Antontan-taratasy Tafaporitsaka Mamafy Aloka Momba Ny Hoavin'ny Fitrandrahana Entona Fandrehitra Ao Tanzania

Gas Extraction in Tanzania

Fitrandrahana entona ao Tanzania, araka ny fijerin'i Masoud Kipanya, mpanao sariitatra. Navoaka voalohany tao amin'ny Mwananchi. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Tsy misy olona tena mahafantatra tsara ny fatran'ny entona misy ao Tanzania, na dia mametraka izany ho 51 arivo lavitrisa metatra kioba (TCF) aza ireo vinavina natao. Saingy vetivety dia nanaka-danitra ny fiandrandràna zavatra manodidina ny fitrandrahana entona ao Tanzania.

Manerana an'i Dar es Sallam, renivohitra ara-toekarena ho an'i Tanzania, samy miroborobo avokoa na ny fifamoivoizana na ny asa fanorenana. Azo tsapain-tànana ara-bakiteny mihitsy ny fanendren'ny African Development Bank's (AfDB / BAD)  an'i Dar es Salaam ho ny tanàna haingam-pitombo indrindra aty Afrika Atsinanana. Ny tatitry ny  BAD, “Fanaraha-maso ny Fivoaran'i Afrika”, dia maminavina fa hitombo 4 tapitrisa hatramin'ny 6 tapitrisa ny mponin'io tanàna io ato anatin'ny 10 taona manaraka. Ny vinavina mijery ny fitomboana ara-toekaren'ny tanàna dia mifototra amin'ny fidiram-bola amin'ny hoavy azo avy amin'ny loharanon-karena natoraly, toy ny entona avy ao amin'ny faritra Mtwara. Ny  tomban'ny BAD, ohatra, dia maka ho tondro ireo otrik'asa hiforona avy amin'io fihariana io.

Kanefa, ireo hetsi-panoherana tamin'ny Janoary sy May 2013, nataon'ireo mponina ao amin'ny seranan-tsambo ao Mtwara dia nandefa mariky ny tsy fisiam-pitokisana hoe ny hoavy novinavinain'ny BAD dia ho tanteraka any amin'ireo faritra ambanivohitr'i Tanzania, toa ny faritr'i Mtwara. Ny fanainga ho an'ireny hetsi-panoherana ireny dia ilay fanambaràn'ny governemanta ny fanapahan-keviny hametraka fantsona lehibe fitondrana entona avy ao Mtwara mankany Dar es Salaam, fa tsy hanorina orinasa mpanodina ny entona ao Mtwara. Ity farany izay namahana ny resaka tetikady fampandrosoana miainga amin'ny fananganana indostria mba hanosika ny fampivoarana ao an-toerana.

Ny tranga iray niseho tany am-piandohan'ny volana Jolay 2014, misy idiran'ilay fifanarahana fifampizaràna famokarana entona na “production sharing agreement” (PSA) teo amin'ny Tanzanian Petroleum Development Corporation (TPDC) sy ny “Statoil” orinasa maro rantsana avy any Norvezy, miaraka amin'ny Exxon Mobil, no manasongadina ny hoe lasa resaka manohintohina ny resaka fidiram-bola avy amin'ny toeram-pitrandrahana entona ao Tanzania—sy ny hoe iza no mahazo tombontsoa amin'izy ireny. Na dia tsy mifandray mivantana amin'ireo hetsi-panoherana tao Mtwara aza, manipika ny fahatongavan-tsaina tsy mitsaha-mitombo momba ny olana manodidina ny entona sy solika eny anivon-dry zareo Tanzaniana ny raharaha TPDC-Statoil, sy ny tsy fahafahampo mitombo miaraka amin'ny fomba ataon'ny governemanta hitantànana ny fifanarahana fitrandrahana loharanon-karena natoraly, ary fomba fampitàny io vaovao io ho an'ny olom-pirenena.

