Ezaky ny Filoha Zambiana Hanaporofona Avy Amin'ny Sary Ao Amin'ny Facebook Fa Hentitra Izy Amin'ny Asa. Tsy Resy Lahatra ny Sasany

President Michael Sata reportedly addressing a Cabinet meeting upon his return from Israel where he was admitted to a hospital. This is one of the pictures that was sent to media houses and also appeared on the President's Facebook page.

Voalaza fa nampiantso fivorian'ny kabinetrany ny Filoha Michael Sata taorian'ny fiverenany avy any Israely, toerana nitsaboany tena tany amin'ny hopitaly. Ity no iray amin'ireo sary nalefany ho an'ireo trano famoaham-baovao sy navoaka ihany koa ao amin'ny pejy Facebook-n'ny filoha.

 

Rehefa namoaka sarin'izay lazaina ho fivorian'ny kabinetrany ho an'ny gazety tao an-toerana sy ny Facebook ny tariky ny Filohan'i Zambia ka namoaka azy ireny tao amin'ny Facebook, dia toa nidika ho fampatoriana ny honohono izy ireny, izay nilaza fa tsy tsara no sady tsy miasa ity mpitarika ity.

Tsy araka izay anefa, vao mainka ireny sary ireny nitsoka ny afon'ny kiana, ary nametrahan'ny sasany ahiahy mihitsy ny maha-tena izy an'ilay fivoriana satria tsy misy feo na lahatsary entina manohana azy io.

Nanomboka tamin'ny fandaozana mangingina ny firenena nataon'ny filoha tamin'ny 20 Jona 2014 izy ity. Ilay tranonkala Zambiana “Watchdog” no nampibaribary ilay dia, tamin'ny nitaterany fa tonga any Israely ny filoha ary nampidirina hopitaly. Ny mpitondra tenin'ny governemanta avy eo no nanamafy ny fisian'ilay fivahinianana, saingy niteny fa fialantsasatra arahan'asa no nalehan'i Sata any Israely.

Nitondra ho amin'ny fahadisoam-pamindran'ny harofenitra ny zava-miafina manodidina ilay fivahinianana, izay vetivety dia notsaingohan'ny olom-pirenena. Andro roa taorian'ny dian'i Sata, ireo mpiambina mpanao porizenitra sy izay mari-pamantarana ny fiadidiana ny lapa, saina volomboasary misy galona mivoitra, izay samy tokony esorina mandritry ny fotoana tsy maha-eo an-toerana azy, dia mbola teo amin'ny lapam-panjakana daholo tao amin'ny distrika afovoan'ny renivohitra.

Tokony ho volana iray taorian'izay, nanjavozavo tamin'ireo Zambiana ny hoe hiverina an-tanindrazana sa tsia ny filohany, izay volana vitsy talohan'izao no efa hita ho tsy salama. Nitatitra ny “Zambia Reports” , politsiana-mpisolovava iray, Sakwiba Sikota,  fa tamin'ny 6 Jona no fanavaozam-baovao farany tao amin'ny pejy Facebook-n'ny filoha — zavatra iray mahagaga satria efa nahazatra ny nahita fanavaozam-baovao matetika tao amin'ilay pejy.

Nanoratra mikasika ny fitsaharan'ny Famoahana tao amin'ny Facebook ny “Zambia Reports” :

Tahaka ny nandao ny toerany daholo ny rehetra ary samy manilika andraikitra. Tsy sahala amin'ny hanihany ve ny hoe taorian'ny fanavaozam-baovao alefa efa ho isan'ora isan'andro vaky izao tao amin'ny Facebook ho ao amin'ny pejy facebook-n'ny filoha dia tsy nisy intsony fanavaozana hatramin'ny 6 Jona?.

