Mampanantena Fanovana Marobe Ny Tetibola Voalohan'ny Praiminisitra Indiana Modi, Anisan'izany Ny Fanamboarana Sarivongana Lava Indrindra Manerantany

Arun Jaithly. Finance Minister of the Narendra Modi lead NDA government in India, arriving at the Parliament house to present the General Budget for the year 2014-15. Image by Ranjan Basu. Demotix (10/7/2014)

Minisitry ny tetibola vaovao ao India, Arun Jaithly, ao amin'ny governemanta NDA tarihin'i Narendra Modi, tonga tao amin'ny antenimieram-pirenena mba hampahafantatra ny tetibola ankapobeny mandritra ny taona  2014-15. Sary avy amin'i Ranjan Basu. Demotix (10/7/2014)

Nanambara ny tetibolany voalohany mandritra ny fe-potoam-piasana 2014-2015 amin'ny maha-praiminisitra azy ao India i Narendra Modi. Ity no ahafaha-manopy maso voalohany ny karazan-toetra maha-mpitarika azy ao India, raha nisy ireo nitehaka ny fikasany amin'ny fomba fampandrosoana an'i India, ny sasany kosa tsy faly amin'ny “fandaniam-poana” hanangana sarisokitra mitentina 34 tapitrisa dolara .

Raha voafidy voalohany ho praiminisitra ao India i Modi volana vitsy lasa izay, dia nampanantena ny firenena izy fa hamaha ireo olana ara-politika goavana. Anisan'izany fanovana izany ny famoronana asa hoan'ny tanora Indiana, ny fanitarana ny indostrian'i India, sy ny fandrisihana ny fampiasam-bola vahiny. Manoloana ny vinavina hampiditra olona 1 tapitrisa isam-bolana amin'ny tsenan'ny asa mandritra ny15 taona manaraka, asa sahabo ho 12 tapitrisa isan-taona eo, manana fanantenana lehibe hampandroso ny indostrian'i India ny governemantan'i Modi mba hahatanteraka izany fitomboana izany.

Na dia izany aza, hatramin'ny 10 Jolay 2014, raha navoaka ny tetibolany, nambara am-bava fotsiny ihany ny ankamaroan'ireo fampanantenany nandritra ny fampielezan-kevi-pifidianana. Mayank Jain ao amin'ny Youth Ki Awaaz nilaza hoe: «Fanehoan'ny governemanta ny fahavononany amin'ireo zavatra izay mety ho ambany kokoa noho ny lisitry ny laharam-pahamehantsika ilay tetibola.”

Raha atao bango tokana, ny tetibola dia namelabelatra tamin'ny antsipirihany ireo lohahevitra ankapobeny fampakarana ny fitomboana isan-taona na amin'ny harinkarena na amin'ny fambolena amin'ny alalan'ny fomba fanao tahaka ny fampidirana ny fampitoviana ny tataon-ketra eo amin'ny sehatra nasionaly sy ny fampakarana ny hetra arakaraky ny PIB (harinkarena anatiny) (fanazavana ny hery manokana (task force) natsangan'i Modi vao haingana mba hisahana ny fikarohana ny vola maloto ao India). Fanampin'izany, nanambara ny fanamboarana ireo tetikasa foto-drafitrasa marobe tahaka ny lalamby, seranam-piaramanidina sy ny lalana izay nampanantenainy hamboarina nandritra ny fampielezan-kevitra i Modi.

Nasehon'ny tetibola ny tontolo tiany hitondrana fanovana amin'i India izay nampanantenainy nandritra ny fampieleza-kevi-pifidianana. Nisy avy eo ireo fanehoan-kevitra marobe tao amin'ny media sosialy momba ireo kanokanona samihafa amin'ny tetibolan'i Modi. Misy ny mihevitra fa taratry ny fandrosoana nampanantenain'i Modi nandritra ny fampieleza-kevi-pifidiannana ny tetibola, ny sasany kosa mihevitra fa misy ny tsy ilaina sy fandaniam-poana fotsiny ao amin'ny tetibola.

Ohatra, voazava amin'ny antsipirihany ao amin'ny tetibola ny fikasana hanangana sarivongana lava indrindra manerantany ao Gujarat, India, izay i Modi no governora tao teo aloha. Noraiketina hanana halavana tokotokony ho 182 metatra ny haavony ny sarivongana, izay antsoina hoe “Tsangambaton'ny firaisankina” ary hanasongadina dobo fitaratra ambanin'ny haavon'ny rano miaraka aminy. Raha nanambara ny tetibolan'i Modi fa mety hitentina eo amin'ny 34 tapitrisa dolara eo ny fanamboarana ilay sarivongana, nilaza kosa ny tatitra avy amin'ny  Scroll India fa mety hitentina hatramin'ny 415 tapitrisa dolara ny fanamboarana.

