어한다. 그럼 현재 택시가 이렇게 개판이고, 그 구멍을 우버가 잘 메꿔주고 있는데도 우버를 허용하면 안되는가?

Raha miroborobo ary mifandòna amin'ny lalàna ny orinasa iray, fepetra roa ihany no azon'ilay orinasa isafidianana. Voalohany, afaka miala amin'ireo fitsipika izy ireo, na manolotra lalàna fanampiny mba handraràna tsotra izao izay orinasa vaovao mety ho tonga. Ny safidy faharoa dia ny fanitsiana ny lalàna, mba handoavan'ny orinasa hetra. […] Ny tokony hanontaniantsika dia: «Mampidi-doza ny fiarahamontsika ve ny Uber?” […] Niantso ny Uber ireo mpanjifa Koreana satria latsaka an-davaka ny tolotra taxi misy ao amin'ny firenena. Halan'ireo mpanjifa izany. Halan'ireo saofera mitondra ny fiarany manokana izany (tolotra taxi). Na dia ireo mpisaofera bus aza mba mankahala izany ihany koa. Ary ny Uber ihany no mahasahana tsara ity sehatra ity. Noho izany, manoloana ny sata ankehitriny mikasika ny rafitra taxi, maninona no tsy omentsika alalana ny Uber?

Mizarazara ihany koa ny hevitr'ireo saofera taxi ao Korea mikasika ny Uber. Nilaza ny sasany fa ny raharaha taxi ao Seoul, izay mahasahana faritra midadasika araka ny tokony izy [ko], dia tsara amin'izao ahitana azy izao. Ny sasany kosa nilaza ny Uber ho manome tolotra tsara kokoa [ko] noho ireo vondrona taxi ao amin'ny faritra. Na inona na inona hevitry ny olona momba ny indostrian'ny fitaterana, misalasala momba ny tetikasa vaovaon'i Seoul hametraka fampiharana taxi mitombo isa ao an-tanàna izay mitovy be amin'ny Uber ny ankamaroan'ny mpiserasera Koreana. Mikasika ireo ahiahy rehetra amin'ny raharaha taxi rahampitso ao Korea, maro tamin'ny raharaham-panafintohinana Uber no nampiroborobo ny resaka rafitra taxi misy ao an-toerana.

Mety tsy ho afa-po izy ireo, fa mila mankatò ny lalàna misy ankehitriny ao Korea ny Uber. Na izany aza, mino aho fa hitondra fanovana hoan'ny tontolon'ny taxi – tsy hoan'ny fampiharana finday hoan'ny taxi ihany fa hoan'ny tontolo rehetra ao amin'ny firenena ity adihevitra ity. Maro be ireo fahasamihafana eo amin'ny taxi izay misy mety lafo kokoa, na saofera mahafinaritra manokatra ny varavarana hidiranao (tahaka ny an'ny Uber), ary misy koa ireo fiara mamofona sigara miaraka amin'ny saofera be resaka loatra.

Ny fanapaha-kevitr'i Seoul handràra ny Uber sy hamorona fampiharana finday solony dia mampihomehy tsotra izao. Raha misy ny tsy maha-ara-dalàna ny Uber, raha izany, mazava amiko ny antony handrarana azy. Saingy hanana ny fampiharany manokana ny tanàna ankehitriny? Inona koa ny manaraka? Handràra ny Airbnb ary hametraka ny fampiharany hotely azy manokana?

Raha ny marina, mino aho fa mifantoka bebe kokoa amin'ny fanatsarana ny fepetra ny asan'ireo saofera taxi sy ny kalitaon'ny tolotra taxi i Seoul fa tsy hiady amin'ny Uber.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.