77 Taona Lasa, Nanomboka ny Ady Teo Amin'i Sina sy Japana Izay Nahafatesan'Olona An-tapitrisany

Chinese President Xi Jinping delivers a speech in Beijing on Monday to mark the 77th anniversary of the start of the Second Sino-Japanese War. Screenshot from CCTV.

Nanao lahateny tao Pékin ny Filoham-pirenena Sinoa Xi Jinping tamin'ny Alatsinainy nanamarihana ny fitsingeranan'ny faha-77 taona nanombohan'ny Ady Faharoa teo amin'i Sina sy Japana. Saripika avy tao amin'ny CCTV.

Nokianin'ny Filoham-pirenena Sinoa Xi Jinping ny fanafihana nataon'i Japana nandritra ny fotoanan'ady ary naveriny nolazaina ny faharisihan'i Sina tamin'ny fivoarana anatin'ny fandriampahalemana, tanatinà lahateniny feno fihetseham-po izay naharitra 13 min naely tao anatin'ny fahitalavi-panjakana nanamarihana ny fitsingerenan'ny faha-77 taonan'ny loza mikasika ny Marco Polo Bridge — ilay ady nahita ny fiandohan'ny fitsoahan'ny miaramila Japoney. 

Ity no fotoana voalohany mba nanatrehan'ny mpitarika lehibe an'i Sina fotoan-dehibe nokarakarain'olo-manan-kaja, satria nangatsiaka ny fifandraisana teo amin'i Pékin sy Tokyo noho ireo disadisa manomboka amin'ny fifandirana ireo nosy ka hatramin'ny fitomboan'ny fitiavan-tanindrazana eo amin'ireo firenena roa tonta. 

Mitodika any amin'ireo solontenan'ny miaramila, vondrom-pianatra tanora iray, ireo mpitondra avy ao amin'ny antoko politika ary ireo mponin'i Beijing voafidy i Xi ka nilaza hoe:” Mbola misy andian'olom-bitsy izay manakipy ny masony manoloana ireo zava-niseho ara-tantara ary minia tsy mahalala ireo aina an'aliny maro nafoy nandritra ny ady, izay nanohitra ny fironana ara-tantara ka nitsipaka lalandava na nanasoasoa mihitsy aza ny tantaran'ny fananiham-bohitra”.

Fanoroana mazava ireo mpanao politika avy ao amin'ny elatra havanana any Japana ny filazan'i Xi hoe “andian’ olom-bitsy”, izy ireo izay nitsipaka ny nolazain'i Sina ho fahabibiana nataon'ny Japoney nandritra ny ady izay nahitana ilay Fandringanana tao Nanjing izay tsy dia be mpahafantatra, sy ireo fanandevozana tamin'ny firaisana ara-nofo noterena nandritra ny Ady Faharoa teo amin'i Sina sy Japana tamin'ny 1937–1945.

“Ny tanjon'ity lanonana ity dia ny hahatsiarovana ny tantara, hitarafana ireo razambentsika mpitondra fanovàna, hankamamiana ny fandriampahalemana sy ho mailo ny amin'ny [loza mandindona] hoavy ary ho an'i Sina dia ny mba hahavita tanteraka mihitsy dingana iray mankany amin'ny fivoarana anaty fandriampahalemana sy fiarovana ny fandriampahalemana eran-tany,” hoy i Xi tamin'ny fanombohan'ny lahateniny. Nampiany koa fa nandrava ny fifampitokisana teo amin'ny roa tonta ny fandavana ny tantara ary niteraka fihenjanana teo amin'ny faritra izany.

Narahina lanonana kely ny lahatenin'i Xi, izay nahitana vondron'ankizikely mpianatra sy solontenan'ny tanora niara-niventy hira manao hoe: “Mba hahatsiarovana mafy ny tantara, hankamamiana ny fandriampahalemana, tsy hanadinoina ny fahafaham-barakam-pirenena ary mba hahatanteraka ny nofinofin'i Sina”. 

Nilaza i Yoshihide Suga, mpitondra tenin'ny lehiben'ny governemanta Japoney, ho valin'ny fotoam-pahatsiarovana tamin'ny Alatsinainy, fa tsy ilaina ny fanandraman'i Sina hamongatra ny tantaran'ny vanim-potoan'ny ady sy hamadika izany ho olana iraisam-pirenena, ary tsy manampy amin'ny fametrahana ny fandriampahalemana sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny faritra, raha ny filazan'ny Associated Press

Nofaritan’ny media fototra tandrefana ho somary misetrasetra ara-diplomasia i Sina hatramin'ny naha-filoham-pirenena an'i Xi tamin'ny 2012. Niahy ny fananganana Faritra Fiarovana an'habakabaka izay mandrakotra velarana ngeza mahasarona ny ranomasin'i Sina Atsinanana i Xi, izay nitarika ny hatezeran'i Etazonia sy Japana. Nolavin'i Pékin ny hevitra fa hetsika fihantsiana ady sy hetsika manokana tsy nifanarahana no  nataony. Taminà hetsika iray hafa be mpijery, nitatitra fitaovam-iptrandrahana solika tany amin'ny rano iadivana any amin'ny Ranomasin'i Sina Atsimo i Sina tamin'ny volana Mey, izay nanaitra ireo hetsi-panoherana faobe manohitra an'i Sina tany Vietnam, izay nolazain'i Pékin ho tsy ara-dalàna.  

