Fantaro i Lourdes Sada, Mpandika Teny sy Mpanoratra An-Tsitrapo Ato Amin'ny Global Voices

Lourdes in her "bunker." Photo used with permission.

Lourdes ao amin'ny “trano fiasany.” Sary nahazoana alàlana.

Azo atao noho ny fisian'ny ekipan'ny mpanoratra sy ireo mpandika teny an-tsitrapo izay mamahenika ireo tantara miseho ato amin'ny aterineto, avy amin'ny bilaogy, ny gazety tsy miankina ary ny haino aman-jery sosialy amin'ny karazam-pitenenana 30 ny Global Voices.

Iray amin'ireny mpirotsaka an-tsitrapo manan-talenta  ireny i Lourdes Sada. Roa taona lasa izay, tonga nanatevina laharana ny GV Espanola izy mba handika lahatsoratra tao, ary tafiditra lalindalina kokoa satria tonga mpanoratra. Nahasoratra sy nahadika lahatsoratra maherin'ny 400 izy hatramin'ny nidirany tao, ary izy no iray amin'ireo mpiasa an-tsitrapo mafana fo indrindra ao amin'ilay vondrona.

Niresaka taminy momba ny asany ho an'ny GV sy ireo tetikasa hafa ataony an-tsitrapo izahay. 

Global Voices (GV): Manao ahoana i Lourdes, Tantarao anay ny mobamomba anao. Aiza ianao no mipetraka? Inona no ataonao? 

Lourdes Sada (LS): Soy española, de Aragón. En España he vivido en Valencia y en Euskadi, pero ya hace 22 años que vivo en Bruselas. Trabajo en casa, por eso tengo bastante tiempo para dedicarlo a lo que más me gusta hacer, voluntariado en línea.

Lourdes Sada (LS): Espaniola avy any Aragón aho. Tany Valencia sy tany  Euskad aho no nipetraka tany Espaina, kanefa efa 22 taona aho izao no aty Bruxelles. Ato an-trano aho no miasa, izany no ananako fotoana betsaka hanaovana izay mahafinaritra ahy indrindra, ny manao asa an-tsitrapo ety anaty aterineto.

GV: Inona no mahafinaritra anao amin'ny asa an-tsitrapo atao aty anaty aterineto? Inona avy ireo  zavatra efa niainanao?

LS: Empecé a hacer voluntario en línea cuando mis hijos comenzaron a ir a la escuela. Después de varios años ocupada con ellos, me encontré con unas horas libres durante el día que quería dedicar a algo que fuera útil para los demás y al mismo tiempo me enriqueciera. Como antes de instalarme en Bruselas había empezado la carrera de informática, aunque no pude acabarla por el traslado, el mundo de los ordenadores y de Internet no me era ajeno, y el voluntariado en línea me pareció ideal en mi situación, ya que podía aprovechar muy bien el tiempo mientras seguía cuidando de mi familia. Buscando por la red di con una web francesa que buscaba traductores voluntarios y ahí empezó todo.

LS:  Nanomboka ity asa an-tsitrapo anaty aterineto ity aho rehefa nanomboka nandeha an-tsekoly ny zanako. Taorian'ny taona maro laniko tamin-dry zareo dia nahita fotoana malalaka ihany aho mandritra ny andro ary dia tiako natokana hanaovako izay zavatra ilain'ny hafa sady mampitombo fahalalàna ahy izany. Talohan'ny nipetrahako taty Bruxelles dia nianatra informatika aho, fa na tsy nahavita ny fianarako aza aho noho ny fifindran-toerana, tsy zava-baovao tamiko ny tontolon'ny informatika sy ny aterineto, noho izany amin'izao toerana misy ahy izao dia mety tsara ny asa  an-tsitrapo atao ety anaty aterineto satria afaka mahazo tombony amin'ny fotoanako malalaka aho no afaka koa manohy mikarakara ny ankohonako ihany koa. Rehefa nitety ny habakaaho dia nahita tranonkala Frantsay mitady mpandika teny an-tsitrapo, ary teo no niandohan'ny zava-drehetra. 

GV: Ahoana no nahatonga anao tafaraka amin'ny Global Voices ary inona no mampijanona anao ao ? 

