Sary 4 Ahitana Ny Zavakanto Andalambe Nataon'ilay ‘Banksy Iraniana’ Manandra-Peo Amin'ny Fiainana Ankehitriny any Iran

Nalaza haingana tao amin'ny Facebook sy ny witter ny sary graffiti sahisahy mandravaka ny rindrina sy ny tranon'i Teheran.

Ny zavakanto an-dalambe, izay fanehoan-kevitry ny zava-mitranga any Gaza sy ny fiainana any Iran, dia asan-tanan'artista tsy fantatra na vondrona artista fantatra ho Black Hand, mahazo anaram-bositra “Banksy Iraniana” avy amin'ny sehatra fifampitam-baovao sasantsasany. Tsy ara-dalàna ny Graffiti any Iran, na dia mamela ny zavakanto an-dalambe manohana ny Repoblika Islamika aza ny manampahefana. 

Mihaika ny governemanta ny asan-tanan'i Black Hand amin'ny fandrarana ny vehivavy tsy hahazo manatrika lanonam-panatanjahatena sy ny hosoka tamin'ny fifidianana tamin'ny 2009 izay nahitana olona an-tapitrisany nidina an-dalambe manohitra ny fifidianana “miezinezina (fikorisana)” an'i Mahmoud Ahmadinejad. Jereo ireto sary efatra ahitana asan-tanana mivezivezy amin'ny media sosialy amin'izao fotoana izao.

1. Ratran'i Gaza

Tonga indray ny graffitin'ilay artista iraniana Black Hand, ho fanohanana an'i Gaza tamin'ity indray mitoraka ity.

Tamin'ny graffitin'i Black Hand nalaza tamin'ny media sosialy, namoaka ny sary amin'ny rindrina ahitana ra mandriaka ambonin'ny voambolana “Gaza” tamin'ny 2012 ny Iraniana. Nisaotra ny mpankasitraka tao amin'ny Facebook avy eo ilay artista noho ny famelomana indray ilay zavakanto ho fanazavana ny fiverenan'ny herisetra misy indray eo amin'i Israely sy Gaza, izay namoizina Palestianiana mihoatra ny 200 hatramin'izao. Tao amin'ny famoahan-kafatra i Black Hand no ravo mahita ny Iraniana avy amin'ny fironana politika rehetra miray hina mijoro manohitra ny fandarohana baomba ataon'i Israely ao amin'ny tehezan-tany amoron-dranomasina.

2. Vehivavy sy Fanatanjahatena

Iran manasa ny hetsi-panoherana mitsiranoka. Indraindray i Black Hand dia heverina ho “Banksy-n'i Iran”

Ny sarin'ny vehivavy misalotra ny fanamian'ny mpilalao football Iraniana mitazona ambony ny ranoka fisasana amin'ny fomba mampahatsiahy ny fomba fitazonan'ny mpilalao ny Amboara Erantany ity dia nipoitra nandritra ny fotoana nifaninanan'ny ekipa tao Brezila tamin'ny volana jona. Black Hand namoaka ny sarin'ny zavakanto tao amin'ny Facebook.

Voarara tsy mahazo manatrika lalao baolina fandaka na volleyball eny an-kianja ny vehivavy, ka anatin'izany ny vehivavy mpanoratra gazety. Ny graffiti, izay hita teny amin'ny lalamben'i Teheran indray mandeha, dia norakofana loko mena taoriana kelin'ny nivoahany.

Tsy mazava tsara moa raha ny manampahefana no namotika azy na ilay artista no nanao izany ho fanoharana amin'ny tsy fisian'ny vehivavy any amin'ny fanatanjahantena.  

3. ‘Leo miady, tohizo amin'ny diplaomasia’  

Manome torohevitra ho an'ireo manao fifampiraharahana momba an'i Iran ao Vienna ilay artista an-dalambe Iraniana. Leo miady, tohizo amin'ny diplaomasia

Ny sarin'ny fonon-tanana fanaovana ady totohondry heverina hihantona mandritra ny fotoana maheritra ity dia miaraka amin'ny soratra manaeo hoe, “Leo miady, tohizo amin'ny diplaomasia.” Nanomboka nalaza tamin'ireo Iraniana mpiseran'ny media sosoialy ity sarin-javakanto ity nandritra ny herinandro raha nitohy ny fifampiraharahana momba ny nokleary tao Vienna.

Tsikaritra tamin'ny volana jona 2013 ity graffiti ity raha namarana ny vanim-potoana mafy nentin'ny filoha Ahmadinejad nanjakan'ny fifanenjanana vokatry ny fanavaozana ny programa nokleary sy ny fiantraikany izay nandravarava ny toekarenan'i Iran ny Iraniana. Nifidy ilay filoha mpandanjalanja teny Hassan Rouhani, izay nanao fampielezan-kevitra eo amin'ny sehatra diplaomatika sy hamaranana ny fifandonana sy ny fiantraikany niteraka krizy ara-toekarena, ny Iraniana

4. Fifidianana 2009 

Iray amin'ny graffiti tsara indrindra hitako tamin'ny fiainako. Asan'ilay Iraniana tsy fantatra. #Blackhand 

Nalaza tao amin'ny media sosialy ity tsikaritra volana jona ity, izay ahitana ny graffiti tsotra ny rohin'ny lahatsary YouTube tafaporitsaka ahitana ny komandin'ny Mpiandry Revolisioneran'i Iran miteny fa “tsipika mena” ho azy ireo ny fiverenan'ny reformista eo amin'ny fitondrana tamin'ny 2009, ka heverina fa sambany ny manampahefana nanaiky fa nandray anjara tamin'ny fangalaram-batom-pifidianana.

Avy eo dia voafidy indray tamin'ny fifidianana ny filoha tamin'izany fotoana izany Ahmadinejad, saingy an-tapitrisany no resy lahatra fa nisy ny hala-bato. Niparitaka tao amin'ny Hetsika Maitso ny fahatezerana tamin'ny voka-pifidianana, izay nahitana fidinana an-dalambe an-tapitrisany naharitra am-bolana taorian'izay mandra-pahatongan'ny fihaonambe tamin'ny Febroary 2010 izay nofoanana tamin-kerisetra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.