Hahafantatra Izay Ho Filoham-pireneny Manaraka i Indonezia, Demaokrasia Fahatelo Goavana Manerantany

Leading Indonesian presidential candidate Joko Widodo casts his ballot at a voting center. Photo by Ibnu Mardhani, Copyright @Demotix. (7/9/2014)

Kandida mitarika amin'ny fifidianana filoham-pirenena Indoneziana, Joko Widodo mandatsaka ny vatony ao amin'ny foibem-pifidianana iray. Sary avy amin'i Ibnu Mardhani, Zon'ny mpamorona @Demotix. (09/07/2014)

Miandry fatratra ny valim-pifidianana filoham-pirenena notontosaina tamin'ny 9 Jolay 2014 teo ny Indoneziana, fifidianana sokajiana ho iray amin'ireo fifaninanana  miady be sy mampisaran-kevitra indrindra eo amin'ny tantaran'ny demaokrasia herotrerony.

Ho zava-dehibe tsy hoan'ny Indoneziana ihany ny valim-pifidianana fa hoan'ireo olona maro izay manana fanantenana lehibe hoan'ny demaokrasia goavana fahatelo manerantany sy ny firenena Miozolomana be mponina indrindra manerantany. Fantatra fa hanambara izay ho mpandresy amin'ny 22 Jolay ny vaomieram-pirenen misahana ny fifidianana.

Ilay politisiana malaza Joko Widodo (fantatra amin'ny anarana Jokowi) no mitarika amin'ny valim-pifidianana vonjimaika, mpandraharahan'ny fampitaovana teo aloha izay lasa governoran'i Jakarta, renivohim-pirenena izy. Ny Filoha lefitra teo aloha Jusuf Kalla no mpiray lisitra aminy.

Kandidà hafa matanjaka mpifanandrina aminy ho filoham-pirenena kosa i Prabowo Subianto, Jeneraly teo aloha tao amin'ny Vondron-tafika Manokana ary filohan'ny Antoko Gerindra (Hetsika Goavan'i Indonezia). Na dia noderain'ireo mpanohana azy ho filoha matanjaka sy be herim-po aza izy, naneho ny ahiahiny mikasika ny andraikiny nandritra ny fitondran'i Suharto, izay nitondra an'i Indonezia tahaka ny lehilahy matanjaka nandritra ny taompolo telo mahery kosa ireo mpikatroka zon'olombelona maromaro.

Naharitra iray volana ny fampielezan-kevitra. Na dia feno >fifanaratsiana, fanambarana kolikoly, sy fifandonana madinika teo amin'ireo antoko roa mpifaninana aza. Amin'ny ankapobeny, hita fa nilamina, nirindra sy feno zava-baovao mihitsy aza ny fifidianana.

Fanentanana Antserasera

Nandray anjara mavitrika tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ity taona ity ny aterineto. Nanamarika ilay bilaogera, Maulana Syuhada fa nahafahana nampiseho ireo vaovao diso sy tatitra diso hafa momba ny latsa-bato ny aterineto. Ary nitaona ireo olom-pirenena marobe mba havitrika tamin'ny fifidianana ihany koa :

Pemilu sekarang ini memang sangat berbeda dengan pemilu-pemilu sebelumnya. Ada orang yang hampir tiga puluh tahun (6 kali pemilu) selalu golput, tiba-tiba memutuskan kali ini dia harus memilih. […] Massa yang datang ke Gelora Bung Karno tanggal 5 Juli yang lalu sampai tumpah ruah bak air bah, membuat kita semua yang melihat merinding. Kenapa semua ini terjadi? Karena mereka “desperate”. Pemilu sekarang ini taruhannya terlalu besar. Bagi sebagian orang pilihannya adalah kembali ke masa lampau atau melompat ke masa depan.

