Noroahin'i Bahrain Ny Iraka Manokana Amerikana Misahana Ny zon'Olombelona

Bahrain's opposition held 'Democracy for Everybody' protests in capital city   Manama on 19 March 2013. Photo by Satraawi Bahrain. Copyright Demotix.

Nanatontosa fihetsiketsehana ‘Demaokrasia hoan'ny rehetra’ tao an-tanànan'i Manama ny mpanohitra ao Bahrain tamin'ny 19 Martsa 2013. Sary avy amin'i Satraawi Bahrain. Zon'ny mpamorona Demotix.

Noterena handao an'i Bahrain tsy misy hatak'andro ny manampahefan'ny governemantan'i Etazonia nanao fitsidihana tao Barhain taorian'ny fihaonany tamin'ireo lehiben'ny mpanohitra Shiita malaza vitsivitsy tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity.

-7yyIH9L

Sary tao amin'ny Twittern'i Malinowski.

Araka ny filazan'ny sampam-pahalalam-baovaom-panjakana BNA ao Bahrain, “nitsabaka ankarihary” tamin'ny raharaha anatin'ny firenena i Tom Malinowski, Sekreteram-panjakana Lefitra Amerikana misahana ny Demaokrasia, Zon'Olombelona ary ny Asa.

Namana stratejikan'i Etazonia ity nosy kely manankarena solitany ity ary nanome toby miaramila hoan'ny tafika an-dranomasin'i Etazonia ao Afovoany-Atsinanana.

Niatrika tsikera noho izy tompon-dakan'ny tsy fanajana ny zon'olombelona hatramin'ny nisian'ny famoretana nataon'ny miaramila tamin'ireo fihetsiketsehana notarihin'ny Miozolomana Shiita manohitra ny governemanta tamin'ny taona 2011 i Bahrain, izay tantanin'ny fianakaviana Sonita al-Khalifa. Mbola nitohy milamina, ireo fihetsiketsehana madinika miaraka amin'ny ankamaroan'ireo Miozolomana Shiita mitaraina noho ny fanavakavahana ara-politika sy ara-toekarena ary mitaky fahefana bebe kokoa avy amin'ny governemanta tahirin'ny Sonita.

The guided-missile destroyer USS Arleigh Burke arrives for a port visit in Manama, Bahrain. From the Official US Navy Flickr page. CC-ND - 2.0 mAY 13, 2014

Sambo mpitarika balafomba USS Arleigh Burke tonga nitsidika ny seranan-tsambo ao Manama, Bahrain. Avy amin'ny pejy Flickr ofisialin'ny TAfika an-dranomasina Amerikana. Sary nalaina tamin'ny 13 Mey 2014. CC BY 2.0

Nanazava tamina sioka izay nisy namerina nandefa in-255 hatramin'izao i Malinowski tenany:

Toa tsy miresaka momba ahy ny fanapahan-kevitry ny governemanta #Bahrain fa momba ny fampikatsoana ny fifampiresahana. Tsy tokony sakanana izay mahakasika ny fihavanam-pirenena.

Mpikatroka zon'olombelona Ahmed Ali, monina ao Cardiff, Angletera nilaza hoe:

Nilaza ny fampahalalam-baovao manohana ny fitondrana #Bahrain fa ao amin'ny seranam-piaramanidina handao an'i #Bahrain ny Sekretera Lefitra Amerikana @Malinowski.

Efa lasan'i Nabeel Alhamer, mpanontsaina ara-pampahalalam-baovaon'ny Mpanjaka Bahrainita ity gazetin'ny mpanohana ny governemanta ity, izay efa nisioka teo aloha hoe [ar]:

Mihevitra i Bahrain fa olona mpanelingelina ary tokony handao an'i Bahrain noho ny fitsabahana ny raharaha anatiny ny Sekretera Lefitra Amerikana misahana ny Demaokrasia, Zon'Olombelona sy ny Asa.

Niteraka tabataba teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fandroahana. Tamina andianà sioka, nanamarika ny tale mpanatanteraka avy ao amin'ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona, Kenneth Roth hoe:

Amin'ny fandroahana ny iraka manokan'ny Amerikana misahana ny zon'olombelona @Malinowsk, mampiseho i #Bahrain fa manana rariny izy raha namariparitra ny “nosin'ny fonjany”. http://t.co/qKWxBm9fxy

Noroahin'i #Bahrain ny lehiben'ny Zon'olombelona Amerikana @Malinowski noho ny fihaonana diso tamin'ireo olona izay voalaza fa mpikatroka tsy miankina, fa tsy ny bolokin'ny governemanta

Hoy izy nanampy:

Iray amin'ny tanjon'i #Bahrain amin'ny fandroahana ny iraka Amerikana misahana ny zon'olombelona @Malinowski: fanakanana azy tsy hihaona amin'ny lehibe mpiaro ny zon'olombelona @NabeelRajab.

Mpikatroka mpitarika ny zon'olombelona Nabeel Rajab, vao avy navoaka ny fonja rehefa nigadra 3 taona an-tranomaizina noho ny sioka nalefany, nilaza ity manaraka ity hoan'ireo mpanaraka azy 231K:

Olona mendri-kaja ny namako Malinowski ary ny zava-mihatra aminy ao Bahrain dia fanehoana ny fahatsorany. Hampitombo ny fanajan'ny olona azy sy ny hetsika zon'olombelona ho azy ny fandroahana azy androany.

Nanazava ny namana avy ao amin'ny Ivon-toerana Ambony momba ny Diplaomasiam-bahoaka sy ny Serasera Ankapobeny George Washington ao Etazonia sady mpilaza vaovao ao amin'ny BBC sy ny Daily Beast, Philip Crowley fa:

Ny tena mampiavaka tanteraka an'i #Bahrain nandroaka ny Sekretera Lefitra Tom Malinowski dia ny fangaraharahany. Tsy misy olona afaka hilaza fa misokatra amin'ny fanovana i Bahrain.

Etsy andaniny, naneho ny fanohanany ny fandroahana kosa ireo mpiserasera mpanohana ny fitondrana . Mpikambana ao amin'ny Parlemanta, Khalid Almalood nilaza tamin'ireo mpanaraka azy 2700 ao amin'ny Twitter hoe:

Ny Sekretera Lefitra Amerikana misahana ny Demaokrasia, ny Zon'olombelona sy ny asa izay noroahin'i Bahrain dia talen'ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona, ary anisan'ny mpikambana amin'izany koa i  Nabeel Rajab, ilay nanoratra vaovao ratsy momba an'i Bahrain

Vondrona Tanora Riffa nisioka tamin'ireo mpanaraka azy miisa 25.5K:

Misaotra ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny noho ny fanapahan-keviny feno herimpo nandroaka ny Sekretera Lefitra Amerikana misahana ny Demaokrasia, ny Zon'olombelona sy ny asa izahay ary mbola miandry herim-po hatrany amin'izany mba handroaka ny Masoivoho amerikana (Etazonia) hiala ao Bahrain ihany koa izahay

Ary tsy nifarana hatreo izany. Mpitarika vondrona mpanohitra Al Wefaq Ali Alaswad, izay manana mpanaraka 64.1k ao amin'ny Twitter nisioka hoe:

Taorian'ny fitsipahan'ny @StateDept ny fanesorana an'i @Malinowski, mivadika mikendry an'ny @ALWEFAQ indray ankehitriny i  #Bahrain, mampiantso an'i @KhalilAlmarzooq & @WefaqGS

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.