Ireo Fanehoankevitra 5 Faran'izay Tsy Miraharaha Indrindra Ny Fidarabohan'ny Sidina MH17 Tao Okraina

So much for "knowing that feel," when it comes to polemics surrounding the downed Malaysian airliner. Images mixed by Kevin Rothrock.

Be loatra ny “efa fantatra izany,” rehefa ny fifamalian-dresaka manodidina ilay voromby Maleziana nazera no resaka. Sary nafangaron'i Kevin Rothrock.

Nalaky be ireo Rosiana manampahefana, politisiana, ary olon'ny fampitam-baovao, tamin'ny fanehoankevitra momba ny fianjeràn'ilay MH17 an'ny Malaysian Airlines, izay nidaraboka tany atsinanan'i Okraina ny Alakamisy 17 Jolay. Nifampiampanga, nifanameloka ho nitifitra fiaramanidina sivily sy namono olona efa ho 300 tao anatiny ny andaniny sy ankilany, manampahefana ao Kiev, Maosko, ary Donetsk.  Ao anatin'ny fihetsehampo tafakatra avo dia avo, misy fanambaràna henjana azo isaina amin'ny rantsan-tànana, nalefan'ireo olo-malaza avy ao Maosko sy Donetsk, nahasarika ny sain'ireo Rosiana mpisera amin'ny aterineto. 

1. Tamin'ity tranga ity, tsy izahay no nanao azy.

Somary hafahafaha ihany fa tsy dia nahafantatra tsara intsony i Aleksandr Boroday, ilay nanora-tena ho praminisitra ao amin'ny Repoblika entim-Bahoaka ao Donetsk, na tafiditra na tsia amin'io loza io ny mpikomy:

Indrisy, ity ny fehezantenin'ny anio. [mivaky toy izao, “Raha tena fiaramanidina misahana ny ara-barotra tokoa iny dia tsy izahay araka izany” Alexandr Boroday.]

2. Tena misy dikany ve ny mahalala izay nanao azy iny?

Leonid Kalashnikov, lefitry ny filohan'ny Kaomity parlemantera Rosiana misahana ny raharaha iraisampirenena dia nilaza tamin'ny TV Rain fa tsy dia misy dikany loatra ny hahalàla ny hoe iza no hohelohina tamin'ny fanjeràna ilay voromby:

“Вам что, легче станет, если узнаете, кто сбил самолет?”

“Dia inona, hahatsaratsara anareo ve raha toa ka fantatra hoe iza no nitifitra nanjera ilay fiaramanidina?”

3. Ny lozaben'ny tsanganana fahadimy.

Tamin'ny fiasàna saina momba ny hoe ireo Rosiana liberaly sy ireo Okrainiana  “mpanao fampielezan-kevitra” no nanely ny betsaka tamin'ny fihetsehampo tahaka izany (izany hoe, kianin-dry zareo ny politika Rosiana ao Okraina), noheverin'i Konstantin Rykov avy amin'ny antoko politika mitondra ao Rosia fa tokony hambara ity:

Anatin'ny fotoana tahaka ireny dia mazava tsara ny hoe iza no manantena inona sy ny hoe inona marina no tadiavin-dry zareo… ireo liberaly sy Okrainiana mpanao fampielezan-kevitra eto amintsika izay mitolona mafy ho amin-javatra mitovy.

4. Tsotra fotsiny: aza manameloka na iza na iza.

Margarita Simonyan, lehiben'ny “Russia Today” dia mametraka ilay loza ho nateraky ny tsy fahampian-tsain'ny Sovietika fahiny:

Efa niasa nandritry ny fotoana ela tao anatn'ny ati-fo lalin'ny vaovao mafàna isankarazany aho, fa tena tsy mino mihitsy ny fisian'ny fanaovana tetika firaisana tsikombakomba. Saingy tena mino ny amin'ny korontana Sovietika tsotra izao. 

5. Mpikomy? Mpikomy inona?

Ny farany fa tsy ny maivana indrindra dia ny fanehoankevitr'i Vladimir Putin izy tenany mihitsy, izay niteny tamin'ny ITAR-TASS fa Kiev no tompon'andraikitra amin'ny habakabak'i Okrana izay fehezin'ireo mpihoko ny any atsinanana.

“Безусловно, государство, над территорией которого это произошло, несет ответственность за эту страшную трагедию. […] Этой трагедии не произошло бы, если бы на этой земле был мир, не были бы возобновлены боевые действия на юго-востоке Украины”

“Mazava loatra, ny fanjakana izay nisehoan'izany tao amin'ny taniny no tompon'andraikitra amin'iny loza mahatsiravina iny. […] Mety ho tsy nitranga iny loza mahatsiravina iny raha toa ka nisy ny fandriampahalemana tao amin'io tany io, raha tsy nitohy ny ady tany Atsimo Atsinanan'i Okraina.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.