Maneho Hevitra Amin'ny Fanavaozana Ady Amin'i Gaza ny Israeliana

Taorian'ny tifitra balafomanga avy any Gaza, nanaiky ny hanaovana bemidina antsoina hoe “Sisiny Fiarovana” ny (fahefana) mpanatanteraka Israeliana hanoherana ireo mpikatroka any Gaza tamin'ny 7 jolay. Ireo balafomanga natifitra avy any Gaza ireo dia setrin'ny hetsika lehibe fisamborana ireo Palestiniana ahiahiana ho mpikamban'ny Hamas manerana an'i Andafin'i Jordana ary tazonina ara-panjakana. Ny daroka baomba sy ny fisamborana no nasetrin'ny Israeliana tamin'ny fakana ankeriny sy ny famonoana tanora Israeliana telo tany andafin'i Jordana nataon'ny Palestiniana izay angamba mpikambana ao amin'ny Hamas.

Tom Aharon nisioka ny faniriana ankapoben'ny Israeliana hahita ny governemanta “hamaly faty” ny fahafatesan'ireo tanora telo sy ireo tifitra balafomanga avy any Gaza :

קיבלתי פוסט בוואטסאפ על כמה שביבי פחדן וחסר ביצים למרות שהוא הולך להשמיד את עזה. יש אנשים שלא ירגעו עד שהם לא יראו אותו אוכל תינוק בטלוויזיה

Nahazo hafatra tao amin'ny WhatsApp amin'ny mahasaron-tahotra sy sarim-bavy an'i Bibi [anaram-bositr'i Netanyahu] aho, na dia handrava an'i Gaza izy. Misy olona sasantsasany tsy mety tony mihitsy mandrapahitan-dry zareo azy mihinana zazakely eo amin'ny fahitalavitra.

Mpikatroka elatra havia Danit Gottfriend namoaka tao amin'ny Facebook ny hafatra voarainy tao amin'ny WhatsApp vondron'ny ray amandrenin'ny mpianatra garabola fandehanan'ny zananilahy:

gaza genocide

Vina… Gaza taloha [eo amin'ny ankavanana] | Gaza aoriana [ankavia]
    revolisiona maitso – IDF Landscaping Inc.[orinasan-tontolo maitso IDF (tafika israeliana)]

Bar Heffetz, izay monina ao Nirim, manakaiky ny sisintany amin'i Gaza, namoaka tao amin'ny Facebook ny fitsikerana ny Praiminisitra, Minisitry ny vola ary ny minisitry ny toekarena (Varotra):

האמת כמה שזה נורא אני שמח שזה מתפוצץ לממשלה הזו בפרצוף. זה מגיע לרסיס בישבן בנט, אני בכלל לא בשמאל לפיד, ולמר אירן נתניהו. שזה יקרה במשמרת שלהם ולא יחכה לבאים בתור כי מי שיושב על לוע של הר געש ומתעקש להתעלם אז מגיע לו. רק חבל שזה בא על חשבון כולנו.

Tsoriko, fa na dia mampivarahontsana aza, faly aho fa nipoaka tamin'ny tavan'ity governemanta ity izany. Mendrika azy ireo iny – azy rehetra: [Naftali] “shrapnel in the butt“(poti-bala mipatitaka ao am-pitombenana) Bennet, [Yair] “tsy elatra havia akory aho” Lapid, ary Atoa Iran, Netanyahu. Tokony hitranga amin-dry zareo izany fa tsy amin'ny mpandimby. Satria mendrika ho an'ireo mipetraka antampon'ny volokano izany nefa tsy miraharaha azy. Mahamenatra fa isika no iharany.

Gilli Paran nisioka:

נו לפחות עם כל הרקטות האלה אפשר לומר שעזה עשו משהו עם הכסף ששחקני נבחרת אלג'יריה תרמו להם.

Ie, farafaharatsiny mba azo lazaina hoe inona ny nampiasan'i Gaza ny vola nomen'ny ekipam-pirenena Alzeriana azy ireo amin'ireto balafomanga ireto.

Nisioka ilay Israeliana mpiserasera Lior Oren:

Fiaran-dalamby eto Israely mandeha izao takariva izao: fanafihana amin'ny balafomanga ataon'ireo olon-dia any Gaza.

Maro ny Israeliana namazivazy tamin'ny anaran'ny bemidina, izay antsoina amin'ny teny hebreo hoe “Vato matanjaka”. Ny anarana amin'ny teny anglisy ampiasain'ny IDF (tafika israeliana) dia “Protective Edge” (Sisiny fiarovana).

