Tahotra, Fitiavana Ary Ny Fahavalon'i Iran Ankafizina ao amin'ny Aterineto (dia i Facebook)

"My Stealthy Freedom" page and Foreign Minister Zarif. Images used with permission, mixed by Fred Petrossian.

Pejy “My Stealthy Freedom (Ny Fahalalahako Miafina)” sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Zarif. Sary nahazoan-dalana, sary namboarin'i Fred Petrossian

Nosoratan'i Mahsa Alimardani sy Fred Petrossian

Tamin'ny 13 Jolay, nitatitra ny sampam-baovaom-panjakana ofisialy ao Iran fa olona valo no nahazo sazy iraisana 127 taona an-tranomaizina noho ny zavatra nataon'izy ireo tao amin'ny Facebook. Voampanga ho “manohintohina ny filaminam-pirenena, manaparitaka fampielezan-kevitra manaratsy ny andrim-panjakana, manaraby ny masina ary manevateva ireo lehiben'ny Repoblika Islamika.” Tsy nanambara ny mombamomba ireo voaheloka ny fitsarana Iraniana, na ny antsipirahan'izany zavatra manohintohina naha-voaheloka azy ireo izany. Toa zara raha mahafantatra mikasika ity raharaha ity ireo mpikatroka Iraniana ao anatiny sy ivelan'ny firenena.

Toa anisan'ny malaza sy mahazatra izany didim-pitsarana izany. Tamin'ny volana Mey, vehivavy Iraniana-Britanika 47 taona no nahazo sazy 20 taona an-tranomaizina noho ny fanehoan-keviny tao amin'ny Facebook izay manohitra ny Filoha Faratampony sy ny Repoblika Islamika. Mpisera Facebook fito hafa tao amin'ny firenena ihany koa no naiditra am-ponja tao anatin'izany fotoana izany.

Nandritra ny 35 taona nisiany, tsy mandefitra amin'ny fahalalaham-pitenenana na famoriam-bahoaka tsy voafehiny ny Repoblika Islamika ao Iran. Manome zavatra mitovitovy amin'ireo zavatra roa (tsy andeferany) ireo ny Facebook eo amin'ny sehatra mora ampiasaina. Inona no mety ataon'ny olom-pirenena Iraniana raha omena fahafaha-miditra tsy voafetra ao amin'ny Facebook? Fomba entina mampitahotra ny olona ny Fanenjehana – sy ny Fitondrana ireo mpisera Facebook eny amin'ny Fitsarana. Ohatra mampivarahontsana ireo tranga vao haingana izay mety hitranga amin'ireo Iraniana miezaka maneho ny hevitr'izy ireo antserasera.
 

Iran sy Facebook: Tantara voaràra?

Manahirana, marefo ary matetika toa mihenahena eo anelanelan'ny fitiavana sy ny fankahalana ny fifandraisan'ny governemanta amin'ny tambajotra sosialy malaza indrindra ao Iran. Na dia sivanina aza ny Facebook ao Iran, anisan'ireo mpisera Facebook lohalaharana sy malaza indrindra ny filoha Hassan Rouhani sy ny maro ao amin'ny kabinetrany, indrindra i Mohammad Javad Zarif minisitry ny raharaham-bahiny. Nampiasa Facebook mba hampiroborobo ny fampielezan-keviny ireo kandidà filoham-pirenena rehetra tamin'ny 2013, izay nankatoavin'ireo manampahefana faratampony ao Iran fantatra amin'ny hoe Filankevitry Ny Mpiambina. Manasongadina zavatra roa izany fanekena tsy ankiteniteny ny sehatra (facebook) avy amin'ireo sangan'olona ireo izany. Ny voalohany dia tsy miasa ao anatin'i Iran ny fanivanana. Nanamarina ity filazana ity ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Fitarihana Islamika tamin'ny fanambarana fa tombanany ho eo amin'ny 4 tapitrisa eo ireo Iraniana mampiasa Facebook. Faharoa, tsy mankahala Facebook i Iran; fa te-hifehy azy.

Nanipika am-pahibemaso mikasika ny ahiahiany momba ny toeran'ny aterineto ao Iran ny governemantan'i Rouhani ary nitsikera ireo fanaovana fanivanana hatry ny ela. Saingy tsy nahavaly tampoka ny fampanantenany ireo fepetra noraisan'i Rouhani rehefa voavelin'ny sazy an-tranomaizina maharitra ny mpisera Facebook sy ny bilaogera. Ara-teknika, dia tsy tafiditra eo ambany fahefan'ny filoha fa ao anatin'ny konokonona fahanginan'ny fitsarana ary indraindray  (eo ambanin'ny) Mpitari-dalana Faratampony ireo fanapahan-kevitra ireo. Na izany aza, mbola afaka maneho ny heviny ny filoha ary afaka mandray fepetra amin'ireo nogadraina tsy ara-drariny. Kanefa nangina izy.

