Mandrava Trano Fiangonana Sy Manaisotra Ireo Lakroà Sasany I Shina, Nefa Milaza Fa Tsy Mamely Ny Kristianisma

A T-shirt design calling for the stop in church demolition campaign. Image from Weibo.

Sary amin'ny T-shirt miantso ho amin'ny fampitsaharana ny hetsika fandravana trano fiangonana. Sary tao amin'ny Weibo.

Nandrava trano fiangonana maherin'ny 10 ny manampahefana Shinoa ary nanaisotra lakroam-piangonana an-jatony tao amin'ny faritra Zhejiang, izay mampiantrano ireo mponina Protestanta marobe ao Shina, hatramin'ny fiandohan'ny taona. Fotodrafitrasa teo amin'ny 360 teo no niharan'izany.

Anatin'ny hetsika “Fanitsiana telo sy Fandravana Iray” izay mikendry ireo tranobe tsy ara-dalàna ny fanohizan'ireo manampahefana ny fanesorana sy ny fandravana, saingy miantso izany ho fanapenam-bava ny fivavahana ireo mpiaro ny zo ara-pivavahana.

Niteraka fifandonana marobe tao amin'ny faritra Zhejiang izany hetsika izany. Ity manaraka ity ny sary navoakan'ny Radio Free Asia mampiseho ny vahoaka manosika ireo manampahefana miezaka manaisotra lakroam-piangonana tao Yueqing, tanànan'i Wenzhou tamin'ny volana Jiona:

Raha anisan'ny porofo ireo sary ao amin'ny media sosialy, dia manohitra izay antsoin'izy ireo ho fanenjehana amin'ny fomba vaovao koa ny Krisitianina, tahaka ny hetim-bolo amin'ny endrika lakroà (hazo fijaliana) sy T-shirts miantso ho amin'ny fampitsaharana ny hetsika fandravana.

Tombanana hahatratra eo amin'ny 160 tapitrisa eo ny vahoaka Krisitiana ao Shina amin'ny taona 2025 ary hanjary mponina Kristiana betsaka indrindra manerantany (ao amin'ny firenena iray). Tsy mpino an'andriamanitra ny firenena amin'ny fomba ofisialy fa manaiky (ny fijoroan'ny) Bodisma, katolisisma, Islamo, protestantisma ary ny taoisma, fa mahatonga ireo mpikambana sasany ao amin'ny Antoko Komonisma ho tsy mahazo aina ny fitomboan'ny Kristianisma haingana dia haingana. Nilaza i Feng Zhili, filohan'ny komitin'ny raharaham-pivavahana sy ny foko Zhejiang fa tafahoatra sy kitanontanona loatra ny fitomboan'ny Kristianisma haingana.”

Tamin'ny volana Aprily ny hetsika tena miavaka tamin'ny fandravana ny trano fiangonana Sanjiang, nosoratana tamin'ny Hetsika Fitiava-tanindrazana Telo tsy miankina ofisialy izay hany fiangonana Protestanta tokana eken'ny fanjakana. Nilaza ny governemanta fa tsy ara-dalàna ny fananganana ny fiangonana ao amin'ny faritanin'i Yongjia.

Tamin'izany fotoana izany, nandrisika ireo Kristianina Shinoa ny Pastora Yang Mushi mba hanangana fiangonana ao am-pon'izy ireo (tao amin'ny Feon'ny Fiangonana Shinoa):

Throughout church history, pressure from the outside has only made the gospel spread more and more. This is because the gospel is not contained in a visible structure. Tears may be in our eyes today, but we can also see a greater revival coming. What we see is not the end, but a new road leading to a new door.

When it comes to our faith, the word jiaohui (church, congregation, fellowship) is not the same as jiaotang (church building). It may be possible to deal violently with a jiaotang, but not with the jiaohui. Christians shouldn’t be so sad. Maybe this is a good time to reflect and wonder if we have put too much focus on church buildings. With this jiaotang now destroyed, we should focus our efforts on building the jiaohui.