Nisioka ilay Israeliana mpanao tantara vilana hampihomehezana manana anaram-bositra “Avgad Yavor”:

אני מציע להפסיק עם היופמיזמים והללכת מסביב הזה ולקרוא למבצע הבא של צה”ל “מבצע זין ענקי”.

Manolo-kevitra aho hampitsahatra ny teny fampitoniana voambolana manafintohina [euphemisme] ary hiantso ny bemidina ataon'ny IDF manaraka ho “Bemidina Filahiana Ngeza”

Nisioka i Nitay Peretz, izay monina akaiky ny sisintanin'i Gaza :

בן אנד ג'ריס הודיעו שיוציאו טעם חדש של גלידה בשם “צוק איתן” בטעם ווניל-פיסטוק-הסתה לאומנית.

Nanambara i Ben & Jerry's fa hamoaka tsiron-gilasy vaovao ry zareo izay hantsoina hoe “Vato Matanjaka izay hahenoana tsirona vanilla-voanjo-fandrisiham-pirenena. 

Nananihany ny mpisioka Ouriel Daskal :

יש לי שם למבצע בעזה! מבצע דה ז'ה וו

manana anarana amin'ny bemidina any Gaza aho! Operation déjà vu (bemidina efa hita)

Ny mpiserasera @dkapuchino namoaka ny heviny amin'izay tena tanjon'ny bemidina :

“צוק איתן”. כי “צריכים שתשכחו מכל פרשיות השחיתות ושתפסיקו לפקפק לנו בתקציב הבטחון” נתפס פחות חזק בתקשורת העולמית

”Vato Matanjaka” satria tianay hohadinoinareo ny raharahan-kolikoly manafintohina ary tianay ny hitsaharanareo misalasala [amin'ny filàna fampakarana] ny teti-bolan'ny fiarovana tsy nandaitra na dia amin'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena aza.

Niady hevitra antserasera amin'ny tanjon'ny bemidina ny Israeliana.

Israeliana mpanao matoandahatsoratra Ariana Melamed nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook:

מאד לא מרגיע, כשראש ממשלה מאותגר פוליטית שולח צבא כבול-מבצעית לפעולה ממוחזרת שתסתיים הרבה לפני שיושגו מטרותיה, שלא בטוח מהן.

Manahy aho rehefa ny praiminisitra voatohitra eo amin'ny lafiny politika no mandefa tafika manao bemidina fanao isam-potoana izay mifarana mialoha lavitra ny tanjona manjavozavo.

Ouriel Daskal nisioka tsonga avy ao amin'ny pejy Facebook an'ilay ankavanana firona minisitry ny fitaterana Katz ary naneho hevitra:

ישראל כץ: “זהו, ההבלגה הסתיימה!מבצע ״צוק איתן״ יצא לדרך. עכשיו כולנו מאוחדים עד לנצחון”. ניצחון זה שחותמים עם חמאס שיהיה שקט עד קיץ 2015,כן?

Israel Katz: “Izay izany! Tapitra ny politikam-pitandremana! Manomboka ny Bemidina ‘Vato Matanjaka’. Ankehitriny tafavondrona isika rehetra mandra-pahatonga ny fandresena.” Fandresena rehefa miara-manao sonia amin'ny Hamas isika fa hilamina izy mandra-pahatonga ny fahavaratra 2015, izay?

“Avgad Yavor” nisioka:

יש שאלה אחת שהעיתונאים צריכים לשאול עכשיו את הממשלה, ואני מהמר שהיא לא תישאל:
האם יש קריטריון מדיד שכאשר הוא יושג – נכריז שהמבצע יסתיים?

Misy zavatra iray ilaina anontanian'ny mpanoratra gazety amin'ny governemanta amin'izao fotoana izao: “Misy mari-pandrefesana ahafahana mamantatra ve hoe rehefa tratra io marika io dia tapitra ny bemidina?”

Nisioka ny blaogera fironana havia Noama, izay vao nofotoran'ny Shin Bet noho ny fanadihadiany ny fampijaliana ankizy any am-pitazonana olona vonjimaika:

כולם אומרים שירי על אזרחים הוא פשע מלחמה, אף אחד לא רואה אזרחים בצד השני

Miteny daholo fa heloka an'ady ny mitifitra amin'ny sivily, fa tsy misy mahita sivily ny andaniny sy ny ankilany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.