Facebook sy ny Hetsika Maintso

Nanjary fitaovana lehibe nandritra ny hetsi-panoherana tamin'ny taona 2009 ny Facebook, satria Iraniana an-tapitrisany no nihantsy ny fitondrana ary nanohitra ny fifidianana filoham-pirenena nampifanolana. Nampiasa Facebook mba hampitàny ny hafany sy hifandraisany amin'ireo mpanohana azy ny kandidà nirotsaka hofidiana filoham-pirenena, Mir Hussein Moussavi, olo-malaza nitarika ny Hetsika Maintso izay teraka taorian'ny fifidianana. Iray volana taorian'ny fifidianana tamin'ny taona 2009, nitarika fanivanana habaka ny tahotry ny mety hampalaza ireo kandidà reformista tahaka an'i Moussavi tao amin'ny Facebook.

Efa-taona taorian'ny famoretana ny Hetsika Maitso sy nametrahana ireo lehibeny tamin'ny trano ambenana, notondroin'ny manampahefana Iraniana ampahibemaso hoy toy ny fahavalon'ny Repoblika Islamika ny Facebook.

Nisy fiantraikany roa lela mifanipaka izany famoretana izany. Nitsahatra tsy nibilaogy ireo mpiserasera sasany satria nampidirina am-ponja, ny hafa kosa nitsoaka ny famoretana ary nifindra tany ampitan'ny sisintany, mba ho very fisongadinana sy very ireo mpamaky azy antserasera am-pielezana (diaspora) fotsiny. Nanampy tamin'ny fisian'ny toe-javatra fantatra amin'ny fijotson’ny bilaogera izany. Nipoitra tampoka nameno izany fahabangana izany ny Facebook, tahaka ny fipoiran'ireo fampielezan-kevitra nahitam-pahombiazana, matetika ampiasaina tahaka ny tetezana eo amin'i Iran sy ny am-pielezana izy. Ohatra iray malaza amin'izany koa ny “Fahafahako Mangina,” pejy Facebookn'ilay mpanao gazety monina ao Londra, Masih Alinejad izay nandefa andian-tsary misy ny sariny tsy misalotra hijab teny amin'ny toeram-bahoaka ao Iran. Nanomboka tamin'izany ny hetsika faobe virtoaly, nahazo “tiako” maherin'ny 500.000 ny pejiny, ary nahangona sary marobe sy fanehoan-kevitra avy ao Iran. Nanjary sehatra hoan'ny vehivavy Iraniana hanoherana ny rafitra Islamika nandritra ny 35 taona mikasika ny tsy maintsy hisalorana hijab ity pejy Facebook ity.

Antso hoan'i Rouhani

Mpisera Facebook valo no miatrika fiampangana fanaovana heloka bevava manohitra ny fitondrana, saingy mbola tsy fantatra ny antsipirihan'ireo heloka ireo. Misy ny tsipika mena eo anivon'ny Repoblika Islamika mamaritra ny atao hoe votoatin-keloka bevava antserasera, saingy sarotra ny mamantatra azy ireo ary toa mbola miitatra hatrany hatrany. Izany taty aoriana no mampisy fifamahofahoana amin'izay mandrafitra ny heloka antserasera, mahatonga ireo mpiserasera mora hiharan'ny fisamborana ary indraindray mihitsy aza tonga amin'ny famonoana, tahaka ny nahazo an'i Sattar Beheshti tamin'ny taona 2012. Miteraka tahotra izany karazana fisamborana izany satria mety hanameloka izay olona miasa manohitra ny fanjakana ireo manampahefana, ka mahatonga ireo mpiserasera haminavina izay voka-dratsy hatrehin'izy ireo raha (be resaka) antserasera.

Tamin'ny antsafa nataon'i David Gregory avy ao amin'ny NBC, niantso ny Tandrefana mba hanaja ny vahoakan'ny Afovoany-Atsinanana i Zarif, fitakiana ara-drariny. Tahaka izany ihany koa, miantso ny governemanta Rouhani izahay mba handray fepetra hanaja ireo olom-pirenena Iraniana, hanameloka ireo fisamborana sy fanasaziana ireo mpiseraserany tsy ara-drariny.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.