Birmana Mpanoratra Gazety Voasazy Folo Taona Sy Asa an-Terivozona Fa Nilaza Ny Fisian'ny Orinasa Mpanao Fitaovam-Piadiana Shimika

Journalists protesting in front of Myanmar Peace Center. Photo by  Kyaw Zaw Win, Kyaw Lwin Oo. From the Facebook page of RFA Burmese

Mpanoratra gazety manao fihetsiketsehana manoloana ny Foiben'ny Fandriampahalemana ao Myanmar. Saripikan'i Kyaw Zaw Win, Kyaw Lwin Oo. Avy amin'ny pejy Facebook-n'ny RFA Burmese

Birmana mpanoratra gazety efatra sy ny Filoha Tale Jeneralin'ny Unity Journal no nohelohina folo taona an-tranomaizina miampy asa an-terivozona noho ny fandikana ny lalànan'ny tsiambaratelo nivoaka nandritra ny fanjanahantany tao Myanmar.

Tin Hsan, 52 taona, Filoha Tale Jeneralin'ny Unity Journal sy ireo mpanoratra gazety Lu Maw Naing, 28 taona, Sithu Soe, 22 taona, The Yazar Oo, 28 taona , ary Aung Thura, 25 taona no meloka ho nanitsakitsaka ny Lalànan'ny Tsiambaratelom-Panjakana taorian'ny namoahan-dry zareo tamin'ny volana janoary lasa teo tantara iray miresaka ny orinasa fanamboarana fitaovam-piadiana shimika ao afovoan'i Myanmar.

Nanaitra ny sain'ny ao amin'ny firenena sy manerantany aza ny raharahan'ny mpanoratra gazetin'i Unity. Nisy ny hetsi-panoherana nomanin'ny fanoratan-gazety tany amin'ny tanàna lehibe tahaka ny tao Yangon [my] sy Mandalay [my]. Nanomana fotoam-bavaka tao Yangon [my], Pathein [my] ary Sittwe [my] ho famotsorana ny mpanoratra gazetin'ny Unity ihany koa ny mpanohana sy ny mpampiaka-peon'ny gazety afaka. Saingy indrisy fa voampanga ho nanao fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana ireo mpanoratra gazety izay nanao fihetsiketsehana nandritra ny fitsidihan'ny filoha Thein Sein tao amin'ny Foiben'ny Fandriampahalemana ao Myanmar tamin'ny 13 Jolay.

Fikambanan-gazety maro sy vaomieram-pamoaham-baovao vonjimaika no mikasa ny handefa taratasim-pampakarana (fitsarana) [my] any amin'ny filoha ho famotsorana ny mpanoratra gazetin'i Unity. Namoaka fanambarana [my] manemeloka ny fanafoanana ny media ihany koa ny mpanohitra ao amin'ny Ligim-Pirenena ho amin'ny Demokrasia. Nampitandrina [my] ny Burma News International fa tataovan-drahona ny fahalalahan'ny gazety.

Nilaza ny governemanta fa ny lazaina ho orinasa fanaovana fitaovam-piadiana shimika notaterin'ny Unity Journal dia orinasam-panaovana fiadiana fiarovana.

Saingy lasa saina [my]  amin'ny didy sy ny fahavesaran'ny fanasaziana nomena ny mpanoratra gazety ny mpanoratra Wai Mu Thwin :

If they are convicted for revealing national secrets, it means the government actually has the chemical weapons factory. So they (government) are breaking the Southeast Asian treaty against Weapons of Mass Destruction, which puts a restriction on the production of chemical, bio and nuclear weapons. Also, Myanmar has signed the Chemical Weapons Convention in 1993.

Raha voaheloka tokoa izy ireo fa namoaka tsiambaratelom-pirenena, dia midika izany fa manana orinasa fanaovana fitaovam-piadiana shimika ny governemanta. Noho izany dia mandika ny dinan'i Azia atsimo atsinanana manohitra ny fitaovam-piadiana mandripaka olona ry zareo (governemanta), dina mandrara ny famokarana fitaovam-piadiana shimika, bio ary nokleary. Nanasonia ny Dinan'ny Fitaovam-Piadiana Shimika ihany koa i Myanmar tamin'ny 1993..  

