Nomelohina Ho Manao Fampihorohoroana Tao Etiopia Ireo Bilaogeran'ny Zone 9

Zone 9 bloggers Zelalem Kibret, Edom Kasaye, and Befeqadu Hailu. Photos used with permission.

Bilaogeran'ny Zone 9: Zelalem Kibret, Edom Kasaye, sy Befeqadu Hailu. Sary nahazoan-dalana.

Nomelohin'ny Fitsarana Ambony Lideta, ao Ethiopia omaly noho ny fampihorohoroana sy fihetsika mifandraika amin'izany ireo bilaogera sy mpanao gazety sivy, izay mpikambana ato amin'ny Global Voices ny efatra amin'izy ireo. Nosamborina sy notànana tao Addis Ababa tamin'ny 25 sy 26 Aprily, nogadraina izy ireo nanomboka teo noho ireo fiampangana tsy ara-dalàna mikasika ny “fiaraha-miasa amin'ireo fikambanana vahiny izay milaza fa mpikatroka ny zon'olombelona ary … mandray vola hoentina hitarihana herisetram-bahoaka amin'ny alalan'ny media sosialy.” 

Tsy nampandrenesina mialoha mikasika ity fotoam-pitsarana ity ny mpisolovavan'ireo voampanga sy ny fianakaviany, ka tsy nanana mpisolovava izy ireo nandritra ny famoahana ireo fiampangana azy ireo. 

Nitatitra ny bilaogy Zone9 Trial Tracker, tantanina loharanom-baovao akaikin'ireo voampanga fa anisan'ny fiampangana azy ireo ny fiarahamiasa amina fikambanana nosokajiana ho “mpampihorohoro” amin'ny governemanta Etiopiana, ny fandraisana anjara tamina fiofanana momba ny fandefasana mailaka miafin-tsoratra ary ny fanaovana “fikambanana miafina”. 

Nilaza tamin'ny AFP ny mpisolovavan'ireo bilaogera fa tsy ahitana ” fototra azo inoana” ireo fiampangana. Naneho ny fahaterezany noho ireo fiampangana ireo tao amin'ny Twitter, tamin'ny alalan'ny diezy #FreeZone9Bloggers  ireo mpanohana manerana izao tontolo izao. Yoseph Mulugeta, solontenan'ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona teo aloha tao Etiopia, izay manaraka akaiky ity raharaha ity, nisioka hoe: 

Fiampangana 19 pejy namboamboarina saingy tsy milaza ny Zone9 amin'ny anarany. Na dia iray monja aza. Tsy azo isalasalana fa mampihoro-koditra ireo fahavalon'ny fahalalaham-pitenanana ilay marika (anarana) #FreeZone9Bloggers

Indrisy fa lasa mahazatra amin'reo mpanoratra gazety politika ao amin'ny firenena ny lalàna mampiadihevitra amin'ny ady amin'ny fampihorohoroana, izay nolaniana tamin'ny taona 2009. Niatrika fiampangana mitovy amin'izany ihany koa ireo mpanao gazety Eskinder Nega sy Reeyot Alemu izay nogadraina tao amin'ny fonjan'i Kalaity ao Addis Ababa nanomboka tamin'ny taona 2011. Voalaza fa namoaka ny vesatra fiampangana noho ny fiofanana sy fanohanana ara-bola avy amina vondrona politika Etiopiana roa miorina ao Eoropa sy Etazonia ihany koa ny lehiben'ny fampanoavana. Nanamarika ny Trial Tracker fa samihafa ara-poto-kevitra ireo vondrona roa ireo. 

Araka ny filazan'ny tati-baovao, voampanga ho nivondrona miafina tao anatin'ny fikambanana bilaogera “Zone 9″ ihany koa ireo bilaogera sy mpanoratra gazety, fiampangana hafahafa, noho ny maha-fata-bahoaka ny bilaogy Zone9 sy ireo hetsika ataon'ny vondrona.

Amin'ny 8 Aogositra indray no hanaovana ny fotoam-pitsarana ny vondrona. Tsidiho ny Trial Tracker Blog raha hanaraka ireo vaovao farany mikasika ity raharaha ity sy te-hahafantatra ny fomba ahafahanao manohana ny Zone9.

Free Zone9 Bloggers campaign image. Created by Hugh D'Andrade, remixed by Hisham Almiraat.

Sary Fanentanana “Free Zone9 Bloggers”. Noforonin'i Hugh D'Andrade, namboarin'i Hisham Almiraat.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.