Arzantiniana Mpilalao Baolina Ezequiel Lavezzi Mahazo Mpanjohy Vehivavy

Second half of friendly match between Italy and Argentina

Enrique Lavezzi mandaka baolina nandritra ny lalao am-pirahalahiana teo amin'i Italia sy Arzantina. Sary avy amin'i: Giuseppe “Pino” Fama. Zon'ny mpamorona, Demotix (14 Aogositra 2013).

Miteraka firehetam-po, fihaonana, fanantenana, finamanana ary fivoriana eo amin'ny namana sy ny fianakaviana ny Mondialy. Tao Arzantina, niteraka onjam-pahatairana tampoka  teo amin'ireo vehivavy mpankafy i Ezequiel Lavezzi, mpilalao baolina kitra malaza fantatra ihany koa amin'ny anarana “Pocho” ny fotoana nanalàny ny akanjony.

Efa manana mpanjohy 381 500 sahady ny pejy Facebook, Pocho Lavezzi to play shirtless (Pocho Lavezzi milalao mitanjaka hatramin'ny nananganana azy tamin'ny 25 Jiona 2014. Taorian'ireo siokany tsirairay avy tao amin'ny kaonty Twitter-n'i Lavezzi (@PochoLavezzi), hoy ireo mpankafy namaly:

Ary raha mbola tsy ampy izany, efa manana ny cumbia (dihy Latina) azy manokana sahady ilay mpilalao baolina kitra :


Ary inona kosa no lazain'ireo lehilahy? Araka ny hita tao amin'ny pejy Facebook La Nueva, nilaza toy izao tao amin'ny lahatsoratra “Ireo vehivavin'i Pocho Lavezzi“:

Y la verdad que el Pocho puede tener su pinta. Eso no se discute. Lo que se discute es la falta de clase: qué feas quedan las frases “te como todo”, “papito”, “mirá esos abdominales”…
Y ni hablar del mal gusto de “si el Pocho me mira, ¿sabés cómo largo al gordo?”, “mi marido tiene la misma plancha de ravioles (por los abdominales marcados) pero adentro”.
[…] Ya sabemos que somos menos deseados que el Pocho Lavezzi. Pero no hace falta que lo digan tan seguido, en voz tan alta y de manera tan grosera.

Ny marina angamba dia mety hoe bikana i Pocho. Tsy afaka miady hevitra amin'izany ianao. Ny zavatra resahantsika dia ny tsy fisian'ny fahalalam-pomba: tena maharikoriko ny fanehoan-kevitra toy ny hoe “Hohaniko ianao”, “dada”, “jereo ny tratra …” Ary mahasosotra ihany koa ny mahare hoe “raha mba mitodika aty amiko foana moa i Pocho, fantatrao hoe hafainganana manao ahoana no handaozako azy (vady)? »,« manana hoza-kibo mivalombalona in'enina tahaka izao ihany koa ny vadiko … saingy mbola ambany. “
     […] Fantantsika sahady fa tsy mampitsiriritra noho i Pocho Lavezzi isika. Saingy, tsy ilaina ny manasongadina izany matetika ka milaza izany mafy sy an-kasahiana.

Fanampin'izany, nilaza ny Enough with the Sexism (Leo ny Fanambatiam-behivavy) fa tsy mitovy amin'ny ataon'ny lehilahy izany:

¡Pero cuánta hipocresía en los varones que se escandalizan ahora porque algunas mujeres miran más los abdominales y pectorales de los jugadores que sus performances deportivas! ¡Cuánto cinismo en todos los que señalan el doble discurso de las mujeres, tipo: “¿No era que estaba mal cosificar a las mujeres? ¿Por qué hacen lo mismo ustedes ahora?”
Ojo, tienen razón, la cosificación es degradante sea cual sea el género.
Pero pregunto: ¿cuántos de ellos, cuando sus amigos, familiares, colegas, cosificaban a mujeres, les dijeron lo mismo y les explicaron, como ahora explican a las mujeres Lavezzi-maniáticas, que cosificar es degradante?

Tena mihatsaravelatsihy ireo lehilahy tafintohina satria mijery ny hoza-kibo sy hoza-tratra- (bokona) -n'ireo mpilalao ny vehivavy fa tsy mijery ny zava-bitan'izy ireo amin'ny fanatanjahan-tena! Tena mihatsaravelatsihy ireo olona (lehilahy) ireo amin'ny fanasongadinana ny lasitra roa samihafa ataon'ny vehivavy tahaka ny: «Tsy diso ve ny manasongadina (manome endrika ivelany) ny vehivavy?  Maninona ianao ankehitriny no manao zavatra tahaka izany?” Henoy eto, mety io, manimba izay mahalahy sy vavy ny fanosongadinana endrika ivelany. Saingy manontany ity aho: Firy amin'ireo lehilahy ireo, no mampiditra ny lohahevitra ary manazava tsara amin'ireo namany, fianakaviany, sy mpiara-miasa, fa diso ny fanasongadinana ny endrika ivelany ny vehivavy, tahaka ny fandraisana ireo vehivavy tara loatra amin'i Lavezzi amin'izao fotoana?

Handao anareo amin'ity sary ity hoan'ny tsirairay izahay amin'ny fametrahana ity sary ity hanatsoahan'ny tsirairay ny tsoakeviny avy:

lavezzi instagram

Sary avy amin'ny kaonty Instagram an'i Pocho Lavezzi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.