Manamafy Ny Fanakendàny Ny Aterineto Ny Fitondrà-miaramila Thai

The National Council for Peace and Order (NCPO) is the official name of the junta government in Thailand. Photo from NCPO Facebook page

Ny Filankevitra Nasionaly Ho amin'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana (NCPO) no anarana ofisialy governemantan'ny fitondrà-miaramila ao Thailand. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook-n'ny NCPO

Nanomboka taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny May ny fomba fanaraha-maso ny fahalalahana maneho hevitra ety anaty aterineto ataon'ny fitondrà-miaramila Thai no lasa tena natanjaka sy saro-bahana.

Fandalinana iray nataon'ny Citizen Lab handrefesana ny fahafahana miditra aminà tranonkala ao Thailand nanomboka ny 22 May hatramin'ny 26 Jona tamin'ity taona ity no nanamafy fa rohy 56 no voabahana ao amin'ny firenena. Marobe ny famoaham-baovao anaty aterineto (avy ao an-toerana sy iraisampirenena), mpanakiana ilay fanonganam-panjakana no voasivana, miaraka amin'ireo kaonty anaty media socialy izay heverina ho mizara hafatra lazaina fa “manohitra fanonganam-panjakana”, ary ireo fitaovana fandinganana sàkana.

Na dia olana foana aza ho an'ireo governemanta Thai nifandimby, voafidy na tsia, ny fanivànana aterineto, dia tsy mandeha ilàlany ireny fomba fanaon'ny manampahefana avy amin'ny governemanta ireny hatramin'ny teo aloha kely teo. Ny ankamaroan'ny fanivànana dia nikendry ireo votoaty mifandray amin'ny resaka fiarovana sy olana sosialy, toy ny filokàna, ny vetaveta ary ny fampihorohoroana.  Saingy taorian'ny fampidirana ny Lalàna momba ny Heloka Bevava Amin'ny alalan'ny Solosaina, tamin'ny 2007, ny fifangaroana mahafaty eo amin'ity sy ilay Lalàna momba ny fanivaivana mpanjaka (Lese Majeste) dia niafara tamin'ny fiakarana be amin'ny resaka fanenjehana ara-politika. Satria nihahenjana ny fifandiranapoltika ao Thailand, lasobatra bebe kokoa ety anaty aterineto ireo olona sy vondrona mpanohitra ara-politika. Ary hita ho manao betsaka ny fanivànana ireo mpanome tolotra aterineto tantanan'ny fanjakàna toy ny “TOT”  raha oharina amin'ireo tsy miankina toy ny  “True Corporation”. 

Taorian'ny nanaovan'ny Tafiky ny Fitondrà-Mpanjaka Thai io fanonganam-panjakana ankehitriny io ny 22 May tamin'ity taona ity, nivoady ireo mpitarika miaramila fa ho henjana kokoa raha ampitahaina amin'ilay fanonganam-panjakana akaiky indrindra tamin'ny 2006. Ny Jeneraly Prayuth Chan-ocha, mpitarika ny fanonganam-panjakana sy praiminisitra ankehitriny, dia niteny fa nilain'i Thailand ny fanafody “faran'izay mahery” mba hitsaboana azy amin'ny disadisa ara-politika izay nikiky ny firenena nandritry ny taompolo iray. 

Ilay fitondràn'ny mpanongam-panjakana teo aloha dia toy ny tsy nanao ho resaka matotra ny tonton'ny aterineto; tsy toy ny eo ankehitriny, izay mampiseho asa mibaribary mivantana amin'ny fampiharana midadasika be sy henjana ny fanarahamaso ny vaovao mivezivezy. 

Ny zava-tsikaritra avy amin'ny andrana fandrefesana tambajotra nataon'ny Citizen Lab dia maneho fa “tena faran'izay niovaova (dynamique) be” ny fibahanana nandritry ny andro taorian'ilay fanonganam-panjakana.

…taorian'ny nahitàna ny tranonkala voalohany niharan'ny fibahanana, nasehon'ny vokatr'ireo andrana mifandraika amin'izany fa betsaka ireo tranonkala vaovao voabahana saika isanandro vaky izao. Niovaova  tahaka izany koa ireo fomba ara-teknika nampiasaina ho fampiharana ny fibahanana, satria niovaova matetika ihany koa ireo pejy fibahanana sy ny tolotra mpampiantrano azy ireny.

Hitan'ireo mpikaroka ihany koa fa manivana votoaty karazany hafa ireo mpanolotra serasera aterineto. “Rehefa mitambatra, fitaratry ny tontolo tsy marin-toerana ireny fiovàna ireny, tontolo nahitàna ny fampiharana ny sivana aterineto nikiskaa haingana be toy ny fivoaran'ny fanonganam-panjakana ihany,” hoy izy ireo nanoratra.

Mba hampitomboana ny maha-mitombina ireny fanivànana ireny, nampiantso ireo mpitantana ireny mpanome tolotra serasera aterineto ireny ny tafika tao Thailand mba hanatrika fihaonana izay nitakian'izy ireo “fiaraha-miasa” amin'ny fanarahamaso. Tany amboalohany dia notakiana tamin'ireo mpanome tolotra aterineto ny hanomezany lisitra iray ho an'ny Ministeran'ny Fifandraisan-davitra sy ny Teknolojiam-pifandraisana sy ny misy ireo rohy hobahanana tao anatin'ny ora iray, ho an'ny polisin'ny Habaka, na ho an'ny Kaomisionan'ny Fifandraisan-davitra sy ny fanapariahan-tsary sy feo.

Ary dia nifanindran-dàlana tamin'ireo fepetra hafa ho fanaraha-maso ny vaovao mivezivezy ny fanivànana ny aterineto. Tena teo ambany fanaraha-maso henjana be sy sivana nataon'ny fitondrà-miaramila ireo media tranainy toy ny TV, ny trano fampielezam-peo, “cable” na gazety an-tsoratra raha vao hoe resaka mikasika vaovao politika. 

Nandraman'ny governemanta vaovao ihany koa, saingy tsy vitany, ny hahazo fiaraha-miasa avy amin'ireo goavan'ny aterineto, toy ny Facebook, Twitter sy  Google na ilay fampiasa hifampiresahana mivantana “LINE”. Tsy vitany ny nahazo fanohanana avy amin'ireo sehatra media sosialy fototra, dia toa ampiasain'ny tafika ireo fomba fanao mahabe resaka mba hanangonany ny adiresy mailak'ireo mpampiasa aterineto, araka izay itateran'ny Thai Netizen Network azy.

Hatreto dia voatazon'ny fitondrà-miaramila Thai ny fanomezan-tokiny hanenjana ny fomba fanaony amin'ny fanarahana maso ny vaovao mivezivezy ety anaty habaka. Tsy niniany, nefa dia nanome fiaraha-mientana sy fitaovana ho an'ny fanjakàna ho enti-mametraka fepetra sy fanarahana maso ny tontolon”ny habaka ilay fanonganam-panjakana farany teo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.