Ny Fanovana Wikipedia 7000 Nataon'ny Governemanta Rosiana

Images mixed by author.

Sary namboarin'ny mpanoratra.

Raha resaka Wikipedia, dia mpiasa mazoto tokoa ny mpahay solosainan'ny governemanta rosiana. Nihoatra ny folo taona izao, dia tompon'andraikitra tamin'ny fanitsiana (fanovana) im-7000 ny lahatsoratra ao amin'ny habaka Wikipedia amin'ny teny rosiana ny adiresy IP an'ireo sampan-draharaham-panjakana rosiana isan-karazany.

Norveziana programera iray antsoina hoe Jari Bakken no vao namoaka ny lisitra feno nanaovan'ny governemanta rosiana tsy ankanonona anarana ny fanitsiana 6909 nataon'ny governemanta rosiana tao amin'ny Wikipedia. Efa namoaka lisitra mitovy amin'izany tamin'ny fanitsiana ny Wikipedia nataon'ny adiresy IP manana fifamatorana amin'ny governemanta ao Etazonia, Israely, Irelandy, Canada, Aostralia, ary Norvezy sy ny fanovana maro nataon'ireo orinasa mpamokatra solika ihany koa i Bakken teo aloha.

Raha iverenana ny fanitsiana nataon'ny solosainan'ny governemanta rosiana tao amin'ny Wikipedia, ny hany azontsika vinaniana dia raha miasa amim-pahaleovantena sa miasa manatontosa baiko ve ireo olona tompon'andraikitra tamin'izany. Angamba misy fiarahan'izy roa ireo.

Hita ao amin'ny lisitr'i Bakken ny fiverimberenana fanitsiana lahatsoratra miresaka ireo politisiana rosiana, manampy ireo fifanorohana sy manaisotra ireo vaovao manimba. Ohatra raisina amin'izany ny fanitsiana in-36 nataon'ny adiresy IP-n'ny sampam-pitsikilovana rosiana, ny FSO, tamin'ny lahatsoratra Wikipedia momba ilay Senatera Rosiana Andrei Klishas, izay nosazian'ny governemantan'i Etazonia tamin'ny Marsa 2014 noho ny anjara andraikiny tamin'ny fanjanahana an'i Crimea. Io sampandraharaha io ihany no nanitsy in-5 ny pejy Wikipedia miresaka ny Praiminisitra lefitra Dmitry Rogozin. Niaro ny lazan'ireo olona fanta-bahoaka hafa ihany koa ny adiresy IP-n'ny governemanta, ka tafiditra amin'izany i Aleksandr Pudin (fanitsiana 25) ilay mpanoratra tantara tsangana, i Viktor Vaziulin (fanitsiana 30) ilay Filôzôfa, ireo “zanaky ny mpanelanelana ny vahoaka amin'ny fanjakana rosiana” Pavel Astakhov (fanitsiana 35), Aleksei Golovan (fanitsiana 4) mpandimby an'i Astakhov, politisiana Vyacheslav Tetyekin (fanitsiana 36), ary ireo hafa maro.

Ao anatin'izany rehetra izany, tsy heverina ho teti-dratsin'i Kremlin hanadiovana ny internet daholo ny zava-drehetra. Ohatra, nisy iray tao amin'ny solosainan'ny tobim-panaovana fanafody ampandehanin'ny fanjakana tao Kursk nanitsy ny pejy Wikipedia momba ny lalao video “Call of Duty: Modern Warfare 3”—tsy ho amin'ny fitsikerana ny fizotry ny lalao (izay misy miaramila rosiana manafika ny tanànan'i New York), fa nanitsy antsipirihan-javatra kely iray tao amin'ny fehin'ny tetidratsy ao amin'ny lahatsoratra. Angamba mpankafy ilay lalao ny mpanoratra.

Misy amin'ireo fanitsiana aza moa ahafahana mampihevitra fa misy ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin'ny fanjakam-birao rosiana. Nandritra ny fotoana nandonan'ny fihetsiketseha-panoherana an'i Moskoa tamin'ny desambra 2011, ohatra, dia nisy olona tao amin'ny fahitalavi-panjakana nanome vaovao fanampiny tao amin'ny lahatsoratra Wikipedia momba ny fanangona-tsonia anti-Putin hampisehoany fa misy olona 2000 hafa nanao sonia. Azo heverina fa tsy tao anatin'ny baikon'ny governemanta io fanitsiana tao amin'ny Wikipedia io.

Misy ihany, anefa, ny fanitsiana ao amin'ny Wikipedia mifanaraka amin'ny ezaky ny ao Kremlin hitandro ny laza tsarany ary manimba ny endrik'i Etazonia. Indreto ny ohatra dimy amin'izany.

  1. Fitsikerana ny fanendrena an'i Michael McFaul ho ambasadaoron'i Etazonia ao Rosia.
  2. Fanovana ny ampahan-tantara ao amin'ny lahatsoratra Wikipedia momba ny krizin'ny fakana takalon'aina tao Beslan amin'ny filazana fa Ossetians nandray tsara ny tara-kevitra rosiana ny Osetiana tamin'ny taonjato faha-18.
  3. Manampy fehezanteny ao amin'ny lahatsoratra Wikipedia miresaka ny ady tany Vietnam mba hanasongadinana ny tsy fahazoan'aina tamin'ny faharesen'i Etazonia.
  4. Fitsikerana ny Greenpeace ho “tsy ara-tsiantifika” ny filazana ny sakafo novàna zenetika.
  5. Fanesorana ny tenin'i Andrei Klishas iray ao amin'ny pejy Wikipedia fandrao misy maka tahaka ny famakafakana nataony.

Mazava loatra fa tsy manaporofo ny fiezahan'ny ao Kremlin hifehy ny rakipahalalana goavana indrindra ao amin'ny siniben-tserasera ny fisian'ireo fanovana ao amin'ny Wikipedia amin'ireo ahiahiana ho mirona amin'i Rosia sy mamely ny Tandrefana. Ilay mpanoratra ny famelezana ny Ambasadaoro McFaul, ohatra, dia namafa saiky eo noho eo ny fanitsiana nataony. Azo heverina tanteraka fa zava-bitan'ny mpiasan'ny fanjakana miasa araka ny nahim-pony, tsy ao anatin'ny “famerenana amin'ny laoniny ny zavamisy”, ireo fanitsiana ireo.

Raha lasa tahaka izao ny Internet, dia azo itokisana fa tsy hahalala vehively isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.