Araka ny filazan'i Modi, “Arakaraka ny halehiben'ny sarivongana no hampalaza bebe kokoa an'i India manerana izao tontolo izao.” Vola tsy omby paosy tokoa ny vola atsasaka miliara dolara, ary hoan'ny firenena izay milofo mafy mba ho lasa mandroso kokoa, misy ireo olona maromaro ihany tsy faly tamin'ny fanapaha-kevitra.

Being Indian, bilaogy miezaka manome fomba fijerin'olona avy ao India nihevitra fa fomba fotsiny hanararaotan'ireo mpanao politika ny tsy fahombiazany ny fanamboarana ny sarivongana:

The politicians and builders stand to gain though. So who are we to stop them from milking the nation dry?! We all know what’s gonna happen. This monument will take years to build, after which it’ll start cracking or even collapsing due to use of substandard materials. More money will be pumped into the project in the name of repairs. And it won’t stand a chance against the Statues of Liberty and the Eiffel Towers of the world.

Samy mahazo tombotsoa ireo mpanao politika sy mpanamboatra ny sarivongana. Koa iza isika no hanakana azy ireo tsy hanararaotra ny firenena? Fantatsika rehetra izay hitranga. Mila an-taonany maromaro ny fanamboarana izany sarivongana izany, ary avy eo hanomboka hitriatra na hianjera izany noho ny fampiasana fitaovana tsy manara-penitra. Ho maro ireo vola ho arotsaka amin'ny tetikasa fanavaozana. Ary tsy hanana laza tahaka ny Tsangambaton'ny Fahafahana (statue de la liberté) sy ny Tour Eiffel manerantany izany.

Na dia izany aza, misy ireo Indiana sasany tahaka an'i Satvik Patel, dokotera avy ao Mumbai, no mirehareha amin'ilay sarivongana. Mihevitra i Patel fa tokony hianatra hanaja ny fireneny manokana alohan'ny hafa i India:

Isika Indiana mandeha any ivelany, mandany “roupie” (vola Indiana) sy mankafy ny tsangambaton'izy ireo! Saingy ny antsika fandaniam-bola fotsiny ny #StatueOfUnity 

Na dia eo aza ny adihevitra goavana mikasika ny fanamboarana ny Sarivongan'ny Firaisankina, mbola maro ireo manohana ny tetibola vaovaon'i Modi ary mahatsiaro fa izy no fanovana ilaina hamindra an'i India ho firenena mandroso.

Equinox Logic, vondrona mpihevi-draharaha ao amin'ny faritra izay mikendry hanome vahaolana amin'ny fandaminanana ny tanàna, nisioka ny fanohanan'izy ireo ny lalana hitondran'i Modi ny firenena:

#modibudget Iray amin'ireo tetibola tsara indrindra nampahafantarina tao anatin'ny taom-polo 6. Mirary mba hahatratra tombotsoa araka ny tokony izy  #mypmnamo sy hahatratra ny tsara idrindra

Anurag Singh, tale jeneralin'ny Ingram Micro, nidera ny soritrasan'i Modi mikasika ny fanafahan-ketra ao India: “hetsika tsara be ny fampitomboana ny fanafahan-ketra sy ny Vola Hitsinjovana ny Vahoaka ary mampiseho izany fa mizotra amin'ny lalana mety ny governemantan'i Modi.”

Nidera ny fanafahan-ketra avy amin'i Modi i Ranjan, mpanoratra gazety antserasera Indiana raha nampitaha ny tetibolany amin'ny tetibolan'i Delhi:

Mitondra fanamaivanana kokoa hoan'ireo saranga antonony ny @DDNewsLive #DelhiBudget! Mifanaraka kokoa amin'ny #ModiBudget 2014.

Na dia misy aza ireo fihetseham-po isan-karazany mikasika ny firotsahan'ny tetibola vaovaon'i Modi, mila miandry sy mijery fotsiny izao tontolo izao raha hanaja ny fampanantenany tamin'ny fampielezan-kevitra sy hanova an'i India ho firenena mandroso kokoa izy. Ahoana ny hevitrao? Hampiharina araka ny tokony ho izy tokoa ve ny tetibola vaovao 2014 an'i Modi ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.