SARIPIKA : Herintaona ny tetikasan'ny Rising Voices “Mapping for Niger”

Ny lahatsoratra fototra dia nivoaka tao amin'ny haba-tranonkalan'ny Mapping for Niger, tetikasan'ny Rising Voices iray.  Navoaka eto indray noho ny fahazoana alalana avy amin'ny vondrona. 

Tamin'ny 9 jiona 2013 ny tetikasa Mapping for Niger no niorina. Ity tetikasa ity dia ivondronan'ny mpianatra jeografia ao amin'ny Oniversite Abdou Moumouni ao Niamey izay manana an'i Orsoylya Jenei ho mpandrindra. Mizara ny fotoana lehibe tamin'ity tetikasa ity sy ny eritreriny amin'izao tsingerintaona voalohany izao ny mpikambana ao amin'ny tetikasa : 

Laouali Daba Harouna

OLYMPUS DIGITAL CAMERA

Herintaona izay ny fikambanana Open Street Map-Niger no nandrakitra an-tsarintany ny zaratanin'i  Niger. Nandritra izany taona izany izahay no niasa tanaty vondrona sady nahay niara-niasa, nifankahazo, navitrika sy nazoto. Nahatonga anay hitety ny zaratany nizerieo sady mandray ny fangitry ny toerana isan-karazany hoy ny moskea, ny tobim-pitsaboana mbamin'ny sekoly izany asa-panoloran-tena izany. Naka sary tamin'ireo toerana fizahantany ihany koa izahay. Ary farany ity tetikasa  ity no nahafahanay nifehy ny GPS ny ireo rindrambaiko hafa mitovitovy karazana aminy.

Moustapha Moutari

OLYMPUS DIGITAL CAMERA

15 eo ho eo izahay mpianatry ny Oniversite Abdou Moumouni no nofanina ary dia manofana ny hafa. Ity tetikasa ity no nahafahany niatrika ny fiofanana jeografia azonay tamin'ny fitaovana informatika mifandraika amin'ny fanaovan-tsarintany ary navitrika tao amin'ny tambajotra sosialy izahay. Nahafapo anay tokoa ny Mapping for Niger. 

Fatiman Alher

OLYMPUS DIGITAL CAMERA

Amin'ny maha-mpanolotena ahy ao amin'ny Mapping for Niger, nahafahako nahalala zavatra maro eo amin'ny sehatra siantifika, kolontsaina, toekarena ary sosialy ity tetikasa ity tamin'ny alalan'ireo lahatsoratra mivoaka ao amin'ny blaogy, Facebook ary ny sarin'ny tetikasa ao amin'ny Flickr, ny fifehezana ny GPS  amin'ny fanangonana tahirinkevitra jeografika eo amin'ny amin'ny fotodrafitrasan'i Niamey, Dosso ary Massama ary ny fanitsiana ireo tahirinkevitra jeografika ireo amin'ny sarintany azo ampiasaina malalaka ao amin'ny OpenStreetMap.

Tafiditra ao anatin'ny fanamafisana ny fahalalanay eo amin'ny sehatra teknikam-panitsiana ny tahirinkevitra jeografika sy ny rafitry ny OpenStreetMap (OSM)  ny atrikasam-piofanana Ouagadougou ao Burkina Faso. Eny tokoa, nahafahana nanangona ny fiçrafitry ny OSM maro ny fihaonana, ary nahafahako  nifehy ny fampiasana ny UMAP amin'ny sarintany an-tserasera, amin'ny fampiasana ny Itoworld pamin'ny sarintany ara-lohahevitra, ary farany teo amin'ny fiofanana ny rindrambaiko QGIS.  Mandrisika ny rehetra aho ho liana amin'ny karazana fandraisana an-tanana tahaka itony. Joyeux anniversaire Mapping For Niger !