Saingy miaro ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ny mpitondratenin'ny filoha ary nikiry fa tsy resaka fahalalahan'ny gazety ity fa fiarovam-pirenena:

Any nation, any government, must control secret issues for their national security. Information that harms national security is not even tolerated in the United States. We don’t think this case is about press freedom.

Na firenena na governemanta na iza na iza dia tsy maintsy mifehy ny resaka mahasahana ny fiarovam-pireneny. Tsy azo leferina akory aza any Etazonia ny fampafantarana mety hanohintohina ny fiarovam-pirenena. Mihevitra izahay fa tsy misy resaka fahalalahan'ny gazety ity raharaha ity.

Maro amin'ny mpanoratra malaza sy mpanoratra gazety ao Myanmar no naneho ny ahiahiny amin'ny fanomezana sazy mpavesatra ny mpanoratra gazety. Mieritreritra ny poeta Saw Wai fa tsy rariny izany indrindra fa mizotra mankany amin'ny lalan'ny demokrasia ny firenena. Mieritreritra  i U Than Htay avy ao amin'ny Tambajotran'ny mpanoratra gazety ao Myanmar fa ny vesatra dia atao ohatra amin'ny fanaovan'ny governemanta izay manomana ny fifidianana hoavy amin'ny 2015 tsindry ny mpanoratra gazety.

Tsy niova ny governemanta, hoy i U Aung Thu:

When their secrets are revealed, they arrest and charge people. Media is always the scapegoat. Democracy is only just a show. The president is no different. Actually our country is still under military dictatorship.

Rehefa mivoaka ny tsiambaratelon'izy ireo dia misambotra sy managadra olona ry zareo. Ny fampitam-baovao hatrany no atao sorona. Fisehosehoana fotsiny ny demokrasia. Tsy miova ny filoha. Raha ny marina dia mbola eo ambanin'ny fitondrana jadon'ny miaramila ny firenentsika.

U Win Myint, mpitondratenin'ny fanoherana, mitaky ny tokony hisian'ny mangarahara amin'ity raharaha ity :

If government is (serious in) moving towards democracy, then it should respect press freedom. There must be transparency. Reporter's job is to write. The punishment must be fair in relation to the violation. It wasn't even a secret or restricted area.

Raha matotra amin'ny firosoana mankany amin'ny demokrasia ny governemanta, dia tokony hisy ny fanajana ny fahalalahan'ny fampitam-baovao. Tsy maintsy misy ny mangarahara. Asan'ny mpanangom-baovao ny manoratra. Tokony hifanaraka amin'ny fandikan-dalàna ny fanasaziana. Tsy toerana miafina na voarara akory aza iny.

Nasiaka ny governemanta tao anatin'ny herintaona tamin'ny fitondrana ny mpanoratra gazety teny amin'ny fitsarana. Tamin'ny volana desambra lasa teo, mpanangom-baovao iray ao an-toerana avy amin'ny Eleven Media no nodidiana higadra telo taona noho ny fihoaram-pefy, fanaratsiana sy fampiasana fiteny vetaveta. Tamin'ny Avrily lasa teo, solontenan'ny tranonkala mirazotra amin'ny Democratic Voice of Burma no nomena herintaona an-tranomaizina noho ny fihoaram-pefy sy noho ny fanelingelenana mpiasam-panjakana. Farany teo tamin'ity volana ity, mpanangom-baovao avy ao amin'ny gazety-boky Mizzima no nosamborina ho nanomana fivoriana tao an-tanànan'i Pyay hitaky ny famotsorana ireo mpanoratra gazety enina migadra any Myanmar amin'izao fotoana izao.

Ny raharahan ‘ny Unity Journal no tokony hampahatsiahy antsika ny fitohizan'ny fanagadrana ny mpanoratra gazety sy ny fiharatsian'ny fanenjehana ny fampitam-baovao any Myanmar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.