Andro Nahafatesana Olona Maro ao Gaza fa Voadaroka Ny Sekoly Velomin'ny Firenena Mikambana Iray Natao Hialokalofana

All of Kamal's family members with him at shelled UN school died. His mother, 2 brothers, sister and stepmother, tweets @sharifkouddous

Maty avokoa ny fianakavian'i [Hussein] niaraka taminy tao amin'ilay sekolin'ny Firenena Mikambana voadaroka baomba. Ny reniny, ny rahalahiny roa, anabaviny sy ny rafozambaviny, hoy ny siokan'i @sharifkouddous

Efa 800 ny Palestiniana maty ary mihoatra ny 5200 no maratra hatramin'ny nisian'ny gidragidra teo amin'i Israely sy Gaza 18 andro lasa izay. Androany [fotoana nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy] dia voadaroka baomba ny sekoly iray ahodin'ny Firenena Mikambana ao Beit Hanun, izay natao ho ivon-toeram-pialokalofana ho an'ny Gazaita, izay tsy manana toeran-kafa andosirana.

Mifampiampanga amin'izay nitifitra ny sekoly, izay nahafaty Palestiniana 15 sy naharatrana 200 mahery, i Israely sy ny Palestiniana.

Ny sekolin'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana Misahana Ny Fanampiana sy ny Asa hoan'ny Mpialokaloka ao Palestina (UNRWA) ao Gaza no fahatelo voatifitra tamin'ity herinandro ity. Raha mitombo ny isan'ny sivily maty, milaza ny miaramilan'i Israely fa efa nampitandrina ny Gazaita monina amin'ny toerana kinendry hiala amin'izy ireny, saingy tsy manana toerana handehanana ny Palestiniana.

Tsy afa-mandao an'i Gaza ny ankamaroan'ny Gazaita. Voahodidina fefy sy rindrina ny mitomandavana manaraka ny avaratra sy atsinanana mifanolotra amin'i Israely ary amin'ny sisintany atsimo mifanolotra amin'i Ejipta ny tetezantany tery manana halavana 40 kilometatra.

Tamin'ny 2010 ny Praiministra Anglisy David Cameron nilaza an'i Gaza ho “fonja tafo lanitra.” Ny famerana tafahoatra ataon'i Israely amin'ny zaratany Palestiniana ao Gaza sy ampitan'i Jordania no mahatonga ny maro eto amin'izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana ho zaratany “voabodo.”

Mitatitra ao amin'ny kaonty Twitter-ny ofisialy ny UNRWA :

Tranga fahatelo tahaka izao, voatifitry ny Israeliana omaly maraina ny sekolin'ny UNRWA ao Deir Al Balah izay nampialoka  olona sahabo ho 1500.

— UNRWA (@UNRWA)

Chris Gunness, mpitondra tenin'ny UNRWA, izay miorina ao Jerosalema, niteny fa fantatr'i Israely ny misy ny fialofan'ny UNRWA. Tao amin'ny andian-tsioka no nanazavany :

Nomena ny tafika israeliana tamin'ny fomba ofisialy ny fangitra mazavan'ny fialofan'ny UNRWA tao Beit Hanoun.

— Chris Gunness (@ChrisGunness)

Ary nampiany:

Nandritra ny andro ny UNRWA niezaka hifandrindra amin'ny tafika Israeliana hanokatra varavarankely ho an'ny sivily hialany fa tsy voaantoka velively izany

Raha miteny amin'ireo 19.3K mpanjohy azy ny mpanoratra gazety Kristen Chick, izay any Gaza :

Milaza ny IDF (Tafika Israeliana) fa mety ho diso fiantefa ny balan'ny Hamas ka nahavoa sysekoly tao Beit Hanoun. Ny vavolombelona maro mitantara ny fipoahana maro avy amin'ny tifitry ny fiara mifono vy

— Kristen Chick (@kristenchick)

Ao amin'ny Twitter, mpakasarin'ny ITN Sean Swan nizara ity sary mahavaky fo ahitana ankizy maratra nandritra ny fanafihana ity raha mitsabo azy ireo ny mpanampy mpitsabo iray:

