Tsy Tian'ny Tranomboky Singaporeana Hovakian'ny Ankizy I Tango Sy Ny Rainy Roa Mifankatia

Many Singaporeans reacted strongly to the banning of the three children's books. As a protest, they gathered in front of the National Library Board where they read the banned books, including the 'gay penguin book'. Photo by Olivia Tan from the Facebook page of 'Lets read Together'

Singaporeana marobe no nanohitra mafy ny fandraràna ireo boky telo hoan'ny ankizy. Ho mariky ny fihetsiketsehana, nitangorona teo anoloan'ny Foiben'ny Holafitry ny Tranombokim-pirenena izay namakian'izy ireo ny boky voaràra izy ireo, anisan'izany ny ‘boky pingouin pelaka’. Sary avy amin'i Olivia Tan tao amin'ny pejy Facebookn'ny ‘Lets Read Together (Andeha hiara-hamaky boky)’

Noraràn’ny Holafitry ny Tranom-bokim-pirenena (NLB) sy nopotehiny ny kopian'ireo boky telo hoan'ny ankizy izay miresaka momba ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana sy ny fananganan-jaza taorian'ny nahazoan'izy ireo fitarainana fa “tsy manohana ny fianakaviana” ireo boky ireo.

Nesorin'ny NLB ireo boky “‘(And Tango Makes Three) Ary Tonga Telo i Tango”, ‘Who's In Your Family (Iza no ao anatin'ny Ankohonanao)’, ary ny ‘The White Swan Express (Zotra Gisa vahiny Fotsy)’, notsongaina tamin'ny tantara marina momba ireo pingouin lahy roa izay nanangana zazakely pingouin tahaka ny zanak'izy ireo manokana tao amin'ny vala fitehirizam-biby ao New York  ny boky “And Tango Makes Three”.

Teo Kai Loon, mpikambana ao amin'ny vondrona Facebook antsoina hoe “Manohitra ny [Pink Dot] Teboka Raozy Singapore izahay”, nanoratra tany amin'ny NLB mikasika ny tsy fetezan'ny fampidirana ireo boky telo ao anatin'ny sehatra hoan'ny ankizy. Ankalazaina isan-taona ao Singapore ny Pink Dot ho fampiroboroboana ny fahasamihafana, ny fandeferana, sy ny fanekena ny fiarahamonina LGBT.

Namaly izany avy hatrany i Tay Ai Cheng, tale jeneraly lefitra sady lehiben'ny tranom-boky ao NLB tamin'ny fanomezana baiko hanaisorana ireo boky ireo ao amin'ny tranom-boky. Nampanantena ilay olona nitaraina ihany koa izy fa “mandray fepetra hentitra ny NLB amin'ny fanohanana ny fianakaviana amin'ny fifantenana ireo boky.”

Tamim-pahasosorana no nandraisan'ireo vahoaka mpamaky boky izany fanapaha-kevitra izany, indrindra ireo renim-pianakaviana sy mpampianatra eny amin'ny oniversite. Nandrisika ny NLB mba hanohitra ny fandrahonan'ireo kaonservativa vitsy an'isa i Rachel Zeng, mpampianatra:

[…] as a resource centre of knowledge, the National Library Board (NLB) should maintain a diverse collection of reading materials in your libraries that will cater to the educational needs of everyone from as young as 18 months old to those who are 60 and beyond. It should not limit the availability of knowledge by pandering to the standards of a conservative minority.

[…] Amin'ny maha-foiben'ny loharanom-pahalalàna azy, tokony hitahiry angona fitaovana vakinteny isan-karazany ao amin'ny tranom-bokiny ny National Library Board (NLB) ka hamaly ny filàn'ny fampianarana hoan'ny tsirairay manomboka amin'ny faha-18 volana hatramin'ny 60 taona mihoatra.Tsy tokony hoferana ny fahafahana manome fahalalàna noho ny fankatoavana ny fitakian'ny kaonservativa vitsy an'isa.

Nanontany tena ny mpiserasera sasany hoe nahoana no misy vondrona Facebook afaka manery ny NLB hanome baiko hanaisotra ireo boky ireo. Helen Scida nanontany hoe:

[…] if these books passed the initial selection tests of the library organization in the first place why is it a Facebook group, of all things, has enough clout to demand their removal?

[…] Raha tafita tamin'ny fifantenana tany am-boalohany nataon'ny fikambanan'ny trano famakiam-boky voalohany indrindra ireo boky ireo, nahoana no vondrona Facebook, ankoatra ny  rehetra, no manana hery hitaky ny fanesorana ireo boky ireo?