LS: Encontré GV buscando en Internet proyectos que necesitaran traductores. Al principio dudaba si ofrecerme como voluntaria, pensé que era un entorno muy profesional, y yo no lo soy. Pero los editores de GV decidieron darme una oportunidad y espero no haberles decepcionado. La traducción para GV es un trabajo que me gusta mucho, porque tengo la oportunidad de traducir sobre temas muy variados. A menudo son noticias de países que no suelen aparecer en la prensa tradicional, otras veces son cosas cotidianas que tampoco llegan a las primeras planas de los periódicos. Todo eso me da una visión más amplia del mundo.

LS: Hitako tamin'ny fotoana nitadiavako tetikasa izay mila mpandika teny an-tsitrapo tamin'ny aterineto ny GV. Nampisalasala ahy ilay izy tamin'ny voalohany, noheveriko fa natao ho an'ny matihanina io tontolo io, nefa izaho tsy mpandika teny matihanina. Na izany aza anefa dia nanome vintana ahy ny tonian-dahatsoratry ny GV ary antenaiko fa tsy nahafaty antoka azy ireo aho. Tena faly aho mandika teny ho an'ny GV, manome fahafahana ahy handika karazana lohahevitra midadasika be izy. Matetika dia ireo vaovao izay tsy hita any amin'ireo haino aman-jery mahazatra miseho any aminà firenena maro no hita ao ary indraindray dia ny zava-miseho isan'andro izay tsy ataon'ny gazety eo amin'ny pejy voalohany ihany koa. Manampy ahy hanitatra ny fomba fijeriko momba izao tontolo izao izany rehetra izany.

GV: Manoratra ny lahatsoratrao ihany koa ianao. Zava-baovao aminao ve izany ? 

LS: Sí, nunca había escrito antes para ningún medio. A raíz de un incidente en el parlamento español que me indignó, como a muchas otras personas, me ofrecí para empezar a colaborar también escribiendo artículos en GV. Las cosas en España están bastante mal, pero el problema no es solo económico, también es muy doloroso ver la injusticia, la corrupción, la impunidad. Escribiendo artículos sobre todo esto intento que mi indignación se canalice de forma positiva, difundiendo estos hechos para que más gente tenga la información necesaria para tomar las decisiones más convenientes.

LS: Eny, tsy mbola nanoratra mihitsy aho taloha. Fa noho ny tranga iray niseho tao amin'ny Parlemanta Espaniola, dia tezitra mafy tahaka ireo maro hafa aho ary vokatr'izany no nanolorako tena hanomboka hamoaka lahatsoratra ho an'ny GV. Ratsiratsy ihany ny zava-misy any Espaina, tsy ny lafiny ara-toekarena ihany fa tena mandreraka koa ny mahita ny tsy rariny, ny kolikoly, ny tsimatimanota. Amin'ny fanoratana lahatsoratra momba izany dia ny hamehezana ny hatezerako ho amin'ny zavatra tsara no ao anatin'ny lohako, amin'ny fanelezana ny zava-misy mba hananan'ny olona maro ny torohayilainy handraisany fanapahan-kevitra ho amin'ny  tombontsoany.

GV: Mahazo tamberina amin'ny lahatsoratra nosoratanao ve ianao ?

LS: Sobre todo de compañeros de GV, de amigos y familiares que los leen. En general, creo que les gusta mi forma de escribir, y sobre todo aprecian el esfuerzo que hago para que los artículos resulten amenos y entretenidos. Cuando escribo intento ponerme en la piel del lector, creo que así el texto tiene más posibilidades de resultar interesante y agradable de leer. Ya que tienen la deferencia de leerme, lo menos que puedo hacer por ellos es no aburrirle

LS: Avy amin'ny mpiara-miasa ato amin'ny GV, ny namana ary ny fianakaviana izay mamaky azy ireny ny ankamaroany. Amin'ny ankapobeny dia heveriko fa mahafaly azy ireo ny fomba fanoratro, fa ambonin'ny zavatra rehetra dia ankasitrahan'izay ireo ny ezaka ataoko amin'ny lahatsoratra ka mahatonga izany hahafinaritra sy maha-te hamaky. Maka ny toeran'ny mpamaky aho rehefa manoratra, tsapako amin'io fomba io fa manomboka mahafinaritra sy mahaliana ny lahatsoratra. Ary nanomboka tamin'ny nandanian-dry zareo fotoana hamakiana izay nosoratako dia ny tsy  hahasorena azy ireo fara-fahakeliny azoko atao.