Maro ny maty tamin'ny fanafihana sekoly iray natao hialofana #Gaza

— sean swan (@Irishcamera

Mizara sary hafa ahitana zazakely telovolana tsaboina noho ny piti-bala azony tamin'ny fanafihana ny sekoly izy:

Zazakely voan'ny piti-bala tsaboina taorian'ny nanafihana ny sekoly natao ho fialofana #gaza

— sean swan (@Irishcamera

Ary ny mpanoratra gazety mahaleotena Sharif Kouddous nizara ny sarin'ity tanora Palestiniana, Hussein, ity izay namoy ny fianakaviany iray manontolo nandritra ny fanafihana, tamin'ireo 76.2K mpanjohy azy ao amin'ny Twitter:

Maty avokoa ny fianakavian'i Kamal niaraka taminy tao amin'ny sekolin'ny Firenena Mikambana. Ny reniny, ny rahalahiny roa, ny anabaviny ary ny rafozam-baviny 

— Sharif Kouddous (@sharifkouddous)

Nisy nampita farafahakeliny in-1,1K io sary io tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra.

Maro amin'ny mpanoratra gazety no manakiana an'i Israely, misalasala amin'ny fijeriny ny tranga fa ny bala avy amin'ny Hamas no nahavoa ny sekoly.

Miteny amin'ny 281k mpanjohy azy ny mpanoratra gazety Deema Khatib:

Marina ve? Izany ve no heverina fa hinoantsika? Nilaza ny IDF fa tsy siora raha izy no nidaroka ny sekolin'ny UNRWA na ny Hamas! Azo heverina ve fa manana F16 na fitaovam-piadiana mitovy amin'izany ny Hamas?

— Dima Khatib أنا ديمة (@Dima_Khatib)

Na izany aza dia milaza ny UNRWA fa “tsy misy porofo” milaza fa nataon'ny mpikatroka ho ampinga nofo ny sekoly — izany manko no fialan-tsinin'i Israely hidarohana ilay toerana.

Mitatitra amin'ireo 163K manjohy azy ao amin'ny Twitter ny lehiben'ny solontenan'ny NBC any ivelany, Richard Engel :

Milaza ny UNRWA fa “tsy misy porofo” milaza fa nataon'ny mpikatroka ho ampinga nofo ny sekoly

— Richard Engel (@RichardEngel)

Manontany tena izy tamin'ny sioka manaraka:

Mametra-kevitra ny IDF (Tafika Israeliana) fa nahavoa sekoly ny balafomangan'ny Hamas. tokony ho dikan'izany dia hoe balafomanga dimy mandona toerana kely ao anatin'ny fotoana haingana dia haingana. Izany ve?

— Richard Engel (@RichardEngel)

Mandritra izany fotoana izany, mihamiavosa ny isan'ny maty manerana an'i Gaza.

Ahmed Al-Faraa avy ao Gaza misioka amin'ireo 5.121 manjohy azy:

Vaovao farany | maritiora enina ahitana zazakely sy maratra 30 ary midaroka amin'ny tetezan-tanin'i Gaza ny voromby mpiady Israeliana

— Ahmed Al-Farra (@AhmdFarra

Omar Ghraieb misioka amin'ny mpanjohy azy mahatratra 22.7K:

Vonoina ny ankizy, amim-pahadalana, isan'andro, ny farany indrindra dia i Ibrahim Omar, 2 taona sy tapany, Handry am-piadanana anie izy <3 #Gaza #GazaUnderAttack

— Omar Ghraieb (@Omar_Gaza)

Ary mitantara ny zavamisy ho tahaka izao i WhateverInGaza:

Ny zavatra iray ampiharina sy mahafaly an'i Israely dia ny manafika toerana maro amin'ny fitaovam-piadiana isan-karazany ao anatin'ny minitra iray. #GazaUnderAttack #terroistisrael

— WhateverInGaza (@WhateverInGaza)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.