Ao anivon'ity olana ity ny tovana iray natao tamin'ny fifanarahana voalohany niarahan'ny Statoil sy ny governemanta Tanzaniana momba ny fitrandrahana entona ao amin'ny faritr'i Mtwara izay niporitsaka, ary avy eo dia fantatry ny gazety Tanzaniana tany am-piandohan'ny Jolay 2014. Araka ny tatitry ny gazety, ao anatin'ireo andininy amin'ilay fifanarahana araka ny voatsipika ao amin'ilay antontan-taratasy tafaporitsaka, ho very 1 lavitrisa dolara Amerikana isan-taona ny governemanta.

Nanontany tena tao amin'ny media sosialy ry zareo Tanzaniana momba ny fomba nataon'ireo orinasa roa maro rantsana ireo hahazoana fifanarahana be tombony tahaka izany. Sariitatra iray nataon'i Massoud Kipanya navoakan'ny gazety mpiseho isanandro “Mwananchi” no maneho lehilahy iray mibaby siny misy soratra  “GESI” (entona amin'ny fiteny Swahili), misintona entona avy ao amin'ny tany no sady mitazona vary iray venty Tanzaniana. Asehon'ny Sariitatra iray hafa an'i Kipanya ny voalavo kely miteny amin'ny fiteny Swahili hoe : “Antenaiko mba ho avela ao ambanin'ny tany ao ihany ny solikantsika mandra-pahatongan'ny firenentsika amin'ny taona maha-zatovo azy.”

Ny tetikasa fitrandrahana entona ataon'ny Statoil ao Tanzania no iray amin'ireo fampiasam-bola lehibe indrindra aty amin'ny faritra Afrika Atsimon'i Sahara. Tamin'izay nosoratany ho an'ny “Africa Arguments”, nilaza i Ben Taylor, mpandalina sady bilaogera, fa eo aminà zana-tohatra iray ahafahan'i Tanzania miala amin'ny fiankinan-doha tafahoatra amin'ny fanampiana ho amin'ny fampandrosoana azy ny tarehimariky ny vola maty amin'ny entona voajanahary.

“Maridrefy iray hafa tafiditra handrefesana ny fiantraikany eto,” hoy i Taylor, “dia hoe hatramin'ny naha-tompon'ny petra-bola be indrindra ny governemanta Norveziana ao amin'ny Statoil, dia tafakatra avo roa heny amin'izay fanampiana natolotry ny governemanta Norveziana ho an'i Tanzania hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantena ny tombom-barotra azon'ny governemanta Norveziana amin'io fifanarahana io”

Tao anatin'ny sehatra natao ho an'ny fanontaniana sy valiny, tao amin'ny bilaoginy, Zitto Kabwe, mpikambana ao amin'ny parlemanta sady filohan'ny kaomisiôna Fitantanam-bolam-panjakàna, dia nanasongadina sasantsasany tamin'ireo teboka fototra tao anatin'ilay antontan-taratasy tafaporitsaka, sady nanakiana ny tsy nanaovana ny PSA ho fanta-bahoaka. Tamin'ny 6 Jolay, lahatsoratra iray tao amin'ny “Daily News”, namaly an'i Kabwe ny TPDC tamin'ny fanamafisany fa tsy mitombina ny filazàna hoe ho very 1 lavitrisa dolara Amerikana isan-taona ny firenena. Notoherin'i Kabwe sy ny hafa tao amin'y Twitter ny fanehoankevitry ny TPDC, ary nangatahan'i Kabwe ny hitondran'ny TPDC fanazavana mikasika ny votoatin'ilay fifanarahana.