Bassirou Inou Koulou

mapping for niger 5

Amin'ny maha-mpikamban'ny tetikasa Mapping for Niger ahy izay mankalaza ny herintaona nijoroany teto Niger, ny tena nanamarika ahy sy mampirehareha ahy, dia ny haben'ny tetikasa amin'ny asany izao mbola tohizany eny an-kianja amin'izao fotoana izao amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy. Io no nahafahako mahafantatra an'i Niger amin'ny ankapobeny, ny Oniversite Abdou Moumouni ao Niamey ary ny Departemanta Jeografia manokana. Voninahitra sy rehareha ho ahy tokoa ny tetikasa, fa nahafahako nahalala zavatra maro teo amin'ny resaka teknolojia ary nahafahako nahalala bebe kokoa ny fireneko, mipao-tsatroka amin'ny mpikambana rehetra aho indrindra fa amin'i Orsoylya tamin'ny ezaka nataony.

Tanimoune Mossi Garba

mapping for niger 4

 Nentanin'ny mpianatra Jeografia ao amin'ny Oniversite Abdou Moumouni avy ao Niamey, nanao raharaha maro ny tetikasa. Anisan'izany raharaha izany ny fivoahana nankany amin'ny tanàna kely misy ahy any Massama niaraka tamin'ireo mpikambana hafa ao amin'ny tetikasa, izay nandalo ny tanànan'i Dosso izay nanamarika ahy tokoa. Raha tsirairay indray, samy nametraka an-tsarintany ny tanàndehibe na tanàna kely itoerany izahay (Zinder, Niamey, Tahoua, Madaoua…) Ny zavatra iray tena nahasondriana ahy dia ny fandraisanay anjara tamin'ny Forum International Francophone Jeunesse et Emplois Verts  FIJEV teto Niamey tamin'ity taona 2014 ity.

Abdoul Jaba Mabachir Hamza

OLYMPUS DIGITAL CAMERA

Tsy vitan'ny hoe nanamafy ny fahaizanay ihany ny tetikasa Mapping for Niger fa nahafantarana ihany koa fahasarotana sy ny tombondahiny azo amin'ny fanaovana asam-bondrona, izay tena ilaina tokoa amin'ny fiainan'asa.

Abdou Salam Ousmane

OLYMPUS DIGITAL CAMERA

Efa nanofana mpianatra jeografia maro tamin'ny resaka fanaovana an-tsarintany nomerika ity tetikasa ity, ka nahafahan'ny tsirairay manana fahaizana manokana.  Koa ankehitriny dia hafaliana sy fankasitrahana no manetsika ahy noho ny soa azoko tamin'ity fiofanana ity.

Ali Douka Mahaman

OLYMPUS DIGITAL CAMERA

Tsingerintaona mahafaly ho an'ny tetikasa Mapping for Niger !

 Eny, herintaona nahavitrihana sahady. ilaina ny mitantara ny fahasarotana maro teo amin'ny fiofanana nandalovan'ity tetikasa ity.   

Amin'izany, dia tsy fahaiza-mankasitraka amiko ny mandoka raha tsy manonona ny Oniversite Abdou Moumouni ao Niamey amin'ny alalan'ny Departemantan'i Jeografia izay, nanana ny faniriana hampiroborobo ny fahaizana manokana ny Jeografia ka nahafahany nampiantrano ity tetikasan-tsarintany nomerika hampandrosoana an'i Niger ity.

Mila fandresen-dahatra mivaingana mifototra amin'ny zavamisy marina ny fanomezam-boninahitra ity tetikasa ity. Faly izahay amin'ny maha-mpianatra mpikambana anay ato amin'ny “Tetikasa Mapping For Niger“. Ny asan'olombelona rehetra, na dia bitika sahala amin'inona aza, dia mila fandaminana mifototra amin'ny maodely iray. 

Ny tetikasa Mapping For Niger dia iray amin'ny tetikasam-panolorantenan'ny mpianatra azo isaina amin'ny rantsan-tanana misy ao Niger. Nandalo fotoan-tsarotra izahay nandritra ny fiofanana saingy mitoetra ho fototra mafy ho anay ireny ary antony hanantenana.  Aorian'ny ezaka dia hiposaka indray ny hazavana ary hanampy antsika amin'ny dia mizotra mankany amin'ny fahombiazana sy ny fampandrosoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.