Tsy mitovy tamin'ireo teo aloha ny fifidianana tamin'ity indray mitoraka ity. Misy ny olona tsy nifidy nandritra ny 30 taona teo ho eo (fifidianana enina), saingy nahatsiaro tampoka voatery hifidy. […] Ny hetsi-bahoaka nameno ny kianjan'i Gelora Bung Karno tamin'ny 5 Jolay dia nampangoritsana antsika rehetra izay nijery izany. Nahoana no nitranga izany? Satria “diso fanantenana” ny vahoaka. Ambony dia ambony ny fandraisana anjara tamin'ity fifidianana ity. Hoan'ny maro, ny safidy dia ny hiverenana indray amin'ny lasa na hitodika amin'ny hoavy.

Ny tarik'i Jokowi no nivoaka toy ny tompon-daka amin'ny resaka fanentanana ny mpifidy tamin'ny alalan'ny media sosialy. Saingy ny antokon'i Prabowo kosa no hita malaza kokoa tamin'ny milina fikarohana.

Nampiasa ny diezy Twitter #salam2jari(arahaba an-drantsa-tanana roa), #jokowi9juli, #nogolput (tsia amin'ny tsy fifidianana) ary ny #indonesiasatu (Indonezia tokana) mba hanehoan'izy ny fihetseham-pony sy hampisehoany ny fandraisany anjara amin'ny fifidianana ireo mpifidy.

Afa-po tamin'ireo olom-pirenena izay nitolona mafy handeha hoany amin'ny birao fandatsaham-bato ny mpisera sasany :

*mahatsiaro mientanentana *sambany mazoto hifidy ny reniko jamba, mba tsy ho very ny vatony hoan'ny #Jokowi9Juli

Ny hafa kosa nandrisika ny mpifidy tsy hampiasa ny safidy “tsy-mifidy” amin'ny vato-pifidianana:

Amin'ny 7 maraina hoavy izao ary efa nanao fianianana ireo mpanaramaso ny fandatsaham-bato. Ry namana, ampiasao ny zonao hifidy, hankafizo ny hatsaran'ny demaokrasia.

Kizon'ny fanisam-bato haingana

Sampan-draharaham-pifidianana teo amin'ny 12 teo no namoaka (aloha loatra) ny vokatry ny fanisam-bato taorian'ny fifidianana. Nanambara sahady ny fandresen’i Jokowi ireo orinasam-pifidianana lehibe raha toa kosa nilaza ny vaovao eny ankilany fa i Prabowo no mety hivoaka mpandresy. Naneho ny ahiahiny ny sampana tokana mpamoaka ny voka-pifidianana fa mety hitarika ady lehibe eo amin'ireo mpanohana ny kandidà roa tonta izany (toe-javatra izany).

Ho setrin'izany ahiahy izany, nanome baiko ny hanaovana fanadihadiana ataon'ireo mpaka hevi-bahoaka ny Biraon'ny Etika avy ao amin'ny Fikambanan'ny mpanadihady ny hevi-bahoaka Indoneziana (Persepi) ary nanaisotra ireo izay sy mety hohadihadiana.

Nanjary niahiahy ihany koa ireo mpisera Twitter mikasika ny zavatra mety hitranga raha hanambara izay ho filoha vaovao an'i Indonezia ao anatin'ny andro vitsivitsy ny Vaomieram-pifidianana Ankapobeny (KPU) :

Andao hivavaka hoan'ny 22 Jolay, tsy hoan'izay handresy, fa hoamin'ny filaminan'i Indonezia. Nametraka ao an-toerana ny fanairana ambony indrindra manerana ny firenena ny tafika.

Tao amin'ny Facebook-ny, nanoro-hevitra ireo mpanohana azy mba hitony i Jokowi :

Saya menghimbau dan meminta dengan sangat, kepada seluruh kader partai pendukung dan relawan Jokowi-JK di seluruh tanah air, agar tetap melaksanakan kegiatan sehari-hari sebagaimana biasa, dan tidak perlu menghadiri pengumuman rekapitulasi suara di KPU pusat pada tanggal 22 Juli. Kita percayakan semuanya pada proses yang sedang berlangsung, agar terbangun suasana yang kondusif bagi KPU, untuk menyelesaikan tugas dengan sebaik-baiknya, serta untuk menghindari hal-hal yang tidak kita inginkan. Saya ucapkan terima kasih dari lubuk hati yang paling dalam, atas segala upaya saudara-saudara untuk terlibat aktif dalam mengawal pemilu Indonesia yang damai.