GV: Inona no fanamby lehibe indrindra ho anao amin'ny maha-mpandika teny anao ?

LS: Siempre he trabajado como voluntaria, por lo que en general las personas con las que he colaborado han tenido mucha paciencia y me han enseñado muchísimo. Mi primer webmaster me dio un cursillo rápido de html para que pudiera traducir directamente las páginas web, buscando todos los textos entre las etiquetas. Quizá el mayor apuro lo pasé con mi primer encargo, un “tocho” larguísimo que me enviaron con muy poco tiempo, tuve solo cuatro o cinco días para terminarlo y corregirlo. Casi no dormí, pero disfruté muchísimo. El trabajo más grande lo he hecho para Community Empowerment Collective, con los que he colaborado durante muchos años, como traductora, coordinadora y diseñadora web, y aún colaboro cuando me necesitan. No solo traduje más de 400 páginas al español, sino que también diseñé el nuevo formato de la web y convertí más de 4000 páginas en 30 idiomas distintos al nuevo diseño.

LS: Niasa an-tsitrapo mandrakariva aho, ary amin'ny ankapobeny dia tena nanam-paharetana ny ankamaroan'ireo olona niara-niasa tamiko sady nampianatra ahy zavatra maro izy ireo. Nampianarin'ilay ‘webmaster’-ko voalohany html aho mba hahafahako mandika avy hatrany pejinà tranonkala, amin'ny fikarohana ny lahatsoratra any anatin'ireo tsatòka samihafa any. Angamba ilay andraikitro voalohany no asa lehibe sady henjikenjika indrindra nataoko, nandefasan-dreo lahatsoratra lava be mba hadika ao anatin'ny fotoana fohy aho , efatra na dimy andro no fotoana nananako hamitàna sy hanamarinana izany. Tsy ampy torimaso aho nefa mahafinaritra ahy isa-minitra izany. Ho an'ny Community Empowerment Collective no tetikasa lehibe indrindra nataoko izay niarahako niasa nandritra ny taona maro toy ny mpandika teny, mpandrindra, mpanome endrika tranonkala, ary mbola miara-miasa amin-dry zareo aho rehefa ilainy. Tsy hoe fotsiny nandika pejy 400 amin'ny fiteny Espaniola aho, fa izaho ihany koa no nanome ilay endrika vaovao sy namadika pejy maherin'ny 4.000 ho amin'io endrika vaovao io amin'ny fiteny 30 samihafa. 

GV: Ahoana ny fijerinao ireo mpandika teny miasa tena ao amin'ny firaisam-be Eoropeana amin'izao fotoana izao ? 

LS: Tengo entendido que bastante mal. Nunca ha sido bueno, pero con la crisis, la situación va de mal en peor. Por ejemplo, muchos fabricantes recurren a traductores electrónicos para traducir las instrucciones de sus productos a otros idiomas, aunque resulte un batiburrillo ininteligible. Así, poco a poco se va reduciendo el campo en el que se mueven los freelancers. La mayoría de los traductores que conozco trabajan en las instituciones europeas, quizá sea más aburrido, pero elimina riesgos.

LS: Azoko lazaina fa  tena mahantra. Tsy mbola mety mihitsy, ary miaraka amin'ny krizy vao mainka miha-ratsy. Ohatra, orinasa maro no mampiasa ny fandikanteny elektronika mba handikana ny fomba fampiasana ny vokatra vokariny ho amin'ny fiteny hafa, na dia tsy mazava sy mikorontana aza izany. Noho izay fomba izay dia mihena tsikelikely ny saha iasan'ny mpandika teny miasa tena. Ny ankamaroan'ny mpandika teny fantatro dia miasa ho anà andrim-panjakana Eoropeana, angamba mety mandreraka izany nefa azo antoka.

lourdes-bruselas

Lourdes miaraka amin'ny mpanoratra Juan Arellano any Bruxelles. Sary nahazoana alàlana.

GV: Inona no tianao ho lazaina amin'ireo manomboka mirotsaka ao anatin'ny tontolon'ny fandikàna teny ?