Dr Justin Richardson, iray amin'ireo mpanoratra ny “And Tango Makes Three”, nilaza tamin'ireo mpiserasera nandritra ny antsafa nataony fa toy ny mandefa “hafatra masiaka amin'ny fihetsiky ny governemanta manoloana ny fahalalaham-pitenenana amin'ny ankapobeny sy amin'ny pelaka sy lesbiana manokana ny fihetsiky ny NLB “.

Namerimberina hafatra sahala amin'izany ihany koa ireo mpanoratra Singaporeana marobe ary ny sasany tamin'izy ireo aza nandà tsy handray anjara sahady amin'ny hetsika izay tohanan'ny NLB. Tamin'ny Alahady lasa teo, olona maherin'ny 400 no nitangorona teo anoloan'ny NLB mba handray anjara amina hetsika famakiam-boky faobe ho mariky ny fihetsiketsehana. Nampiely ny kopian'ireo boky noraràna ihany koa izy ireo.

Nihevitra kosa i Jashuat, renim-pianakaviana fa manao zavatra mifanipaka amin'ny andraikiny mampiroborobo ny fianarana ny NLB:

NLB’s ban and subsequent defence of its action displays a very narrow definition of family. Again, this is against promoting learning, one of NLB’s mission. Are gays not part of a family, not someone’s child, brother, friend? By banning the book, NLB was being silly and bowing to pressure from a small group of Singaporeans’ personal belief and value system. By stubbornly defending their action, NLB is stamping approval and endorsing that narrowly defined view of what family is.

Mampiseho famaritana tery tanteraka momba ny fianakaviana ny fandraràn'ny NLB sy izay fiarovana ny fihetsika nataony. Averina indray, manohitra ny fampiroboroboana ny fianarana, iray amin'ireo andraikitry NLB izany. Tsy anisan'ny fianakaviana ve ireo pelaka, tsy zanak'olona, rahalahy, namana? Amin'ny fandraràna ny boky, tena ketrina ny NLB ary nilefitra manoloana ireo fanerena avy amin'ny vondrona madinika manana rafi-pinoana sy hasina Singaporeana azy manokana . Amin'ny fiarovana amim-pikirizana ny fihetsiny, mampiseho fankatoavana sy fankasitrahana izany fomba fijery ety dia ety mikasika ny atao hoe fianakaviana izany ny NLB.

Niampanga ny NLB ho tsy tompon'andraikitra sy tsy mandala ny rariny ny taratasy misokatra nosoratan'i Ng Yi-Sheng, Lim Jialiang, ary Chen Liyan. Manan-tsafidy tsy hindrana ireo boky ireo ny ray aman-dreny tsy te-hampamaky ny zanany izany boky izany, hoy izy ireo nilaza.

The 'Let's read Together' event gathered 400 people in front of the National Library Board. Image from Facebook event page

Hetsika ‘Andeha hiara-hamaky boky’ nahangona olona 400 teo anoloan'ny Foiben'ny Tranombokim-pirenena. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'ny hetsika

Nandritra izany, mahatakatra ny antony mahatonga ny tranomboky hanao izany ny Wacky Duo, renim-pianakaviana bilaogera hafa, saingy tsy miombo-kevitra kosa amin'ny fanapaha-keviny hamotika ny boky:

To ban it to protect the younger ones is one thing, to pulp the books is akin to a witch hunt, where innocents perish with the guilty. …A simple alternative would be to move it to young adults section, which at the recommended age group, one would be able to make their own judgment on the books content.

Zavatra iray ny mandràra sy miaro ireo ankizy, mitovy amin'ny hazalambo ihany ny famotehana boky, ka maty miaraka amin'ireo meloka ny tsy manan-tsiny. … Ny vahaolana tsotra dia ny mamindra izany (boky) any amin'ny sehatra hoan'ny tanora lehibe, ka amin'ny sokajin-taona manokana, dia afaka maneho ny fijeriny manokana mikasika ny votoatin'ireo boky ny tsirairay.

Niaro ny NLB i Yaacob Ibrahim, minisitry ny fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao. “Manana adidy amin'ny fiarahamonina ny tranom-bokim-pirenena ary rariny raha manome lanja ireo fenitra ara-piarahamonina izy ireo” hoy izy. “Ireo fenitra misy ankehitriny, izay eken'ny ankamaron'ireo Singaporeana, dia manohana ny fampianarana ny ankizy momba ny fianakaviana ifanekena, fa tsy momba ny endri-pianakaviana hafa sy tsy nentim-paharazana, izay lazain'ireo boky ireo.

Nanasongadina ny fifandonana mitohy eo amin'ny hery kaonservativa sy ny fiarahamonina miaka-danja izay manaiky ny firahamonina pelaka sy miaro ny zon'ny LGBT ity olana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.