Araka ny lahatsoratra iray tamin'ny 19 Jolay tao amin'ny The Citizen, nanamafy nitàna ny toerana noraisiny ny TPCD nandritry ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety nataony ny 16 Jolay: ” nolavin'i Yona Killagane mafy, tale jeneraly vao avy niala tamin'ny toerany tao amin'ny TPDC, ny filazana fa hizaka fatiantoka 1 lavitrisa dolara Amerikana isan-taona ny firenena raha toa ka tanterahana an-tsakany sy an-davany ilay fifanarahana, araka izay nifanekena. Ho solon'izay, nohitrikitrihany ny hoe tahaka ny hahazo vola bebe kokoa sy hanana vintana betsaka hahazo tombony amin'ilay fifanarahana ny governemanta”

Tsy dia avela hahita mangirana loatra ny Tanzaniana raha vao resaka mangarahara momba ny fifanarahana hitrandraka loharanon-karena natoraly no resahana, saingy ity raharaha farany ity dia vao mainka manome toerana bebe kokoa ny tsy fitokiana. Vao mainka tsy manampy rehefa ny olona tahaka an-dry Patrick Rutabanzibwa (Sekretera maharitry ny Minisitry ny Angovo sy ny Harena an-kibon'ny Tany teo aloha ihany koa), lehiben'ny PanAfrican Energy, orinasa izay mampihodina ny “Songo Songo Gas” sy ny orinasa mpamokatra herinaratra ahodin-tsolika ao Ubungo any Dar es Salaam, no manamaivana ny raharaha.

“Tsy vitantsika ny miditra aminà fifanarahana fitrandrahana loharanon-karena tahaka izay nisy tamin'ny resaka harena an-kibon'ny tany sy ny solika ary ny entona amin'izao fotoana satria mbola ambany be ny fahafaha-manaontsika,” hoy i Rutabanzibwa. “Nefa raha mahazo hery ny Tanzaniana, hitsimbadika hifandanja ny mizàna avy eo. . . . Tokony hohadinointsika ny lasa ary manomboka manao fifanarahana fampiasam-bola manaraka ny lalàna eo amin'ny seha-panjakana momba ny entona voajanahary isika. Azoko antoka fa ho avy ny andro izay hahalasa ho an'ny fanjakàna ny fifanarahana rehetra ho fampiasam-bola.”

Ho an'ireo mpanelanelana mikatsaka tombontsoa manokana amin'ny fandraharahàna sy ny fampiasàna vola ao Tanzania, ny kiana dia mahatonga ny tontolon'ny fampiasana vola ho lasa fanamby sarotsarotra, toy ny sehatry ny entona, ary ny sasany aza tonga hatramin'ny fitenenana fa hiafara amin'ny fihenan'ny vola mankany amin'ireo faritra tsy dia raharahaina loatra io. Mety hiteny ny sasany hoe tsy ijerena izay ampahany anjaran'i Tanzania any, hisy ny tombontsoa amin'ny endrika asa ary ny firoboroboana eo an-toerana ho an'i Mtwara.

Somary very toky i Ben Taylor, mpandalina. “Ny loza iray goavana mitatao  ara-politika miaraka amin'ny solika sy entona,” hoy ny nosoratan'i Taylor, “dia ny mety handraisan'ireo politisiana sy manampahefana ambony azy io ho vola ‘mora azo’ izay tsy tafiditra ao anatin'ny karazana fanaraha-maso takian'ny mpandoa hetra rehefa mandoa ny hetrany ry zareo, na takian'ireo mpanome rehefa manolotra fanampiana ry zareo.

“Raha tsy misy olona – ny mpampahalala vaovao, politisiana, fiarahamonina sivily – manao dingana hanentsina ny banga, dia ho malalaka hatrany ireo mpandray fanapahankevitra ao amin'ny governemanta hamoaka izay fanapahankevitra mahadiavolana ny fony, tsy hiasa saina amin'izay filàna miaro ny tombontsoam-bahoaka. Mety hisanda dolara an-davitrisa maro ho an'i Tanzania ny  Statoil PSA  – saingy toa tsy misy olona miezaka manandrana ny hitaky tamberin'andraikitra amin'ireo manampahefana”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.