Nanaisotra Ny Maha-olompirenena Ireo Mpikambana Ao Amin'ny Fanoherana i Koety

Nanaisotra ny maha-olom-pirenena Koesiana ireo mpikambana roa ao amin'ny mpanohitra sy ny fianakavian'izy ireo ny kabinetra Koesiana tamin'ny 21 Jolay. Mampaneno mafy ny anjomara manerana ny faritra izany toe-draharaha izany, noho i Koety matetika sokajiana ho firenena demaokratika indrindra ao amin'ny faritry ny Helodrano.

Fanapaha-kevitra nilatsaka taorian'ny fandrahonana nataon'ny governemanta tamin'ny herinandro lasa izany fa handray izay fepetra rehetra ilaina hoan'ireo olona ahiahiana miezaka “manakorontana” ny firenena izy taorian'ny fihetsiketsehana nipoaka tamin'ny volana lasa izay mitaky ny famotsorana an'i Musallam Albarrak, mpikambana ao amin'ny mpanohitra ao Koety sady mpikambana taloha tao amin'ny Antenimeram-pirenena. Efa navotsotra izy avy eo noho ny fandoavana onitra.

Noho ny hetsika natao volana vitsivitsy lasa no niavian'ity toe-draharaha ity, raha nanao kabary naharitra ora maro nandritra ny famoriam-bahoaka iray i Albarrak izay nilazany ny fisian'ny hoso-pifidianana, ny fikasana hanongam-panjakana sy ny kolikolin'ny governemanta izay nitarika fandaniana volam-bahoaka  amina miliara dolara. Tafaporitsaka tamin'ilay nantsoin'ny sasany hoe “Kuwaitgate” ireo antonta-taratasy porofon'ny zavatra nolazainy. Anisany hita tao anatin'ireo antonta-taratasy ny antsipirihan'ny famindram-bola tamina mpitsara vitsivitsy, izay nitarika faitoriana an'i Albarrak ho manevateva fitsarana.

Nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 17.3K mikasika ny vaovao farany ny kaonty Twitter @BarlamanNews mpamoaka vaovao momba an'i Koety amin'ny 2 Jolay :

Nanome baiko ny fisamborana an'i Musallam Albarak ny biraon'ny fampanoavana noho ny fitoriana nataon'ny lehiben'ny Filan-kevitra Faratampon'ny Mpitsara azy

Hatramin'izay no nahitan'i Koety ireo andiana fihetsiketsehana sy fifandonana izay arahina sy tantaraina ao amin'ny media sosialy akaiky, indrindra ao amin'ny Twitter.

Namoaka fanambarana ny POMED (Tetikasa momba ny Demaokrasia ao Afovoany-Atsinanana) ary nisioka hoe:

#Kuwait Olona maherin'ny 2 000 no namonjy fihetsiketsehana taorian'ny fisamborana ny lehiben'ny mpanohitra tao Koety http://t.co/Vt0ZjhDJrP

Navotsotra noho ny fandoavana onitra i Albarrak taorian'ireo fihetsiketsehana saingy notanana kosa ny olona maro hafa noho ny fandraisana anjara tamin'izany fihetsiketsehana izany

Nataon'ireo mpanohana azy an-tsangory tao amin'ny fiolahan'i Alkaramak i Musalam Albarak taorian'ny famotsorana azy androany atoandro rehefa avy nandoa onitra

Nilaza ny governemanta tamin'ny herinandro lasa fa hamely amin'ny “totohondry vy” izy ireo mba hiarovana ny “voninahim-pirenena” ary naniraka ny minisiteran'ny atitany mba handray izay fepetra rehetra ilaina hanatanterahana ny baikon'ny mpanjaka (amin'ny teny Arabo ny antsipirihan'izany tao amin'ny lahatsoratra an-gazety Alrai )

Anisan'ireo anarana voakasiky ny fanapaha-kevitra hoesorina tsy ho olom-pirenena ilay solombavambahoaka mpanohitra taloha Abdullah al-Barghash sy mpikambana telo tao amin'ny fianakaviany.

Noesorin'ny governemanta ihany koa ny maha-olom-pirenena an'i Ahmad al-Shemmeri, tompon'ny fahitalavitra tsy miankina Al-Youm sy ny gazety Alam Al Yawm. Indroa nodidian'ny fitsarana nakatona vonjimaika ny gazetiny tamin'ity taona ity noho ny fihantsiana ny fandraràna nataon'ny mpampanoa lalàna tamin'ny gazety tsy hiresaka ny fanadihadiana tamin'ny filazana nataon'i Albarak nandritra ny kabariny indray mandeha amin'ny fisian'ny fikasana hanongam-panjakana. Manoloana ny fanalana azy tsy ho olom-pirenena intsony dia azo heverina fa hahazo baiko hakatona ihany koa ny fahitalavitrany sy ny gazetiny.

Nitarika ahiahy manerana ny Helodrano izany fihetsika izany. Mpanoratra gazety Bahrainita Faisal Hayyat nisioka hoe:

Nahoana ny maha-olom-pirenena no esorina? Aiza ny lalàna raha lazaina fa tazonina ho tompon'andraikitra amin'ny nataony ny mpanohitra? Fampihorohoroana sy fanaovana kendraroroka ny fanesorana ny maha-olompirenena. Fahalemena izany

Mpanao gazety Saodiana izay nivadika mpampianatra eny amin'ny oniversite, Dr Omar Ualymany nisioka hoe:

Miteraka fanehoan-kevitra sy fandrahonana ny rafi-piarahamonina Koesiana ny tranga fanesorana ny maha-olom-pirenena

Mpisera Twitter abo3asam, izay manana mpanjohy maherin'ny 113K, nanamarika hoe:

Mitsinjo ny fanehoan-kevitrao izy ireo ka raha mampatahotra anao androany ny fanesorana ny maha-olom-pirenena ka mangina ianao, hanaisotra ireo zonao izay lehibe noho ny maha-olom-pirenena izy ireo rahampitso

Firenena manankarena solitany i Koety, izay anisan'ny ambony indrindra manerantany ny vola miditra amin'ny olona tsirairay. Sokajiana ho firenena mandroso ara-politika indrindra ao amin'ny Helodrano izy. Saingy manandanja izany fivoarana izay ary mitarika fampanenoana ny anjomara satria araka ny sioka nalefan'i Ahmed Alomran, bilaogera hoan'ireo mpanjohy azy 85.5k hoe:

Manasongadina zava-misy vaovao i Koety: Zom-pirenena Arabo mitaky ireo zo mba hananany ireo zo ireo  http://t.co/UMAn3TSuVV

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.