Hetsi-pahatsiarovana Bisikileta Fotsy Ao Orogoay

Tao anatin'ny volana vitsivitsy, nanome voninahitra tao anatin'ny fahanginana hoan'ireo mpitondra bisikileta namoy ny ainy tao amin'ny araben'i Orogoay ireo bisikileta fotsy miendrika matoatoa, ary ao anatin'izany ihany, dia manentana ny saofera sy ny vahoaka mikasika ny maha-zava-dehibe ny bisikileta izay fitaovam-pifamoivozana azo antoka sy ara-pahasalamana.

Tsy zava-baovao ity hetsika ity, satria efa nandray anjara tamin'ny tetikasa tahaka izany ireo tanàna 200 manerantany. Ao Orogoay, napetraka tamin'ny 27 Aprily 2014 ny moto matoatoa voalohany, ho fahatsiarovana an'i Natalia Mastroianni[es], mpitondra bisikileta 22 taona izay voadonan'ny fiara tao amin'ny araben'i Rambla, akaikin'ny fihaonan-dalana ao amin'ny tetezana Carrasco, ao Montevideo tamin'ny Aogositra 2009.

Ny hetsika Bicicletas Blancas [es] dia natsangan'ny Ciclovida [fihodinam-piainana], fikambanana mampiroborobo ny fampiasana bisikileta sy ny kolontsain'ny lalana, ary fomba iray hisarihana ny saina manoloana ny tsy fisian'ny foto-drafitrasa sahaza ny bisikileta. 

Ny tanjony dia ny handrisika ny fiovana ara-kolontsaina, dia izay manome lanja ny fivezivezen'ny bisikileta ao Orogoay, fitaovam-pifamoivozana mahasahana ny 10% n'ireo fitaovam-pitaterana mivezivezy isan'andro ao amin'ny araben'ny firenena ankehitriny.

Nanatona ireo manampahefan'ny governemanta ao amin'ny Unidad Nacional de Seguridad Vial (Unasev)(Sampam-piarovam-pirenena misahana ny Lalana ao Orogoay; es) ny Ciclovida mba hanomboka fiaraha-miasa hampiroboroboana ny fampiasana bisikileta sy ny fanajana ireo fitsipika mifehy ny lalam-pifamoivoizana. Tanjon'izy ireo ihany koa ny hanentana mikasika ny hafatra hoan'ny vahoaka, “Fifamoivozana avokoa isika rehetra”, izay manome toro-lalana hoan'ireo saofera sy mpitondra bisikileta mikasika ny tokony atao eny amin'ny toeram-pifamoivozana iombonana.

Nametraka fepetra maro isan-karazany i Montevideo, anisan'izany ny lalam-baovao hoan'ny bisikileta, ho fomba iray hampiroborobona ny fampiasana bisikileta.

Tamina lahatsoratra nivoaka tamin'ny 26 mey tao amin'ny gazety Espaniola mpivoaka isan'andro El País [es] mikasika ireo bisikileta matoatoa hafahafa nitandahatra tamin'ny andry ao amin'ny araben'ny tanàna, naneho hevitra ny mpandrindran'ny Ciclovida, Gustavo hoe “Mampidi-doza ny lalana natokana hoan'ny bisikileta eny amin'ny Oniversite.”

Ity hetsika farany nataon'ny Bicicletas Blancas ity dia dingana hafa amin'ny hetsika Ghost Bikes (Bisikileta Matotoa) izay teraka tamin'ny taona 2003 tao Saint Louis, Missouri, ary hita taratra ao amin'ireo tanàna 200 mahery manerana izao tontolo izao.

Na dia efa nanmetraka bisikileta fotsy roa aza ry zareo tao la Rambla – ka ny faharoa dia tao Rambla y Belastiquí ho fahatsiarovana an'i Washington González [es], mpitondra bisikileta 68 taona izay namoy ny ainy tamin'ny 8 Marsa 2014 – dia maro ireo olona mbola tsy mahafantatra ny fisian'ny hetsika, araka ny abaribarin'ireo fanehoan-kevitra ao amin'ny media sosialy.

Miombo-kevitra avokoa ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter, tahaka ny an'i Laura Lion (@LauraLionGu), miasa amin'ny fizahan-tany ity:  

Manontany ny dikan'ny bisikileta aho. Ity ny valinteny http://t.co/WS2d3fjfHH @elpaisuy

Ho azy kosa, manontany ireo mpitondra bisikileta sy ny fihetsik'izy ireo eny an-dalana i Cesar A. Martínez (@CesarAMartinezR):

Mba hahatsiarovana ny tsy fitandreman'izy ireo manokana ihany koa ve ity? Inona no dikan'ireo bisikileta miraikitra eny amin'ny arabe?

Nanohana mivantana ny hetsika ny talen'ny Antoko Kaonservativa Partido Nacional Agrupación Nacionalista Compañeros, Esteban Jardín (@ estebanjardin):

Fisantaran'andraikitra tsara mitovy amin'ilay nampiasaina taloha tao New York, miarahaba ireo mpikarakara izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.