Manoro-hevitra sy mandrisika ny mpanohana rehetra ary ny mpilatsaka an-tsitrapo rehetra tamin'ny fampielezan-kevitr'i Jokowi-JK teto amin'ny firenena aho mba hanao ny raharahanareo andavanandro ihany ary tsy hanatrika ny fanambarana ny voka-pifidianana ao amin'ny biraon'ny Vaomieram-pifidianana ankapobeny amin'ny 22 Jolay. Avelao handeha araka ny tokony izy ny zava-drehetra mba ahafahan'ny KPU miasa ao anaty filaminana. Te-haneho ny fankasitrahako lehibe indrindra ho anareo tsirairay avy izay nandray anjara mavitrika tamin'ny fifidianana milamina teto Indonezia aho.

Indoneziana marobe no nanaramaso akaiky ny fanisam-bato ofisialy tao amin'ny habaky ny KPU ary mampitaha izany amin'ireo tarehimarika alefa ao amin'ny Kawalpemilu.org (vadin-tanim-pifidianana), habaka natsangan’ ilay mpanao olaimpiadin'ny matematika Indoneziana mba hahafahan'ny olona manaramaso ara-potoana ireo vokam-pifidianana voaangon'ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy eny ifotony. Hatramin'ny nijoroany, efa imbetsaka nisy nipiraty ny habaka.

Porofon'ny fahamarinan'isa – ampitahaina amin'ny angotahirin'ny KPU.

Mandritra izany fotoana izany, nampiakatra ny porofon'ireo tsy fetezana tamin'ny latsa-bato nasehon'ny taratasy C1 vita scan tsikaritry ny mpifidy tao amin'ny habaky ny KPU ny kaonty Tumblr C1 yang Aneh (zavatra hafahafa nasehon'ny C1). Antontan-taratasy ofisialy avoakan'ny KPU ny Taratasy C1 izay ampiasaina amin'ny fitaterana ny isam-bato vita isan'ny mpikamban'ny biraom-pifidianana. Efa nandefa pikantsary am-polony ny kaonty izay mampiseho ny tsy fisian'ny isan'ny mpifidy na isam-bato vita ary ny tsy fetezana hafa.

Bilaogera iray fantatra amin'ny anarana “Simple Servantnamehy ny fifidianana tamin'ity taona ity ary nilaza ny mahamety ho lasa mpampihavana ireo antoko mpifanandrina ankehitriny ny filoha am-perinasa Susilo Bambang Yudhoyono (SBY) :

Saya tetap melihat Prabowo sebagai alat Tuhan untuk memperbaiki kerusakan bangsa ini apapun sanggahan anda. Sebab memperbaiki bangsa ini bukan harus jadi Presiden. Sebagai Capres, Prabowo telah melakukan banyak hal positif yang kemudian membantu Jokowi untuk bekerja dengn mudah.[…] Yang masih bertengkar soal siapa yang akan menang di Pilpres, sudahi saja. Prabowo dan Jokowi telah bekerjasama memberikan perannya masing-masing untuk kebaikan bangsa kita. Soal bangsa kita akan damai atau rusuh paska 22 Juli, itu terserah SBY.

Manasokajy hatrany an'i Prabowo ho fitaovan'Andriamanitra mba hanavao ity firenena ity aho, tsy maninona izay handavanao izany. Satria tsy mila ho lasa filoha ianao vao hanavao ity firenena ity. Amin'ny maha kandidà nirotsaka hofidiana filoham-pirenena an'i Prabowo dia efa nanao zavatra tsara marobe izy […] Hoan'ireo mbola mifandresy lahatra amin'izay mpandresy amin'ity fifidianana filoham-pirenena ity, atsaharo izany. Samy nandray anjara tamin'ny fampandrosoana  ity firenena ity i Prabowo sy i Jokowi. Na hilamina na hisy rotaka ny firenentsika aorian'ny fanambarana amin'ny 22 Jolay, miankina amin'ny SBY avokoa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.