Mitady fahefana ara-paritra bebe kokoa i Sina noho ny fitomboan'ny heriny ara-toekarena. Nanoritsoritra ny safidy manadalan'i Sina ao Azia ho iray amin'ny fomba handanjana ny fiakaran'ny fandriampahalemana izay lazainy fa tadiaviny mafy miaraka amin'ny faniriany hanana fahefana ara-paritra bebe kokoa ny lahatsoratra iray vao haingana tanaty gazety boky The Economist

Mahazo vahana ho rehareham-pirenena miroborobo izany faniriana izany satria lasa manan-karena kokoa i Sina ary mihamitsiriritra mafy ny ho re eo amin'ny raharahana iraisam-pirenena. Nandritra ny fitsidihana  nataony tany Frantsa dia nilaza i Xi fa liona taitra i Sina ka “milamina, mahafinaritra ary vanona”. 

Ary rehefa mahakasika ny fihetsehana ara-diplaomasia any Azia izany, dia nanjary tselatr'afo eo amin'ny fandriampahalemam-paritra ny fifandirana mitombo eo amin'ny Sina sy Japana, ireo firenena roa ngeza indrindra ara-toekarena any Azia, raha oharina amin'ny zavatra hafa rehetra . 

Nampiharihary ny fahasorenan'i Sina manolona ny tsy faharisihan'ireo mpanao politika Japoney amin'izao fotoana hiatrika ny tantara ireo hetsika tahaka ny tamin'ny Alatsinainy. Nisy izany taorian'ny nandavan’i Japana ny 60 taona fanakanana ny firotsahan'ny miaramilany hiady any ivelan'ny firenena mandritra ny 60 taona. 

Lohahevitra mafana tao amin'ny Sina Weibo, ilay tolotra fitoraham-bilaogy madinika malaza hita sahala amin'ny Twitter any Sina, ilay fitsingerenantaona. Nanaitra ny mpitondra an'i Sina hihetsika ho amin'ny tsaratsara kokoa i Tonghuashu De Xinyuan: 

我们不应该活着伤痛和仇恨中,但我们更应该的,是有好的领导人带领我们中国强大团结,只要国富民强,我们才不会被欺负和践踏。

Tsy tokony hiaina anatin'alahelo sy fankahalana isika, ny tokony hataontsika izao dia ny manana mpitarika tsara hitondra antsika ary hahatonga an'i Sina ho matanjaka sy ho iray tsy mivaky. Tsy ho voahosihosy isika ary tsy ho faty voahitsakitsaka intsony raha toa ka mbola manana firenena sy manan-karena.  

Namoaka sarin'ny fahatsiarovana ny Ady Lehibe Voalohany tany Berlin i Luo Changping, mpanao gazety mpanadihady teo aloha izay manana mpanaraka maro ao amin'ny Weibo, manoro hevitra fa tokony haka lesona avy amin'i Alemana i Japana amin'ny fandinihana ny tantara: 

这是柏林的一战纪念堂,如果说反思,还是看看德国。#七七事变七七纪念# 

Ity no fahatsiarovana ny Ady Lehibe Voalohany tany Berlin, mba mianara lesona avy amin'i Alemana rehefa resaka fandinihana ny tantara. #Fahatsiarovana ny loza tamin'ny 7 Jolay

Nanoratra mikasika ny lanjan'io fitsingerenantaona io i Hu Xijin, talen'ny famoahan-dahatsoratra Global Times ao amin'ny firenena: 

纪念七七事变77周年,是中国的正能量。它能带来对那场国难的反思,帮我们更好看懂今天。揶揄这场纪念的人,大概是想突出自己的特立独行,以及他们能够超越国家和民族利益的、高贵的思想感情逻辑。我有时搞不太清楚,在大是大非面前,这种装孙子的“多元化”是不是依然听可爱?

Maneho ny hery tsara ananan'i Sina ny fanamarihana ny fitsingerenan'ny faha-77 taonan'ny loza tamin'ny 7 Jolay. Mitarika ny olona handinika ny loza eo amin'ny firenena izany ary koa hanampy antsika bebe kokoa amin'ny fahatakarana ny zava-misy ankehitriny. Ireo izay manaraby ity fitsingeranantaona ity dia mety tena manao fanahy iniana ny hanava-tena sy hampiseho lôjika ambony lavitra noho ny tombon-tsoam-pirenena. Indraindray dia tsy azoko hoe ahoana ny “hevitra samihafa” be toy izao no mety hanintona kokoa eo anatrehan'ireo olana goavana mikasika ny marina sy ny diso.

Nitamberina ny zava-nisy tamin'ilay daty kosa ny mpanoratra iray avy any Chengdu, Linhai Tingtao:

今天七月七日,一大早老婆就和岳父母带着孩子去了新家忙装修的事情了,我则在家里一个人安静的上网、码字。因为是上班时间,小区里很安静,只有隔着一个小区的建筑工地里偶尔传来轰鸣声,以及远处主干道上隐约的汽车喇叭声。微博上大家在讨论着世界杯、变4……我想这就是77年前那场战争的意义吧。

7 Jolay androany, nitondra ny zanakay vao maraina be ny vadiko sy ny rafozan-dahiko ary lasa nankany amin'ny tranonay vaovao hanao ny fanaingoana. Izaho kosa mijanona mangina tsara eto manao ny asa soratro sy mitsiditsidika ny ao anaty aterineto. Tena mangingina be ny vondrom-piarahamoninay misy anay satria ora fiasàna izao, feon'ny fandavahana no re tsindraindray avy amin'ny vondron-trano lavidavitra, ary koa anjomara tsy mifanaraka avy any amin'ny lalambe iray.  Miresaka momba ny Amboara Eran-tany sy ny Transformers 4 ny vahoaka ao amin'ny Weibo…Heveriko fa izany no vitan'ny ady 77 taona lasa izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.