Twitter “Manakana” Ny Fidirana Amin'ireo Mpisovoka Malaza Ratsy Indrindra ao Rosia

Twitter screen capture.

Pikantsary Twitter.

Tsy afa-miditra amin'ny @b0ltai, kaontin'ny vondrona hacker – mpisovoka – iray izay nanaporitsaka tahirin-kevitra anatin'i Kremlin hivoaka amin'ny aterineto tao anatin'ny fito volana izao, intsony ny mpisera Twitter ao Rosia. Namoaka mailaky ny mpikambana ambony ao amin'ny governemanta rosiana, ao anatin'ny tatitra momba ny toe-draharaha politika rosiana, sy ny toromarik'i Kremlin amin'ireo famoaham-baovao fahitalavitra fehezin'ny fanjakana ito vondrona hacker – mpisovoka –  ito, izay vao nolazalazain'ny RuNet Echo tamin'ny volana lasa ny mombamomba azy.

Raha nanontanian'ny RuNet Echo ny amin'ny antony nanesoran'i Twitter tsy hahafahan'ny Rosiana miditra amin'ny @b0ltai ny mpitondratenin'ny Twitter iray spokesperson dia namaly hoe, “Tsy maneho hevitra amin'ny kaontin'olo-tsotra iray izahay noho ny antony fiarovana sy resaka privé azy.” Any an-kafa, anefa, dia nanamafy ny fanakatonana ny @b0ltai amin'ny mpiserasera Rosiana ny Twitter. Twitter no iray amin'ny orinasa roa (Google ny iray hafa) namoaka filazam-pisintonana tamin'ny Chilling Effects Clearinghouse, tetikasan'ny EFF sy ireo sekoly maro hafa fampianarana lalàna, hampiroborobo ny mangarahara.

Tamin'ny 25 Jolay ny Twitter no nahazo “ny fangatahan'ny Rosiana hanakana mpisera Twitter iray” ary mipaingotra miaraka amin'izany ny taratasy avy amin'ny sampan-draharaha federaly rosiana misahana ny fifandraisana antsoina hoe Roscomnadzor. Ny taratasy dia manonona ny didy avy amin'ny fitsarana iray ao St. Petersburg, mandrara ny blaogy sy ny blaogy bitiky ny b0ltai araka ny fanenjehana ara-pitsarana nataon'olona iray tsy nitonona anarana noho ny resaka “tahirin-kevitra manokana.” Tsy dia misy inona loatra fantatra tamin'izany fanenjehana ara-pitsarana nahatonga ny b0ltai ho lasa anaty lisitra mainty izany. Araka ny voalazan'ny gazety Kommersant , samy tsy nikarakara tao amin'ny fitsarana ny fandrarana ireo hackers – mpisovoka – malaza ratsy indrindra ao amin'ny Internet rosiana na ny Fitsarana Rosiana na ny Roscomnadzor.

Raha manonona mazava tsara ny politika (lalàna) “Fitazonam-Botoaty isam-Pirenena” ao amin'ny Twitter fa mety “hihazona ny votoaty sasantsasany ao amin'ny firenena iray manokana ny orinasa tsindraindray,” raha mahazo “fangatahana azo ekena sy voamarina avy amin'ny andri[m-panjakana] mahazo alalana hanao izany, dia mbola mora dia mora ho an'ny mpisera Twitter ao Rosia ihany ny miditra ao amin'ny @b0ltai. Indrindra moa fa efa zatra sady misioka no mihodidina amin'ireo karazan-didy isan-karazany mandritra ny andro ny Rosiana. 

Tandremo! ho anareo izay te-hahita ny kaonty Twitter-n'ireo voasakana ato Rosia (@b0ltai ohatra), dia mandehana fotsiny ao amin'ny fikirakirana ny kaontinao dia ovao ny firenena misy anao ka aza atao “Rosia” na “manerantany.”

Mitendry (manindry) mafimafy in-telo monja ny miditra ao amin'ny Twitter account settings (fikirakirana ny kaonty ao amin'ny Twitter). Amin'izao fotoana izao, dia izay ihany no atao dia resy teo ny Rindrin'afo Lehibe an'i Rosia. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.