Amin'io elanelana ao amin'ny Facebook-n'i Sata io, somary tamim-panesoana no nanamarihan'i Sikota hoe.:

Misy zavatra sasany eo amin'ny fiainana izay toa mamy kokoa tsy mety mankaleo anao mihitsy. Heveriko fa tsaroantsika tsara ny tsiron'ny tantely na izay tsiro hafa nohanintska voalohany. Ny zava-mamy na tsiro iray tahaka izany no foto-tsakafo namahànana antsika sy nanjary nahazatra antsika, dia ny filoha Michael Sata milay sy tsy mahalala fomba. Ary iza no hahavita hanadino ireo fanavaozam-baovao mifono hafanana sy namantarana azy manokana. tsy tapaka tao amin'ny pejin'ny Filoha Hajaina? Ny sasany toy ny fanenon'ny iray izay mampahafantara antsika ny fivezivezeny rehetra, nalefa tamin'ny 4 Aprily tamin'ity taona ity izay mivaky hoe: “Arahaba maraina sy Namako Malala, efa dian'ny miverina mody aho izao avy namonjy ny fivoriana nahitam-bokatra niarahana tamin'ny Fiombonambe Eorpeana – ny Fihaonambe Afrikana tao Bruxelles, Belzika. Nandao an'i Bruxelles, hihazo an'i Lusaka aho rehefa avy nandalo an'i Amsterdam. Mirary fahasalamana ary manaova faran'ny herinandro mahafinaritra. MCS [Michael Chilufya Sata] – 04/04/14″.

Andro roa taty aoriana, tao anaty resaka iray mikasika ny tetikasa goavana iray mahenika ny firenena no nalefa ny sary lazaina fa avy aminà fivorian'ny kabinetra natao ny 14 Jolay ho any amin'ireo trano famoaham-baovao sy tao amin'ny Facebook ihany koa. Mampisalasala ny foibem-pahitalavitra iray ao an-toerana, Muvi, sy ny BBC ny amin'ilay fivoriana.

Nandà tsy hampiasa ireo sary tao amin'ny “Zambian Economist”, izay azy, i Chola Mukanga, tamin'ny filazàna hoeg:

Indrisy fa tsy afaka manamarina ny maha-tena izy ireo sary telo ireo ny “Zambian Economist”, izay fantatray fa azo jerena tsara any amin'ny tranonkala hafa. Tsy manana fotsiny izao ny lahatsary na ny rakipeo mifanaraka amin'ireo sary ireo izahay. Noho izany, tsy fahaizan'andraikitra avy aminay ny hizara sary tahaka izany sy hanosotra azy ireny ho “ofisialy”  satria mety hitarika hadisoan-kevitra amin'ny vahoaka izany.

Tao amin'ny Twitter, nandanjalanja ny tsy maha-eo an-toerana an'i Sata ny olom-pirenena :

Araka izany, na eo aza ny famoahana sarin'ny “Filoha Sata nitarika fivorian'ny kabinetra” omaly, mbola apetrak'i #Zambia ihany ny fanontaniana #aizanyfiloha?

Iray hafa no nanontany tena ny amin'ny anton'ny tsy isian'ny vaovao fampahafantarana ara-potoana :

Hatraiza no fetran'ny mistery manodidina ny Fiadidiana ny Lapam-panjakana? #Zambia http://t.co/nvm5yv5ntN

Mipoaka ny hatezerana :

@AfriWoman Raisin'ny governemanta ho zavatra efa azy tsy azo esorina aminy ny mpifidy. Misy tamberin'andraikitra tsy maintsy efain'i Sata sy ny tariny manoloana ny vahoaka fa tsy ny mifanohitra amin'izany mihitsy.

Mandritry ny tsy maha-eo an'i Sata, ilay mpikatroka mafàna fo, Brebner Changala, dia nanangona sonia ho an'ny Fitsaràna Tampony mba hanery ny kabinetra hiara-hametraka kaomisiona momba ny fahasalamana handinika ny amin'i Sata ary hamaritra ny mbola fahafahany na tsia hanohy ny asa maha-filoham-panjakana azy. Nolavina ilay izy saingy nohavaozin'i Changala ny fanangonan-tsonia nataony.

Andro vitsy nialoha ilay lazaina ho fivorian'ny kabinetra, nanaovan'ny Business Day, avy ao Afrika Atsimo, lahatsoratra fitsikeràna ny sasany amin'ireo fivoahana mangingina nankany ivelany nataon'i Sata, izay sarontsaronana amin'ny fomba filaza hoe fialantsasatra arahan'asa nataon'ny biraon'ny filoha sy manampahefana hafa avy ao amin'ny governemanta. Raha anaovana topi-maso malaky ny kiana ao amin'ny media sosialy, toa sahala aminì'ny tsy nandaitra ilay fanarontsaronana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.