LS: Algo muy simple: que lean sus traducciones. En mi humilde opinión, hay una regla básica para que una traducción cumpla con su cometido: que no se note que es una traducción. Por otro lado, que tengan paciencia, que por mal que estén las cosas tarde o temprano tendrán que ir a mejor. Además, como han hecho otros profesionales, los traductores deberían plantearse luchar contra el intrusismo y empezar a exigir que se proteja su campo profesional de personas no cualificadas y sobre todo, de máquinas. Si lo logran, todos saldremos ganando.

LS: Tena tsotra : vakio ny fanikàn-teny nataonao. Araka ny hevitro tsotra, misy lalàna fototra iray mba hampahomby ny fandikàn-teny : tsy tokony ho fantatry ny mpamaky fa teny nadika io. Amin'ny lafiny iray, manàna faharetana, tsy maninona na dia misy tsy mety aza, fa na ho ela na ho haingana hisy fihatsarana izany. Fanampin'izany, tahaka ny nataon'ireo matihanina sasany tany aloha tany, ny mpandika teny dia tokony hiady amin'ny fitsofohan'ireo tsy matihanina sy hanomboka hangataka fiarovana ho an'ny sahan'asany amin'ny fidiran'ny olona tsy natao ho amin'izany, ary ambonin'izany rehetra izany, amin'ny milina. Raha izany no tontosa dia tsy misy ny mizàna tsindrian'ila

GV: Raha niankina taminao, inona no tianao ovaina na amafisina ato amin'ny  Global Voices? 

LS: La verdad es que me gusta tal cual está, y aún más con el nuevo diseño. Yo creo que en este caso lo mejor es aplicar la primera ley de la mecánica: si funciona, no lo toques.

LS: Ny marina dia tiako amin'izao izy izao izy,  indrindra amin'izao endriny vaovao izao. Amin'ity  tranga ity dia heveriko fa tsara ny mampihatra ny lalàna fototra : raha ohatra ka tsy maninona dia aza kitihana.

GV: Lazao anay ny maha-ianao anao, na izay tsapanao fa mampisongadina anao. 

LS: Si hay algo que creo que se me da muy bien es moverme por la Red, encontrar cosas en Internet, ya sea información, aplicaciones, programas, objetos en venta… no sé si será por paciencia, por intuición o por simple terquedad, pero rara vez no acabo encontrando lo que necesito. Tanto así, que mis amigos me llaman en broma “yopreguntoaLourdes.com”.

En otro orden de cosas, hace unos años, Phil Bartle, autor del CEC, y John Petroff, administrador del PEOI, con quien también colaboré varios años, me nominaron para el premio “Voluntarios del Año” que concede el servicio de voluntarios en línea de Naciones Unidas. Este premio me dio una gran alegría, no solo porque dejó claro cuánto apreciaban ambos mi trabajo, sino por constatar qué buenos amigos he ido haciendo por el camino.

LS: Raha misy zavatra tena haiko dia ny mikarokaroka  amin'ny tranonkala, mikaroka zavatra ao amin'ny aterineto, na vaovao izany, na fampiharana, na rindrankajy na zavatra amidy… Tsy fantatro na noho ny faharetako izany, na fiheverana na hamafisan-doha tsotra izao, fa an-kavitsiana foana ny hoe tsy mahita izay tadiaviko aho. Izany no hanadrohadroan'ny namako ahy hoe  “IAskLourdes.com.” (anontaniakoiLourdes.com)

Zavatra hafa ihany koa, taona vitsivitsy lasa izay, i Phil Bartle, mpanoratra ny CEC sy i John Petroff mpitantana ny PEOI izay niara-niasa tamiko nandritra ny taona maro no nanolotra ahy ho isan'ny handray anjara amin'ny lokan'ny Firenena Mikambanany ho an'ny ” mpirotsaka an-tsitrapon'ny Taona”, omena ireo mpanolo-tena amin'ny aterineto. Tena nahafaly ahy io loka io, tsy noho ny nankasitrahan'izy roa tonta ireo fotsiny ny asako fa nanamafy ihany koa izany fa nampiroborobo ny fananako namana mahafinaritra aho nandritra io diako io. 

Misaotra anao ry Lourdes! Azo vakiana eto ny fandikàn-teniny sy ireo lahatsoratra nosoratany, ary araho ao amin'ny Twitter @LulesSada ny izy. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.