Nandritra ny tantaran'ny fiangonana, nahatonga ny filazantsara (toriteny) niely hatrany hatrany ny teritery avy any ivelany. Satria tsy atao ao anaty rafitra hita-maso ny Filazantsara. Mety latsa-dranomaso isika ankehitriny, saingy afaka mahita fihavaozana goavambe hoavy indray ihany koa. Tsy mbola ny farany izao hitantsika izao, fa lalam-baovao mitondra any amin'ny varavaram-baovao.

Raha mihatra amin'ny finoantsika izany, ny voambolana Jiaohui (fiangonana, fikambanana masina, finamanana) dia tsy mitovy amin'ny jiaotang (tranom-piangonana). Mety azo atao ny mamely an-kerisetra ny jiaotang, fa tsy amin'ny Jiaohui. Tsy tokony halahelo ny Kristianina. Angamba fotoana mety izao handinihana sy hanontaniana raha mifantoka be loatra amin'ny tranom-piangonana isika. Amin'izao jiaotang rava ankehitriny izao, tokony hifantoka amin'ny fananganana ny Jiaohui ny ezaka ataontsika.

Tao amin'ny Twitter, @milpitas95035 namariparitra fomba milamina hafa hanoheran'ny Krisitianina ny famoretana ny fivavahana:

Mifamatotra amin'ny fanenjehana ny fivavahana ny fandravana fiangonana sy lakroà, nanomboka nitafy T-shirt ahitana hafatra sy nanatontosa fihetsiketsehana teny an-dalambe ary fivoriana manohitra ny fandravana ankaterena ireo Kristianina tao Wenzhou.

Hetim-bolo miaraka amin'ny hazo fijaliana – endrika fihetsiketsehana manohitra ny fandravana an-katerena. Manohitra ny fanesorana lakroà i @YaxueCao ao Zhejiang.

Tao amin'ny Sina Weibo mitovy amin'i Twitter, Fiangonana Kristianina Yongling namariparitra ireo valin-teny samihafa momba ny hetsika fandravana:

现在基本上有四种情况:一、自拆,帮政府主子效力,犹大;二、签字同意让政府来拆,屈膝在巴力之前,投降派;三、坚定守护但被强拆,守住信仰底线,忠贞派;四、想方设法抗争到底,宁拆教堂不拆十字架,献身祭坛派。逼迫是一面鏡子,照出人的本相,让人无处藏身,上帝真伟大!

Ambangovangony, misy karazany efatra ny setriny: 1 Fandravana tena, miasa hoan'ny governemanta sy manao tahaka an'i Jodasy izy ireo. 2. Manasonia fifanekena sy mamela ny governemanta handrava ny trano. Mandohalika amin'ny fahefana izy ireo, mitolo-batana; 3. Miaro ny fiangonana hatramin'ny fotoana farany hanerena ny fandravana. Mihazona ny fototry ny finoany izy ireo, anisan'ny mahatoky izy ireo; 4. Manohitra ny fandravana amin'ny fomba rehetra. Misafidy hiaro ny Hazo-fijaliana fa tsy ny tranom-piangonana izy ireo, ireo no maritiora. Tahaka ny fitaratra ny fandravana, izay mampiseho ny voajanaharin'ny olombelona, ary tsy misy toerana ahafahanao miafina. Voninahitra hoan'Andriamanitra.

Mpisera iray “A flower on the river (Voninkazo ao an-drenirano” nampitandrina fa tsy ho tsara ny fiafaran'ny fanenjehana ny fivavahana ao Shina:

那个历史阶段政局不稳,那个历史阶段就拆教堂。这样做根本不能解决基督教徒的信仰问题。只能在社会上埋下仇恨的种子。

Milaza amintsika ny tantara fa raha misy ny tsy fahatomombanana ara-politika, dia ravàna ny fiangonana. Tsy hanala ny olona amin'ny finoana ny Kristianisma ny fihetsika tahaka izany, hampiely fankahalàna fotsiny izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.